- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lesona Vitsivitsy Manoloana Ny Fanafihana Ireo Bilaogy Amin'ny Teny Espaniola

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Shily, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2006 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Eto ny dika amin'ny teny Espaniola: Algunas enseñanzas sobre los ataques a blogs [1]

Herinandro maromaro farany, nitrangàna andiam-panafihana somary mitovy ireo bilaogy malaza amin'ny teny Espaniola. Nanomboka tao amin'ny bilaogy Shiliana malaza be momba ny teknolojia FayerWayer [ES] [2] ny fanafihana, izay tsy voapiraty ihany fa voafafa avokoa ny lahatsoratra sy ny fanehoan-kevitra rehetra tao, ary ny sisa tafajanona dia ny fanambarana manohitra an'i Leo Prieto [ES] [3], mpanorina ny tranonkala. Notehirizina ny bilaogy herinandro vitsy talohan'ny fanafihana, ka ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra mihitsy no tena voafafa. Tafaverina ivelan'ny aterineto ny lahatsoratra sasany. Ny voatafika manaraka kosa dia ny Denken Uber [ES] [4] an'i Mariano Amartino, tamin'ity tranga ity – na dia teo aza ireo lahatsoratra voafafa – tsy nisy zavatra goavana nitranga, ankoatra ny tsy faha-tafidirana aterineto nandritra ny ora vitsy, satria mitahiry ny kopian'ny tahiry ny mpamatsy fampiantranoana ary mila mamerina ny kopia fotsiny izy. Farany, ny raharaha tena henjana ny an'ny Cronicas Moviles [ES] [5], tranonkala natokana indrindra hamoahana antsafa amin'ny lahatsary. Tamin'ity tranga ity -satria ampiantranoina ao amin'ny Blogger izy – tsy nisy ny fitehirizana, ary very avokoa ny votoaty rehetra efa nivoaka.

Na dia eo aza ny fitovian'ireo tranga ireo – miditra ao amin'ny sehatry ny fitantanana ny bilaogy amin'ny fomba tsy nahazoana alalana sy mamafa ny lahatsoratra rehetra – tsy misy marika mampiseho fa olona iray ihany no nahavita izany. Fa ny mahagaga dia ny mahita ny habibiana tafahoatra ataon'ireo olona miezaka manimba ny asa nandritra ny taona maro. Mandritra izany fotoana izany, mampiseho ny zava-misy mazava izany: tsy asa mora ny mitahiry bilaogy, ary manery antsika mba hanaraka ireo zavatra mahazatra fototra sasany. Anisan'izany, ny manova ny tenimiafina matetika, manova ny anaran'ny  lahatahiry sasany amin'ny fahafahana miditra ao amin'ny sehatry ny mpitantana, ary indrindra indrindra, mitahiry ireo angona na lahatsoratra efa navoakantsika, raha mampiasa tranonkala famoahana bilaogy maimaim-poana isika. Ary  mazava ho azy fa mila fotoana izany zavatra rehetra izany. Ary ny zavatra ratsy indrindra dia tsy maintsy mampiasa bebe kokoa ny fotoana kely ananantsika isika mba hitahiry ny bilaogy noho ny manoratra ao.