- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etiopiana Mpiangaly Mozika Voampanga Ho Mpanao ‘Fampihorohoroana’ Noho Ny Tononkirany ‘Mandrisika’

Sokajy: Etiopia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Pikantsary avy amin'ny iray amin'ireo ‘hira fanoherana’ miely be an'i Seena, avy amin'ny  fantsona Youtube-n'ny vondrona.

Fito ireo mpamokatra sy mpanakanto taminà lahatsary mozika Youtube malaza iray no voampanga [1] ho mpanao fampihorohoroana tao Etiopia [1] tamin'ny volana Jona lasa teo noho ny fanaovana votoaty an-tsary sy feo ‘mandrisika’ ary noho ny ‘fampiakarana azy ireo tao amin'ny Youtube’.

Nosamborina tamin'ny volana Desambra 2016 ireo mpikambana tao amin'ilay vondrona ary notazonina am-ponja tsy nisy fiampangana hatramin'ny volana lasa teo.

Anisan'ireo miatrika fiampangana i Seenaa Solomon, tovovavy mpihira ireo izay lazain'ny mpitsikera ho talenta mozika an-dalam-pisondrotana tokony hojerena. Ireo hafa voafonja dia ahitana ilay mpanoratra tononkira fanta-daza iray, mpihira sady mpandraharaha mozika, Elias Kiflu, mpihira roa Gemechis Abera sy Oliyad Bekele, ary mpandihy telo, Ifa Gemechu, Tamiru Keneni sy Moebol Misganu.

Nanamarika ny fisamborana faharoa an'ilay mpandihy Moebol Misganu izany, izay tamin'ny 2014 dia nosamborina noho ny fifandraisany tamin'ilay hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra tany Oromia, faritra lehibe indrindra ao Etiopia. Navotsotra tamin'ny 2016 izy.

Nanomboka tamin'ny volana Desambra 2016, notazonina tao Maekelawi i Seenaa sy ireo mpiara-miasa aminy— fonja iray malaza noho ireo fampiharany fampijaliana [2], araka ny notantarain'ireo voafonja taloha tao. Fotoana fohy taty aorian'ny fisamborana azy ireo, dia nanoratra [3] i Jawar Mohamed, mpikatroka amin'ny aterineto sady talen'ny fahitalavitra ampielezana mandeha amin'ny zana-bolana:

Nohamafisin'ny fitondrana ny ady ataony amin'ireo Oromo mpanakanto. Saika any am-ponja daholo ireo mpihira rehetra, noterena handositra na hisitrika ambanin'ny tany. Voakatona avokoa ireo trano famokarana ary nogiazana ny fananan'izy ireny. Seena Solomon sy Elias Kiflu, ireo roa mpiara-mihira fantatra noho ireo hira fanoherana mampivarahontsana nataony, no tra-doza farany.

Avy amin'ny tetiky ny fanjakana Etiopiana hanitatra an'Addis Ababa, renivohitry ny firenena, ilay tontolo ara-politika mampifanolana izay nitrangan'ireo fisamborana ireo. Tamin'ny 2014, nambaran'ilay antoko manjaka EPRDF ireo drafitra maro hanalehibeazana ilay renivohitra ho any amin'ireo tany fambolena mifanila ao Oromia izay faritra lehibe indrindra ao Etiopia izay mampiantrano indrindra ny foko lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ny Oromo.

Rehefa nitarika fanoherana goavana be sy famoretana maherisetra avy amin'ny fanjakana ilay drafitra, nanomboka nisondrotra toy ny loharanonà aingam-panahy hita maso — sy heno — ho an'ny hetsika fanoherana, ireo mpanao mozika amin'ny fiteny Afan Oromo (ny fitenin'ilay faritra). Namokatra lahatsary mozika amin'ny fiteny Afan Oromo nandritra ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay nanozongozona ny firenena tamin'ny 2014 ka hatramin'ny 2016 ny tarik'i Seenaa Solomon, tamin'ny famoronana zavatra tahaka ny feonkira ho an'ilay hetsika.

Tao amin'ny fandrakofany ny fisamborana ireo mpikambana ao amin'ilay tarika, nitatitra [1] ny orinasam-panjakana Fana Broadcasting Corporation fa namokatra lahatsary mozika, tononkalo sy tafatafa niarahany tamin'ny mpitsikera ny fanjakana i Senaa sy ireo mpiaraka aminy, niarahany niasa tamina fikambanana politika any ampielezana mitoetra ao Aostralia.

Araka ny taratasy fiampangana azy ireo, ”nandrisika” sy ”nidera” ireo mpianatra nanohitra ary ireo olona hafa nanao hetsi-panoherana teo anelanelan'ny taona 2014 sy 2016 ireo votoaty sary sy feo nataony.

Tsy ry zareo no voalohany miatrika famoretana toy izany. Tamin'ny volana Janoary 2016, dia naiditra am-ponja i Hawi Tezera, [4] Oromo iray hafa mpihira izay nankahery sy nitaona ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ireo hirany. Tamin'ny volana Febroary 2017, voasambotra i Teferi Mekonen [5], Oromo iray mpihira izay nanizingizina ny maha-izy ara-kolotsaina ny oromo sy nankahatra ny maha-mamim-bahoaka ny antoko mitondra ao Etiopia tamin'ny hirany. Taty aoriana, navotsotra i Hawi, fa tsy mbola fantatra foana kosa izay hiafaràn'i Teferi.

Araka ny fitomboana ny fahitàna an'ireo mpihira politika, nohamafisin'ireo manampahefana Etiopiana ny famoretana ataony amin'ireo mpanao mozika izay hitany ho mifandray tsara amin'ny antoko mpanohitra. Saingy tsy voatery nahakely jery na kely laza ireo mpanakanto izany. Mbola mitohy miroborobo ihany ao amin'ny Youtube ny mozika fanoherana. Na eo aza ny zavamisy hoe any am-ponja ireo mpanakantony, mbola mitazona isa mahatalanjona foana izay mihoatra ny jery 3.525.996 ny fantsona Youtube- [6]n'i Seenaa Solomon.