- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filipina: Mbola Saro-Pantarina Kokoa Aza ny Vaovao Faikany Ao Amin'ny Facebook Voatra Maimaim-Poana

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
[1]

Tsy mampiseho sary, lahatsary ary rohin-tranonkala ivelany ny endrika maimaim-poana. Tsy maintsy mandoa ny sara araka ny tokony ho izy raha hampiasa ny maody data. Pikantsarin'ny mpanoratra

Sehatra manandanja fizarana vaovao sy torohay an-tserasera ny Facebook. Saingy na ny mpisera aterineto henjana indrindra aza dia sahirana manavaka ny tena izy sy ny faikany ao amin'io sehatra io.

Nasehon'ny fikarohana vaovao [2] nataon'ny Global Voices fa hasarotin'ny voatra finday “maimaim-poana” an'ny Facebook, izay azo idirana tsy andoavam-bola aty amin'ny firenena andalam-pandrosoana maro, ny fitokisana amin'ny vaovao lahatsoratra miohatra amin'ny endrika mahazatra ny Facebook.

Ao anatin'ny ezaky ny Facebook hampiditra vahoaka any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana ho ato amin'ny aterineto, dia nanangana voatra maivamaivana amin'ny tranonkalany ny orinasa, izay atolotra miaraka amin'ny tranonkala vitsivitsy sy tolotra manolotra zavatra tahaka ny vaovao, toetrandro ary vaovao farany amin'ny fanatanjahantena. Io Fampiasa anaty fampiasa ity dia fantatra amin'ny anarana hoe Free Basics.

Ao amin'ny endrika maivamaivan'ny Facebook atolotra amin'ny alalan'ny Free Basics, fantatra any amin'ny firenena sasantsasany ho “Facebook Free”, dia afa-mifandray amin'ny fianakaviana sy ny namana ny mpisera, karajia mampiasa ny fampiasa Messenger ary mamoaka na mizara votoaty ao amin'ny Facebook tsy voatery mandoa saran'ny data. Fa raha eo amin'ny vaovao koa, dia ny lohatenin'ny lahatsoratra ihany no azon-dry zareo vakiana sy ny toerana misy ny saripika sy ny lahatsary. Raha tsy manana ny data sahaza (sy lafo kokoa), dia tsy ho avelan'ny fampiasa hamaky ny lahatsoratry ny vaovao ry zareo.

Ao anatin'izao tontolo mikiakiaka noho ny fahabetsahan'ny fandisoam-baovao sy ny “vaovao faikany” an-tserasera izao, dia taraiky, tsy afa-miditra amin'ny torohay ilaina ireo mpisera tsy ampy tetibola — ary tsy afa-mamaritra na azo itokisana ny votoaty na tsia. Tsy afa-mijery sary, lahatsary, na lahatsoratra avy amin'ny vaovaon'ny tranonkala tsy tafiditra ao anatin'ny fonosana Free Basics, izay mihavitsy dia vitsy, ny mpisera. Raha te-hijery io votoaty io ny mpisrea iray dia tsy maintsy mandoa ny saran'ny data.

Manana mpisera Facebook mihoatra ny 47 tapitrisa [3] i Filipina tamin'ny taona 2016, ary maro amin'ireo no mampiasa ny Free Basics, izay natolotra noho ny fiaraha-miasa amin'ny Globe Telecommunications na Smart Communications.

Eto ambany isika mahita ny fahasamihafana misy eo amin'ny randram-baovao Facebook Free (ankavia) sy ny endrika fahita amin'ny Facebook mahazatra:

[4]

“Walang mga litrato sa free mode, Gumamit ng Data para Buksan ang link” izay midika hoe “Tsy misy sary amin'ny endrika maimaim-poana (free mode), ampiasao ny Data hanokafana rohy”.

Raha hivadika avy amin'ny “free mode” [endrika maimaim-poana] (ankavia) mankany amin'ny “regular mode” [endrika mahazatra] (ankavanana), dia ampahafantarina ny mpisera fa tsy maintsy mandoa ny saran'ny data izy:

[5]

Lahatsoratra voalohany: Mampiasa Data avy amin'ny (Fahanao). Eo am-pandaozana ny Facebook ianao. Mividiana data avy amin'ny Globe ahafahanao mikarajia amin'ny namana, mamaky lahatsoratra sy ny hafa. Pikantsarin'ny mpanoratra

Safidy mora izany ho an'izay afa-mandoa ny sara, fa tsy ho an'izay tsy afaka. Mampalahelo izany ho an'ireo mampiasa ny Free Basics satria tsy mahazaka ny saran'ny fiseraserana amin'ny aterineto ankapobeny ry zareo.

