- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zava-doza Tao Chittagong : Tondra-drano Nitondra Faharavàna Tao An-tanàndehibe

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Saripika, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina
[1]

Pikantsary nalaina tao amin'ny YouTube.

Namely ny tanàndehibe amoron-tsiraka misy ny seranan-tsambo lehibe sady foibe ara-toekarena  any atsimo atsinanan'i Bangladesh Chittagong [2] ny orambe mivatravatra tamin'ny faran'ny herinandro teo ary niteraka ny korontana teo amin'ny fiainan'ny olom-pireneny tamin'ny andavanandro. Efa ho ny antsasaky ny tanàndehibe no tao anaty rano [3] tamin'ny herinandro lasa, taorian'ny ranonorana tsy nisy fitsaharany sy ny onjan-driaka izay nahatondraka ny tanàndehibe: hatreny ambany lohalika ka hatreny am-balahana ny rano teny an'arabe, tondraky ny rano ireo trano sy birao , tapaka ny herinaratra. Tena goavana [4] ho an'ny mponina tao an-toerana ny zava-nitranga ary toa tsy nisy fitsaharana [5] mihitsy.  Nampiasa media sosialy ny olona sasany mba hizarana ny sarin'ny “helo” izay niainan'izy ireo.

Nahatratra 200.6 mm ny rotsakorana tao anatin'ny 24 ora tamin'ny Alahady 24 Jolay 2017 hatramin'ny 3 ora tolakandro araka ny Biraon'ny Famantarana ny Toetr'andro Chittagong Patenga [6]. Ankoatra izany, nisokatra [7]ny tohodrano [8]tao amin'ny farihy Kaptai rehefa be loatra ny orana ka nameno ny farihy ary nankao amin'ny renirano Karnafuli izay manavatsava an'i Chittagong, ka nahatonga ny fiakaran'ny rano. Nitohy ihany koa ny rotsakorana sy onjan-driaka tamin'ny Alatsinainy ary voalaza fa hitohy  hatramin'ny Talata izany.

Tondra-drano 2017 tao Chittagong

Olona dimy no namoy ny ainy anisan'izany ny ankizy telo noho ny fihotsahan'ny tany vokatry ny orambe tao Chittagong.

Mbola ao anaty rano [14] hatrany amin'ny 1 metatra sy sasany  nanomboka tamin'ny Alahady ny tanàndehiben'ny seranan-tsambo miisa roa izay foibe ara-toekarena, Khatunganj sy Chaktai, ary ahitana raharaham-barotra eo ho eo amin'ny 3.000 eo sy trano fanatobiana entana mihoatra ny 5000.  Mijaly noho ny fatiantoka lehibe ireo raharaham-barotra satria dia simba avokoa ny ankamaroan'ny ambin'entana . Nangataka ny olona mipetraka eny amin'ny tehezan-tendrombohitra mba hifindra eny amin'ny toerana azo antoka kokoa ny Fanadihadiana Ara-Jeolojika ao Bangladesh, Chittagong noho ny tahotra mety ho fihotsahan'ny tany.

Olana mateti-pitranga [15] ho an'ny tanàndehiben'ny seranan-tsambo tao anatin'ny taona vitsivitsy ny tondra-drano, izay mitranga isaky ny betsaka ny orana. Nilaza ny manam-pahaizana fa noho ny fahasimban'ny rafitra fandehanan'ny rano ao an-tanàndehibe vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fisian'ny fandrindrana eo amin'ny manampahefana tompon'andraikitra no mahatonga izany. Ankoatra izany, maro ny lakandrano manerana ny tanàndehibe no tsentsin'ny fako sy ny antsanga, ary mametra ny fikorianan'ny rano mandritra ny vanim-potoan'ny orana ny fanorenan-trano tsy ara-dalàna.

Nizara ny sarin'ny tondra-drano vao haingana tao amin'ny media sosialy ny olona :

Chittagong – Venizin'i Antsinanana 🙂

Orambe tao Chittagong

Chittagong tao anaty rano. Ny toerana tranainy ao Chandgaon amin'izao fotoana izao!

Nahoana i Chittagong no ao anaty rano hatrany rehefa avy be ny orana?

