- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Polisy Sy Mpitondra Bisikileta (Na/Sy Môtô)

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sendikà

(Marihina fa tamin'ny desambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)

Guangzhou [1], tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Shina, ora vitsivitsy avaratr'i Hong Kong, no tanàna lehibe farany hanaisotra ny moto [2] ao aminy, ampiharina manomboka ny 1 janoary 2007, ho hetsika iadiana amin'ny fandotoana [3], ny fitohanan'ny fifamoivoizana [4] ary, ny zava-dehibe kokoa, ny haavon'ny heloka an-dalambe [5] any Guangzhou satria dia fantadaza eo amin'ny sehatra nasionaly izy sy ireo mpitondra moto vitsy tombanana ho 100 000.

Anontanio izay olona na iza na iza hitanao any Shina fa ho lazain'izy ireo ny tantara izay henony tamin'ny olon-kafa izay voaendaka na ny ratsy kokoa teo akaikin'ny gara foibe ao Guangzhou, toerana andanian'ny ny ankamaroan'ny jiolahy mpitondra moto ny androny. Nalefa tany amin'ny pejin'ny blaogy Sina.com ankehitriny, nisy andiana lahatsary [6] niampita ny arabe avy any amin'ny sy manodidina ny gara. Efa nisy horonantsary heverina hoefa nojeren'ny polisy ihany koa navoakan'ny mpisera iray miantso ny tenany ho Feever [Fanaviana?] ary nampiseho asam-panendahana maro, misy ny fifanenjehana eny an-dalana, mpitondra môtô manohitra ny fisamborana azy ireo sy ny fomba fiasan'ny polisy monisipaly isamborana azy ireo:

[Fanamarihana ho an'ny mpijery ivelan'ny Shina: ity lahatsary dia mety tsy ho hita ( tsy misy lohamilina proxy) mandra-pahavita ny fanamboarana ny hosina ambany ranomasina simba noho ny fihovitry ny tany farany teo akaikin'i Taiwan.]

http://v.blog.sina.com.cn/b/vblog_player.swf?vid=470504&uid=1425310593&initfull=0&cursound=null

Fampidirana: 2 ora maraina, Guangzhou

Lalam-paribolana, ampahany eo amin'ny gara

00:20
“Nisy vehivavy mpandeha voaroban'ny “mpanendaka (mpisam) mitsoaka amin'ny môtô”.

00:46 “Nisy vehivavy mpandeha iray hafa voataritariky ny “mpanendaka (mpisam) mitsoaka amin'ny môtô” roapolo metatra tamin'ny tany”.

01:11 “Taorian'ny daroka mafy, nijanona ny fifanenjehana”

04:04 “Mpibaiko: asaivo mandeha amin'izay ry zareo”

04:05 “Mihetsika amin'izay!”

04:24 “Alina fisamborana ireo “mpanendaka (mpisam) mitsoaka amin'ny môtô”

04:35 “Mpibaiko: akatony tanteraka ny lalana! akatony tanteraka ny lalana!”

05:56 “Mpibaiko: Raofy daholo ny (mpitondra) môtô rehetra!”

05:58 “Aza avela misy avotsotra na dia iray aza!”

06:00 “Tsy maintsy karohina avokoa ny mpitondra môtô sy ny mpandeha tongotra rehetra!”

06:03 “Tsy misy fiara na iray aza avela handeha”.

07:00 “Aza mihetsika! “Sambory haingana izy!”

07:05″Aza mihazakazaka!”

08:12 “I ahiahiana (ho) Huang Mou”

Tapitra