- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tezitra Noho Ny Sivana Amin'ny Aterineto, Palestiniana Miteny #AtsaharoNyFanakanana #NoToBlocking

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Iray amin'ireo peta-drindrin'ny fanentanana #AtsaharoNyFanakanana #NoToBlocking”. Loharano : Twitter.

Tezitra tamin'ny fanakanana [1] farany indrindra nataon'ny Manampahefana Palestiniana (PA) tamin'ny vohikalam-baovaon'ny vondrona politika mpifaninana, tamin'ny Alatsinainy hariva, nanao fanentanana tamin'ny haino aman-jery sosialy mba hanoherana ilay sivana sy famoretana ny fahalalahana maneho hevitra, sy izay antsoin'izy ireo ho fahefana politika tsy refesi-mandidy [2] miha-mahazo vahana hatrany ireo Palestininana mpikatroka.

Nantsoin'ilay fanentanana [3], ny vahoaka hampiasa ny tenifototra (#لا_للحجب [4]) izay midika hoe “atsaharo ny fanakanana”  ary nangataka ny Lehiben'ny Fampanoavan'ny PA mba hamoaka fanambarana ampahibemaso milaza izay anton'io fanapahankeviny io.

Miteny hoe TSIA amin'ny fampanginana ny feony amin'ny alalan'ny fanakanana ireo  vohikalam-baovao ireo antoko Palestiniana sy ny vahoaka! #لا_للحجب [4]

Fanasana iray mba hibitsika: Ho fanoherana ny fampanginana ny feo, ho fisorohana ny famotehana ny fahalalahana, ary ho fanoherana ny fanapahankevitra amin'ny fanakanana vohikala, miaraha aminay amin'ny Alatsinainy amin'ny 10:30 alina  mampiasa ny tenifototra #NoToBlocking

Tami'ny 12 Jona, nanome baiko ny Mpanome ny Tolotra Aterineto (ISPs) any Cisjordanie ny lehiben'ny fampanoavan'ny Manampahefana Palestiniana mba hanakana vohikala maromaro izay tsy mifanaraka amin'ny fironana politikan'ny PA. Tamin'ny voalohany, vohikala 11 [8] mpiara-dàlana amin'ny mpitarika ny Fatah taloha Mahmoud Dahlan sy ny Hamas, fahavalo politikan'ny Fatah, no voasakana. Nisy manampahefana iray tao ami'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana nilaza fa nosakanana ireny vohikala ireny noho ny fanitsakitsahany ny “fitsipiky ny famoahana vaovao”, noho ny “fitsipiky ny famoahana vaovao [9]“, izay  mandràra ny famoahana vaovao sandoka sy / na ny fanalàna baraka.

Mbola tsy mazava, izay “fitsipika” nampiasain'ny PA hanakanana ireo vohikala, fa ny Lalànan'ny Fanaovana gazety sy Famoahana vaovao tamin'ny 1995 dia ahitana fanakanana manjavozavo sy midadasika [10] momba ny fahalalahana maneho hevitra.

Tamin'ny 20 Jona, nanamarika ireo mpanaramaso eo an-toerana fa niakatra ho 22 ny isan'ireo vohikala voasakana. Araka ny vohikalam-baovao Palestiniana Arab48 [11], nametraka lisitra iray misy vohikala sy pejy 40 hosakanan'ireo orinasa, anisan'izany ny pejy Facebook maro an'ireo haino aman-jery sosialy Palestiniana mpampirisika. Tsy nohamafisina na nolavin'ny PA na ireo mpanome tolotra aterineto ISPs ao an-toerana izany. Nanomboka tamin'ny 21 Jona, tsy nisy voabahana na iray aza tamin'ireo pejy Facebook tao anatin'ilay lisitra.

Tezitra tamin'ny tsy fahampian'ny mangarahara tamin'ny anton'ity fanapahankevitra fanapahana ity ireo mpikatroka.

Mpampanoa lalàna #Palestiniana [12] nanakana [13] vohikalam-baovao, tsy misy antony!

#حجب_مواقع [14]⁩ ⁦#Palestina [15]⁩ ⁦#fahalalahan'nyreedomofpress [16]⁩ ⁧#لا_للحجب [4]⁩ ⁦# pic.twitter.com/aiEbDyj5WD [17]

 

Nibitsika ny mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy, Marah Elwadia:

Nanakana vohikala mihoatra ny 22 tsy nanome fanazavana ny PA ary mitombo ny lisitra, manafoana ny haino aman-jery ary mampihatra ny jadona amin'izany sy ny vahoakany ny [PA] #NoToBlocking

Tsy mbola resy lahatra ny mpampiasa aterineto hafa momba ny fahombiazan'ny fepetra fanakanana tahàka izany amin'izao “taonan'ny haino aman-jery sosialy” izao.

Ezahan'izy ireo ampanginina amin'ny fomba rehetra ny sehatra maimaimpoana, nefa ny marina dia eo ambony ary mihoatra [ny ezak'izy ireo], ary tsy vitan-dry kanosa   ny hampangiana azy io #NoToBlocking.

Anatin'ny taonan'ny haino aman-jery sosialy, misisika amin'ny fanaovana tantara ratsy sy fanakanana vohikala ny PA. Tena mampalahelo izy ireo #NoToBlocking.

Nanana izao hafatra manaraka izao ho an'ny PA sy ny Hamas, izay mifehy ny Lemak'i Gaza ny mpampiasa Yahya Hilles. Nanomana ny famoretana [23] azy manokana hatao amin'ny mpanao gazety sy ny mpikatroka ilay vondronà milisy.

Ho an'ny governemantan'i Ramallah #NoToBlocking #AtsaharoNyFanakanana ary ho an'ny governemantan'i Gaza #NoArrests #AtsaharoNyFisamborana, tsy ho ekenay ny fanafoanana ny fahalalahana sy ny fampanginana ny feo (Ramallah, Gaza)

Nisy niantso ho amin'ny fanaovana ankivy ireo Mpanome Tolotra Aterineto SPs izay hita ho mpiray tsikombakomba ami'ny fanitsakitsahana ataon'ny PA:

Fisoratana anarana farany ataoko amin'ny Hadara [IPS iray ao Cisjordanie] #AtsarahoNyFanakanana #NoToblocking

Namelaka ny PA noho ny mizaàna tsindrian'ila ataony ilay mpanao gazetin'i Aljazeera, Suhaib Alassa:

Ahoana no ahafahan'ny Manampahefana Palestiniana mangataka fahafahana avy amin'ny famoretan'ny Israeliana, raha ny fikambanana mpiaro zon'olombelona mitaky aminy ny hanajana ny zon'ny Palestiniana.

Nanambara ireo Palestiniana mpikatroka fa hanohy ny fanentanana izy ireo mandra-pahatongan'ny fotoana anafoanan'ny lehiben'ny mpampanoa lalàna ny didiny sy amahàny ireo vohikala. Mandritra izany fotoana izany, nentin'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona ao Eoropa sy Meditarane ilay olana mba hodinihana tao amin'ny fivoriana faha-35-n'ny Filànkevitry ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana, ary naneho hevitra tao anatinà fanambaràna iray [29]:

“Nanakatona sy nanivana ireo haino aman-jery samihafa ao anaty aterineto sy voatonta printy ny PA, ary tsy mitsahatra manapaka ny karaman'ireo solombavambahoaka ao amin'ny parlemanta izay miteny mafy ny fanoherany”