Nalefa tao amin'ny YouTube ity lahatsary [25]avy amin'i Mohammad Salah Uddin sy Rezuanul Islam Shaikat ity mampiseho ny fihenan'ny rano :

Nividy [26]lakana ho an'ny manampahefana ao aminy ny biraon'ny famorian-ketra ao Chittagong  (Faritra faha 4) mba ahafahan'izy ireo mivezivezy eny an-dalambe mandritra ny orana, satria matetika dia mety hatreny am-balahana ny rano any amin'ny toerana maro.

Nandefa lahatsary iray hafa tao amin'ny YouTube i Fardin Hossain [27] :

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Dr. Anjan Kumar Das [28] , matihanina momba ny fitsaboana :

চট্টগ্রাম আগ্রাবাদে জলাবদ্ধতার অবস্হা আজকে ভয়াবহ আকার ধারণ করেছে। মনে হয় দেখার কেউ নেই। সৃষ্টিকর্তা সকলকে রক্ষা করুন।২৪.০৭.২০১৭।

Niharatsy androany ny tondra-drano tao Agrabad, Chittagong. Toa tsy misy miraharaha. Ho vonjen'Andriamanitra ny olona rehetra. 24.07.2017

Nanoratra tao amin'ny sehatra famahanana bilaogy Amarblog i Mahbub Arif Kintu [29]:

অতিবৃষ্টির কারণে কাপ্তাই জলবিদ্যুৎ প্রকল্প যেন হুমকির মুখে না পরে তাই প্রতি সেকেন্ডে ৬২ হাজার কিউসেক পানি কর্ণফুলী নদীতে ছাড়া হয়েছে সেই সাথে সৃষ্টি হচ্ছে কর্ণফুলীতে উর্দ্ধমুখী সাগরের জোয়ারের পানির চাপ, পাহাড়ি ঢল ও জোয়ারের পানিতে টইটম্বুর চট্টগ্রাম শহর। [..] টানা বর্ষণে প্রতি বছর চট্টগ্রামের পাহাড় ধ্বস এখন বর্ষাকালে একটি নিত্য দিনের ঘটনা হয়ে দাঁড়িয়েছে, বিকল্প নিজস্ব জায়গা না থাকায় ঝুঁকিপূর্ণ ওই পাহাড় নীচেই হারিয়ে যাচ্ছে শতশত প্রাণ । প্রশ্ন করি চট্টগ্রাম কি এতটাই অবহেলিত, সামান্যতম করুণা দেখাবার কি কেউ নাই ?

চট্টগ্রাম আজ বহু বছর উন্নয়নের প্রতিশ্রুতির উপর নির্ভর করে আছে, চট্টলা বাসী আজও সেই দুর্ভোগ থেকে মুক্তি পায়নি, প্রতিশ্রুতির উপর খুব বেশীদিন বেচে থাকা যায় কি?

Mba hamonjena ny Foiben'ny Milina Mpamatsy Herinaratra ao Karnafuli amin'ny fiakaran'ny rano ao amin'ny farihy Kaptai, dia nesorina ny rano 62000 cusec tamin'ny alalan'ny tohodrano Kaptai ary nalefa tany amin'ny renirano Karnafuli. Miampy izany ny fiakaran'ny onja avy any an-dranomasina sy ny rano mikoriana nihoatra avy any an-tendrombohitra. Ka izany no nahatonga ny ankamaroan'ny tanàndehibe ao Chittagong ho ao anaty rano. [..] Ny fihotsahan'ny tany vokatry ny orana be loatra no lasa mampiavaka manokana ny vanim-potoanan'ny orana ao Chittagong. Koa satria tsy nifindra tany amin'ny toerana azo antoka kokoa ny olona dia maro no namoy ny ainy. Ny fanontaniana dia ny hoe moa ve atao tsirambina i Chittagong ? Moa ve tsy misy olona mihitsy afaka hanakana izany?

Niaina tao anatin'ny fampanantenana poakaty momba ny fampandrosoana i Chittagong nandritra ny taona maro. Mbola tsy afaka ahiahy momba ireo fahoriana ireo ny olom-pirenena. Afaka miaina maharitra miaraka amin'ny fampanantenana poakaty ve ny vahoaka?