- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Blogestan Iraniana Miresaka Ny Fahafatesan'i Saddam Hussein

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Desambra 2006 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Bilaogera Iraniana maromaro no niresaka momba ny fahafatesan'i Saddam Hussein ary nampatsiahy ny ady Iran-Iraka [1]

Nilaza i Alpar fa azo sokajiana ho taona iray ratsy indrindra ho an'ireo mpanao didy jadona ity taona ity, nilaza koa izy fa mety ahitana izao lohateny izao ny gazety amin'ny Alatsinainy: “Mihena efatra ny Mpanao didy jadona tamin'ny taona 2007″. Nanoratra i Alpar fa hankalaza ity zava-nitranga ity ny Iraniana, na dia hanadino izany atsy ho atsy aza ny governemanta Iraniana, ary nampahatsiahy ny mpamaky momba ireo niharam-boina tamin'ny ady Iran-Iraka, ny adin'ny mpitsoa-ponenana sy ny sisa [2]. Namoaka ity fanontaniana manaraka ity ihany koa izy: Ho lesona ho an'ireo mpanao didy jadona eto amintsika ve ny fahafatesan'i  Saddam? Inona no hevitry ny olona ao Iraka mikasika ny zava-nitranga androany? Mihevitra ve i Saddam tenany fa ho faty amin'izany fepetra mahamenatra izany izy indray andro any?

Haji Washington nanome lohateny ny lahatsorany hoe: “Fahafatesan'ny Olon-doza”. Nahita ilay bilaogera fa tao amin'ny fantsona fahitalavitra Amerikana, nahita an'i Saddam miaraka amin'ireo mpitarika Arabo izahay, fa tsy tamin'i Donald Rumsfeld, Sekreteran'ny Fiarovana Amerikana teo aloha velively, raha nitsidika an'i Iraka nandritra ny ady Iran-Iraka izy  [3][Fa].

Nilaza i Shabnameh fa efa ela i Saddam no te ho lasa maherifo ary tao anatin'ny eritreriny, namoy ny ainy ho maherifo izy, na dia nanatevin-daharana ny pejy maintin'ny tantara aza raha ny marina, nilaza koa i Shabnameh fa tsy vahaolana ny famonoana mpanao didy jadona: maty ireo mpanao didy jadona, saingy mitohy ny didy jadona. Shabnameh naneho ny fanantenany fa angamba, faly androany ireo izay anisan'ny nampijalian'i Saddam [4][Fa].

Mattati nilaza kosa fa “namoy ny ainy ny olona nanome endrika an'i Satana, olona izay namono ny namanay sy ny fianakavianay marobe”. Hanatsoaka lesona ve ireo mpanao didy jadona? [5] [Fa], hoy i Mattati.

Rozmaregiha indray nilaza fa lasa ary namoy ny ainy i Saddam, ary noho izany, tokony hanantena isika fa handevina izay tafajanona amin'ny fomba fiheviny, taorian'ny 30 taonan'ny didy jadona. “Anjaran'ny vahoaka Irakiana ankehitriny ny manoratra pejy fotsy amin'ny tantaran'izy ireo,” [6] hoy i Rozmaregiha.