- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Nanatevin-daharana Ny Antoko Mpanohitra i Jeff Tato Amin'ny GVO

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Marihina fa nivoaka tamin'ny jolay 2007 ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)

Manamarika ny iray amin'ireo fotoana manan-danja indrindra eo amin'ny vondrom-piarahamonina bilaogin'i Malezia ny Screenshot na Pikantsarin’Jeff Ooi [1], izay tondroina ho iray amin'ireo mpamahana blaogy malaza indrindra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maleziana izay nanatevin-daharana ny antoko mpanohitra – ny Antokon'ny Asa Demaokratika [2] (DAP) androany.

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nanambaràny ny fanapahan-keviny, ny antony mahatonga an'i Jeff hanatevin-daharana ny DAP dia noho ny lahateny fanehoana fitiavan-tanindrazana nataon'ny Maleziana iray. Nilaza ny fanambarana fa anisan'ny ao anatin'ny Maleziana ny fitiavan-tanindrazana fa tsy ampihimamban'ireo izay mitàna birao na toerana ambony. Anisan'ny zava-nisongadina vitsivitsy [3]nolazainy ireto:

Nanambara i Rocky's Bru, Ahirudin Attan izay voampanga [4] vao haingana niaraka tamin'i Jeff noho ny fanalam-baraka ny gazety nentim-paharazana New Straits Times (NST), fa hiara-dia amin'i Jeff [5] izy ary na ny mpisolovavan'izy ireo Haris Ibrahim aza dia vonona hiara-dia amin'i Jeff [6] ihany koa.

Nilaza ny lehiben'ny mpanohitra, bilaogera Lim Kit Siang fa tsy tanjona ihany ny fibilaogina, indrindra ny sosialy sy politika, fa fitaovana hanatrarana tanjona ary hoavy ny fotoana tsy maintsy hanapahan'ireo bilaogera hevitra raha “handoto ny tanany izy ireo [7]” ary hiala amin'ny fiarovana foto-kevitra politikan'izy ireo eo amin'ny tontolon'ny aterineto ka hiditra eo amin'ny sehatra politika ho afaka mamadika mivantana ny foto-kevitr'izy ireo ho lasa asa.

Politics 101 Malaysia kosa manantena fa hanatevin-daharana ny DAP i Rocky amin'ny manaraka mba hanampy hamaha ny olana momba ny fiheverena ny Malays [8], izay ahatsapan'i Silo fa tsy manao na inona na inona ny DAP mba hanakanana ny tsy Shinoa hiditra [9] raha nandrisika an'i Jeff kosa i YienJee mba hanitatra ny ambaindainy ary hanao asa maro eny ifotony [10] hanapariahana ny foto-keviny.

Mandritra izany, faly tamin'ny vaovao [11] i Shawn Tan satria ny tena faniriany dia ny hahita mpanohitra mahavita azy sy tompon'andraikitra kokoa.

Give the Gahmen a solid competition and make them sweat. This will just result in better government for the people. The current opposition just doesn't show that it's a viable alternative to our ruling Gahmen. Kick all the version 1.0 politicians out of parliament and replace them with the version 2.0 ones.

Manome fifaninanana henjana ho an'ny Gahmen ary mahatsemboka azy ireo. Hiteraka governemanta tsara kokoa ho an'ny vahoaka izany. Tsy mampiseho fotsiny ny mpanohitra ankehitriny fa safidy azo atao tsara manoloana ny [antoko] Gahmen mitondra izany. Mandaka ireo mpanao politika endrika 1.0 ao amin'ny parlemanta ary manolo azy ireo amin'ny endrika 2.0.

Tena izany mihitsy.

Raha fanombohana tsara ho an'i Jeff izany, dia fanombohana tsara ho an'ny taranaka vaovaon'ny Maleziana ihany koa. Araka ny nolazain'i Jeff talohan'ny namaranany ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety: HIDUP MALAYSIA! [12] (HO ELA VELONA I MALEZIA!)