- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Latvia: “Halves”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Letonia, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Hoy i Peteris Cedrins [1], bilaogera iray monina ao Latvia, izay naka ity sarinà [2] trano iray tao Daugavpils [3] ity:

Trano iray, tontolo roa. Maro amin'ireo trano tranainy ao Daugavpils no mamorivory  noho ireo varavarankely plastika mora vidy, fototra voafono anaty lafintrano ivelany efa matroka mampiseho endrika maoderina zara fa vita sy tsy manintona.

Daugavpils no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Latvia, misy mponina 108.260 (taona 2007). Nantsoina hoe  Dinaburg izy io teo anelanelan'ny 1275 sy 1893, Borisoglebsk teo anelanelan'ny 1656 sy 1667, ary Dvinsk teo anelanelan'ny 1893 sy 1920.

Ato [4] ny betsaka amin'ireo sarin'i Daugavpils nopihan'i Cedrin.

Ato [5] ny bilaoginy, Marginalia.