- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoadaoro: Vondrona Ara-tsosialy Manao Dia Be Ho Fankalazana ny Andron'ny Asa

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sendikà

( Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2010)

Samy nanao diabe tany Ekoadaoro mba hankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa [1], izay fahatsiarovana ny zava-nitranga tao amin'ny Haymarket Square, [2] Chicago, tamin'ny 4 May 1886, avokoa ny mpiasa sy vondrona ara-tsosialy. Mpisolotena sy kaomity avy amina vondrona ara-tsosialy maro tao amin'ity firenena ity no nandeha teny an-dalambe manerana an'i Ekoadaoro. Nanao sonia ny lalàna tamin'ny 23 Aprily 1915 ny Filoha Leonidas Plaza [3] izay nanaiky ny fankalazana ny Andron'ny Asa ho toy ny andro tsy fiasana isaky ny 1 May.

Tany Ekoadaoro, toeram-pamoriana olona mba hanampiana ny tolona ho fametrahana ny fotoam-piasana valo ora isanandro ny Andron'ny Asa ary mba hanosika ho aminà fepetram-piasana tsaratsara kokoa. Na efa afaka nametraka ireo 40 ora fiasana aza ny hetsiky ny mpiasa, mbola tsy mahazo karama amin'ireo ora fanampiny  ny mpiasa sasany ary miady hisianà fepetram-piasana tsaratsara kokoa eny amin'ny toerana iasany izy ireo, ary karama tsaratsara ihany koa. Nohararaotin-dry zareo ny tamin'ity volana May ity mba hampahatsiahivana ny fanjakana fa mbola miady foana amin'ilay fampanantenana hanoloana tanteraka ilay lalàna taloha nosoniavina tamin'ny 1938.[es] [4] ireo mpiasa.

[5]

Mpiasa amin'ny lalamby Ekoadaoriana avy amin'ny mpampiasa Flickr FERROCARRILES DEL ECUADOR EMPRESA PÚBLICA FEEP ary nampiasàna ny Creative Commons lisansa.

Afaka naka sary tany amin'ireo diabe telo tao an-drenivohitra ny mpampiasa Twitter, Rosa María Torres (@rosamariatorres), [6] ary niteny fa telo no diabe nisy tamin'izany andro izany. Ny iray nokarakarain'ny ilay fikambanana mpiasa lehibe any Ekoadaoro ary mifanohitra amin'ny fanjakana, ny FUT  [7](Mandatehezan'ny Sendikan'ny Asa) ahitana vondrona sosialy maro, ary ny fahatelo, nokarakarain'ny fanjakana.

Hazavain'i Pablo Arciniegas avy amin'ny blaogy Voces del Sur [es] [8] ny antony niheverany fa mizarazara ny hetsika arak'asa any EkoadaoroNampifandray izany tamin'ny ”fifolapolahan'ny asa” izay nanampy tamin'ny fidabohany izy:

Hoy nuevamente fueron masas caminando sin conciencia política, sin motivación rebelde, sin sentido de clase; simplemente fue una demostración más del grado de desmovilización que sufre el movimiento obrero en nuestro país.

(…)

Este primero de mayo entonces nos deja muchos sinsabores, dudas, y preocupación por el nivel de organización de la clase trabajadora; deja la percepción de que las relaciones capitalistas de producción, contrarias a los intereses de de la clase trabajadora, están incólumes, vigentes; y que con los niveles de conciencia y de movilización de las masas de trabajadores, tienen todas las condiciones necesarias para seguir gozando de buena salud.

Ankehitriny, tsy nanao afa tsy diabem-bahoaka tsy nisy eritreritra politika ry zareo, tsy natosiky ny resaka fikomiana, tsy nisy nihevitra saranga; fihetsiketsehana iray hafa fotsiny amin'ny fanaingàna hoe mijaly hetsiky tny mpiasa ao amin'ny firenentsika iny.

(…)

Ity voalohan'ny volana May ity dia mamela antsika miaraka aminà tsiro ratsy, fisalasalàna, ary ahiahy mikasika ny haavon'ny fandaminana eo amin'ny sarangan'ny mpiasa, mametraka ny fomba fijery hoe ny fifandraisan'ny kapitalista amin'ny famokarana, mifanohitra amin'ny tombontsoan'ny sarangan'ny mpiasa, dia tsy voakitika, amin'izao fotoana izao; ary miaraka amin'ireny haavona fanentanana sy fanetsehana ny vahoaka mpiasa ireny, dia manana ny fepetra rehetra ilaina hanohizana ny fankafizana fahasalamana tsara izy rehetra ireo.

Amin'izany rehetra izany, amin'ny Andron'ny Asa dia mbola miady mafy ho an'ny fitomboan'ny zo ireo mpiasam-panjakana, mpampianatra, fikambanana ifotony, sehatra teratany, sendikà, vondrona ara-kolotsaina ary ireo misotro ronono.