- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary Fanadihadiana Maro Mampiseho Ny Fampijaliana Ireo Mpitrandraka Vatomena Ao Mozambika

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Fanoherana, Mediam-bahoaka

Famataran-dàlana mankany amin'ny toeram-pitrandrahana vatomena ao Montepuez. Sarin'i Tomás Queface. Nahazoana alàlana.

Mampiseho ny fampijaliana izay voalaza fa hita ao amin'ny toeram-pitrandrahana vatomena ao Namanhumbir, tanàndehibe iray any avaratr'i Mozambika ao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado [1] ny lahatsary iray navoakan'ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana Lázaro Mabunda [2] tao amin'ny media sosialy.

Amin'ny ankapobeny, hanaovana lavanty lehibe ny vatomena ao Namanhumbir [3] ary ahazoana an-tapitrisany dolara maromaro. Tamin'ny taona 2016, nanambara  ny orinasa Gemfields, izay manana foibeny any Londres, fa efa nahazoana  44,3 tapitrisa dolara Amerikana (USD) ny am-pahaenin'ny lavantin'ny vatomena izay nalaina avy amin'ny distrikan'ny Montepuez any amin'ny faritanin'i Cabo Delgado.

In April this year, the newspaper Notícias [4] reported that nearly four thousand miners — both nationals and foreigners– were expelled from ruby and mines in Namanhumbir, as part of operations by the Defence and Security Forces (FDS) aimed at tackling illegal mining in that part of Cabo Delgado province.

Tamin'ny volana Aprily tamin'ity taona ity, nitatitra ny gazety Notícias [4] fa noroahana tao amin'ny toeram-pitrandrahana vatomena sy vato ‘grenat’ tao Namanhumbir ny mpitrandraka teratany sy vahiny  efa ho efatra arivo, izay tafiditra ao anatin'ny hetsika nataon'ny Mpitandro ny Filaminana sy Fiarovana (FDS) manenjika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin'ity faritanin'i Cabo Delgado ity .

Nilaza ny tatitra avy amin'ny Rádio Moçambique [5] fa toy ny tany miady no hita ao amin'ny toeram-pitrandrahana vatomena, izany dia noho ny fifandirana teo amin'ny orinasa mpihazona ny toerana Montepuez Ruby Mining Ltd sy ny mpitrandraka tsy ara-dalàna izay vondrona ahitana teratany vahiny mikasa ny hanohy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny vatosoa amin'ny fatiantoky ny fanjakan'i Mozambika. Avy any Tanzania, Senegal, sy Somalia ny ankamaroan'ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna , miaraka amin'ny Mozambikana avy any amin'ny faritanin'i Nampula sy Niassa .

Ao amin'ny sary izay nozaraina tao amin'ny media sosialy sy nahazoana fanamarihana avy amin'ny Facebook ho saropady, dia hita miharihary fa tena henjana ny fampijaliana sy ny herisetra ampiharina amin'ireo mpitrandraka ireo ao amin'ny toeram-pitrandrahana vatomena ao Namanhumbir .

Consta que isto está a acontecer em Namanhumbir, na mina de Rubis. Dramático. Tratamento desumano aos garimpeiros. A ser verdade isto algo deve ser feito. Os autores devem ser responsabilizados.

Voalaza fa mitranga any Namanhumbir, ao amin'ny toeram-pitrandrahana vatomena izany. Mampalahelo. Fihetsika feno habibiana atao amin'ireo mpitrandraka. Tokony hisy ny fandraisana andraikitra raha marina izany . Tokony ho tazomina ho tompon'andraikitra ireo nahavanon-doza.

The investigative journalist’s videos were shared thousands of times and had hundreds of comments. Eudito Nhantumbo [6] questioned the quality of the training of the police who inflicted torture on miners:

Nozaraina in'arivony ny lahatsary fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety ary mahazonana fanehoan-kevitra an-jatony. Nanontany ny fampiofanana nomena ny polisy izay mampihatra ny fampijaliana amin'ny mpitrandraka i Eudito Nhantumbo : [6]

Lamentável! Questiono a seleção dos candidatos à formação da polícia e até aos próprios formadores se aprendem o que são direitos humanos? Quais os critérios para a seleção dos candidatos à formação da polícia?

