- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sri Lanka: Tsy Resahana Intsony Ny Fizahantany Mamoafady

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

Mihevitra i Manshark'Random Rants [1] [En] fa ny fizahantany mamoafady ahitana ny ankizy dia tsy mbola heverina toy ny olana matotra any Sri Lanka. ”Amin'ny ankapobeny ny olona dia tsy tonga saina amin'ilay olana na mody malahelo mandritra ny roa segondra fotsiny rehefa resahana ilay lohahevitra mialohan'ny hamaliany hoe ”Tsy aleo ve miresaka ny vahaolana amin'ny olan'ny firenentsika”. Ny olana iray izay manohy mandona ny saina sy mamotika taranaka manontolo foana ve tsy ampy ho atao hoe olan'ny firenena?” 
Neha Viswanathan