Jolay, 2017

Tantara tamin'ny Jolay, 2017

Isiraely: Miresaka Amin'ny Mpamily Fiarakaretsaka

  27 Jolay 2017

Palestiniana any Israely monina ao Acre i Rasha Helwa (milaza ny tenany ho mponina ao Palestina izy), izay nanoratra andian-tsoratra fohy tao amin'ny bilaoginy Zaghroda mitantara ny zavatra tsapany nandritra ny fandehanany fiarakaretsaka itambarana sy nilaza ny maha zava-dehibe ny fiteny - Arabo na Hebreo - izay nosafidian'ny mpamily hifandraisana.

Ny Bilaogera Shiliana Mamolavola Saron-tava

  27 Jolay 2017

Noho ny aterineto, maro ny olona no mifankafantatra amin'ny alalan'ny zavatra nosoratany kanefa tsy mbola nihaona nifanatri-tava mihitsy. Izany no fifandraisana izay nataon'i Beatriz sy ny antony nanasany vondrona bilaogera miisa valo ankehitriny ao anatin'ny atrikasa (maimaim-poana) isaky ny alarobia izay toerana hanomezany azy ireo ny fitaovana hanamboarana sarontava.

Rosia: Moskoa, Dimampolo Taona Lasa Izay

Nahita raki-tsary tsy fahita firy tao anatin'ny fakon'i Moskoa - Im Flug nach Moskau, avy amin'i Erich Einhorn, ARTIA, 1959 ilay mpisera LJ, fool_4_lifetime- ary ni-scan azy ireo sy nandefa ireo sarin'i Moskoa miisa 60 tao amin'ny fiarahamonina LJ moya_moskva (Moskoako).

Mooziko, YouTube Afrikana

  27 Jolay 2017

Nandanjalanja ny lafitsara sy ny lafiratsin'ny Mooziko, ny YouTube Afrikana, tamin'ity herinandro ity ny Bilaogin'ny PKJ Agency, bilaogy iray izay "manao topimaso manerantany momba ny Aterineto Afrikana", ary niteraka adihevitra vitsivitsy tao anatin'ny dingana nataony.