Raha vao mampiditra ny Free Basics amin'ny voalohany, dia ampahafantarina ny mpisera amin'ny alalan'ny fifanarahana sy ny fepetra fampiasana ny fampiasa fa mihatra ny fandoavan-tsara raha vao misokatra ao amin'ny Facebook ny saripika, lahatsary ary rohy ivelany. Afa-mankatoa fotsiny mampiasa ny data mbola misy handoavana ny sara mihoatra ny mpisera finday postpaid [mandoa ny sara aorian'ny fampiasana azy], fa mpisera finday prepaid [mandoa ny sara alohan'ny fampiasana azy] kosa mila mandoa vola mividy azy any amin'ny fivarotana na tsena manolotra ny fahana avy amin'ny Globe na Smart. Mandoa ny sara alohan'ny fampiasana azy ny ankamaroan'ny mpamandrika ao Filipina.

Izao ny fifanarahana misongadina hita amin'ny teny ierana sy ny fepetra napetraky ny Globe, iray amin'ireo orinasam-pifandraisandavitra roa lehibe ao Filipina:

You can now access a version of Facebook on your mobile phone without using your data allowance with Globe. However, if you leave this version of Facebook, or view content outside of Facebook, such as links to articles or external videos, then you might start using your data plan to see that content.

Afa-miditra amin'ny endrika Facebook amin'ny findainao tsy mampiasa ny data fanomen'ny Globe ianao. Saingy raha vao mivoaka amin'ity endriky ny Facebook ity ianao, na mijery votoaty ivelan'ny Facebook, toy ny rohy amin'ny lahatsoratra na lahatsary ivelan'ny sehatra, dia mety efa manomboka mampiasa ny fahanao ianao ijerena io votoaty io.

Rehefa tafahoana ny ‘vaovao faikany’ sy ny Facebook ‘maimaim-poana’

Raha ny Facebook Free ihany no loharanom-baovaon'ny mpisera, dia betsaka kokoa ny herijika hahitany lahatsoratra ahitana vaovao sy loharanom-baovao mampiahiahy, nefa tsy ampy ny fitaovana hanamarinana azy ireny. Hevero ny ohatra eto ambany:

[6]

Pikantsary avy amin'ny mpanoratra

[7]

Pikantsary avy amin'ny mpanoratra

Misy ny fanahiana fa mety mampiely vaovao faikany tsy mahatsikaritra izany eo noho eo ny mpisera Facebook Free. Indro ny lohateny heverina ho azo itokisana avy amin'ny tranonkala iray mitovitovy anarana amin'ny Al Jazeera:

[8]

Pikantsary avy amin'ny mpanoratra

Mazava loatra fa tsy avy amin'i Al Jazeera ny lahatsoratra, fa avy amin'ny mpaka tahaka. Na izany aza, rehefa tsy mahita ny sary miaraka aminy, dia saro-pantarina ireo tranonkalam-pananihaniana.

[9]

Pikantsary avy amin'ny mpanoratra

Anisan'ny nizara ireo lahatsoratra ireo ny naman'(ny mpanoratra) nianatra tany amin'ny oniversite ary efa niresaka am-pitsikerana ny vaovao faikany. Hita tsara fa manasarotra amin'ny famaritana ny lohateny mitady kitika amin'ny Facebook Free ho lahatsoratra milaza zavamisy marina na zavatra tsy azo itokisana loatra.

Eny fa na dia ny lohatenim-baovao avy amin'ny tranonkala ara-dalàna aza dia mety mandiso hevitra ireo mpiseran'ny Facebook Free. Eto ambany isika mahita ny lohatenim-baovao nivoaka tamin'ny 31 marsa  2017 miresaka an'i Donald Trump mamaritra an'i Filipina ho “firenena mpampihorohoro”.

Ny mpisera efa zatra ohatra mety hahita fa nanao ity fanehoan-kevitra ato ity [10] tamin'ny aogositra 2016 izy, talohan'ny nifidianana filoha, dia tsy manana fampahafantarana tahaka izany ny mpiseran'ny Facebook Free iray ary mety mora mino fa vao haingana izany no nitranga.

[11]

Pikantsary avy amin'ny mpanoratra

Manome lalana hanamorana ny fifandraisana sy ny fahazoam-baovao ny Facebook Free. Saingy ny famerana ataony amin'ny tranonkala amin'ny ankapobeny, sy ny fanesorana ireo singa lehibe toy ny sary, dia mety hampiraviravy tanana ny mpisera amin'ny fanomezana azy ireo fampahafantarana tsy ampy — ary indraindray aza tena tsy mifanaraka amin'ny zavamisy mihitsy –.

Read More