04 Aogositra 2017

Tantara tamin'ny 04 Aogositra 2017

Aretim-pon'I Pinochet: Ny Fanehoan-kevitr'ireo Bilaogera

  04 Aogositra 2017

Tamin'ny faran'ny herinandro, naiditra hopitaly noho ny aretim-po ilay mpanao didy jadona teo aloha Augusto Pinochet . Namoha ny fihetsem-pon'ny olom-pirenena Shiliana ny toe-draharaha mikasika ny tantarany . Natao hizarana ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra ity lahatsoratra ity.

Iran: Tsy Misy Firenena Hitoeran'ny Hazo Tranainy

  04 Aogositra 2017

Efa ho herintaona izao no nanome baiko ny polisy mba hanadio ny firenena amin'ny "fitaomana tandrefana " sy ny "tsy fahamenarana" ny manampahefana Iraniana. Soa ihany fa voatery nijanona antenatenan-dalana izy ireo.

Zavo-tsetroka Any Azia Atsimo Atsinanana

  04 Aogositra 2017

Namely an'i Singapaoro, faritr'i Malezia sy Indonezia ny zavo-tsetroka nateraky ny doro tanety tsy ara-dalàna. Ireo tantsaha no nanomboka ny afo nandritra ny vanim-potoana maina mba hanadiovana ny tany hambolena. Natevina kokoa ny zavo-tsetroka tamin'ity taona ity na dia efa namoaka ny fampitandremana momba ny fahasalamana aza i Singapaoro .

Egypta: Sary Famantarana Manokana Google Ho An'ny Andron'ny Zaza Kamboty

  04 Aogositra 2017

Zaza kamboty Egyptiana mihoatra ny 160 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana Google doodle, izay sambany natao tao Egypta sy tany Afovoany Atsinanana. Hiseho eo amin'ny pejy fandraisana Google Egypta (google.com.eg) ny 3 Aprily , amin'ny Andron'ny Zaza Kamboty any Egypta, ny sary mandresy.