Ilay vehivavy avoitra sary mandihy sy mihira imolotra an'izay hira klasika nivoaka tamin'ny taompolo 70 dia tsy tena kelin (Fiteny Tiorkika: vinantovavy, ampakarina), fa i Saykal Jumalieva, Instagrammer iray avy ao Kyrgyzstan mampiasa ny media sosialy ho fanoherana ny fanambadiana aloha loatra. Ilay “kelin mandihy” araka ny iantsoana an'i Jumalieva, dia mpianatra haifanaovan-tsarimihetsika ao Kyrgyzstan tanindrazany. Araka ny antsafa natao tamin'ny fampitam-baovao sy ny tsanganana Instagram, dia vao 21 taona monja i Jumalieva nefa jeren'ny fiarahamonina ho efa antitra sahady tokony hanambady haingana araka izay azo atao. Tao amin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny BBC English izy nitaraina momba ny fiainan-tsarotra mahazo ny tanora kelins any ambanivohitra:
“Life in the village is round-the-clock work. Brides finish one chore and start another. They work 24/7.”
Tsy mitsahatra asa ny fiainana any ambanivohitra. Mahavita raharaha iray ny ‘ampakarina’ dia manomboka raharaha iray hafa indray. Miasa 24/7 ry zareo
Olana iraisana any amin'ireo repoblika ao Azia Afovoany izay anerena ny zazavavy tsy ampy taona, indrindra fa any ambanivohitra ny fanambadiana aloha, na dia efa natao ho tsy ara-dalàna aza. Ny zazavavy Kyrgyz sy Kazakh aza mbola miaritra fakana zazavavy ampakarina an-keriny [mg] ankoatra izany. Manodidina ny 12% amin'ireo ampakarina ao Kyrgyzstan no manambady alohan'ny faha-18 taonany, ary zazavavy Kyrgyz 12.000 isan-taona no misy maka an-keriny terena hanambady.
Ny ankamaroan'ny zazavavy vao nanambady ao amin'iny faritra iny dia miaina miaraka amin'ny fianakavian'ny vadiny ary ny ankamaroan'ny raharaha an-trano, ny fanadiovana sy ny fahandroana sakafo ho an'ny fianakaviana iray manontolo ary ny fikarakarana ny fandriana dia iantsorohan'ny vady vao avokoa. Antenain'ny fiarahamonina hanompo ny fianakaviam-badiny ny vinantovavy. Amin'ny fanaovana izany ry zareo tsy afaka mivezivezy, tsy afaka mianatra, ary amin'ny ankamaroany tsy afaka miasa ivelan'ny trano. Marefo eo amin'ny fihoaram-pahefana ara-batana ny Kelins ary matetika ny rafozam-bavy no mampihatra herisetra ara-tsaina amin'izy ireny.
Na dia eo aza ny fandaharan'asam-pirenena tohanan'ny fanjakana ara-bola sy ny fandraisana an-tanana ataon'ny firaisamonim-pirenena tohanan'ny iraisampirenena, dia tsy mbola nahomby loatra hisian'ny fiantraikany maharitra eo amin'ny fiainam-behivavy ireny rehetra ireny. Ny fomba vaovao tahaka ny nataon'ity qizi (zazavavy) Kyrgyz hita mandihy ao amin'ny Instagram aza no mora mahomby kokoa eo amin'ny fanairana amin'ny zava-tsarotra iainan'ny kelins any ambanivohitr'i Kyrgyzstan.