Zava-doza! Manontany momba ny fifantenana ny kandidà hiofana ho polisy aho ary ho an'ny mpampiofana ihany koa aza raha toa ka mianatra momba ny atao hoe ny zon'olombelona izy ireo? Inona avy ireo fepetra fifantenana kandidà hiofana ho polisy?

Nitaraina  i Leandro Jaime [7] fa tantanan'ny olona mifandray amin'ny manampahefana ara-politika ao Mozambika ny toeram-pitrandrahana izay resahana eto  :

Esta mina tem como accionistas, gente grauda deste país, e Samora Machel Jr., é director, será que a justiça vai funcionar? Vou esperar sentado praia não ter caimbras.

Ahitana mpandraharaha manan-danja lehibe eto amin'ity firenena ity ao amin'ny toeram-pitrandrahana, ary i Samora Machel Jr. no tale, hiasa ve ny fitsarana? Hiandry eny amoron-dranomasina aho mba tsy ho voan'ny fivonkonan-kozatra.

Mihevitra i Abelina Américo [8] fa mitovy tamin'ny vanim-potoanan'ny fanandevozana ny fampijaliana :

Triste eu nasci e cresci acreditando que escravidão era algo dos séculos passados, mas não isso ainda está a predominar da pior maneira irmão aceitando o outro.

Mampalahelo, nihevitra aho rehefa teraka sy nihalehibe fa efa tamin'ny taonjato maro lasa ny fanandevozana, saingy indrisy fa mbola manjaka izany amin'ny fomba ratsy indrindra hanekena ny rahalahy iray hafa.

Mandritra izany fotoana izany,  nitaky ny hitazomana ny tompon'andraikitra nahavanon-doza i Ambrósio Olga [9]:

Esses homens fardados, devem ser severamente responsabilizados pelos actos desumanos que estão cometendo contra cidadãos na sua própria terra e seus próprios recursos. Deve ser urgente a intervenção do Ministério Publico.

Tokony hotazomina ho tompon'andraikitra ireo lehilahy manao fanamiana ireo noho ny hetsika habibiana izay nataony tamin'ireo olom-pirenena tao amin'ny taniny sy tamin'ny harenan'izy ireo. Tokony hihetsika haingana ny Mpampanoa Lalàna.

Tao anatin'ny antsafa niarahana tamin'ny vohikalam-baovao  DW Português [10], nilaza ny filohan'ny Vaomiera Nasionalin'ny Zon'olombelona, Custódio Duma, fa voaloto indray ny endrik'i Mozambika  amin'ity andian-tantara ity ..

São imagens chocantes. Independentemente das irregularidades que os garimpeiros poderão ter cometido, aquele tipo de atitudes são hoje condenáveis. Não se percebe [estas atitudes], em pleno século XXI. A polícia devia ter agido de outra forma: independentemente da situação que aconteceu no local aquele não é o tratamento que se deve dar àqueles cidadãos.

 Mahatsiravina ny sary. Na inona na inona tsy fanarahan-dalàna nataon'ny mpitrandraka, efa heloka izao fihetsika izao amin'izao fotoana izao. Tsy afa-mijery [izany fihetsika sy toe-tsaina izany] isika ao anatin'ny taonjato faha-21. Tokony nampihatra fomba hafa ny polisy : na inona na inona toe-javatra nitranga tao an-toerana dia tsy izany ny fomba tokony nampiharina tamin'ireo olom-pirenena.

Nitaraina momba ny zava-nitranga ihany koa i Alice Mabota, filohan'ny Ligin'ny Zon'olombelona ao Mozambika, ary nilaza hoe:

Uma das melhores formas que se podia fazer [para fazer face a este tipo de casos] é questionar o ministro da Justiça e Assuntos Constitucionais, tendo em consideração que a revisão periódica da legislação recomenda algumas medidas para diminuir o uso excessivo da força.

Ny iray amin'ireo fomba tsara indrindra tokony ataontsika [mba hiatrehana ny karazana tranga toy izany] dia ny manontany ny minisitry ny Fitsarana sy ny Raharahan-Dalampanorenana, ao anatin'ny fiheverana hatrany fa mitaky ny fepetra fampihenana ny fampiasan-kery diso tafahoatra ny fanitsiana isam-potoana ny lalàna .

Ho setrin'izany, nanokatra fanadihadiana noho ny zava-nitranga ny polisy:

Voamarina. Any amin'ny faritany avaratr'i Mozambika Cabo Delgado no misy an'i Namanhumbir .