Shily: Faritra Roa Vaovao

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2006 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Nankatò faritra roa vaovao ao Shily ny kaongresy Shiliana. Ankehitriny, manana faritra 12 sy ny renivohitra Santiago i Shily.  Araka ny fanazavan'ny iquiquenoticias:

Los miembros de la Cámara de Diputados aprobó con 106 votos a favor y 1 abstención, las modificaciones propuestas por la Cámara de Senadores al proyecto de Ley que crea la XV región de Arica y Parinacota y la Provincia del Tamarugal, quedando el texto en condiciones de convertirse en Ley.

Tamin'ny vato 106 manohana sy vato iray manohitra, nankatoavin'ireo mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena ny tolo-kevitry ny antenimieran-doholona mikasika ny tetikasa ara-dalàna hanangana faritra XV ao Arica y Parinacota sy ny faritany Tamarugal. Ao anatin'ny fepetra ho lalàna ankehitriny ny lahatsoratra.

Ny faritra hafa dia i Valdivia, ao atsimo. Manana olana ara-panadihadiana samihafa ireo faritra vaovao, Carlos Salas (ES) nanao fanadihadiana lalina mikasika toe-draharaha ara-politika vaovao; indrindra mikasika ny rafi-pifidianana roamiantoana (binominal), ary nifantoka momba ny fifidianan'ny antenimieran-doholona ny faritra vaovao:

En cambio la elección de senadores si genera escenarios muy interesantes de analizar, porque la creación de la nueva región de Arica, implica necesariamente una readecuación electoral: Es decir readecuar el mapa electoral vigente, creándose una Circunscripción Senatorial conformada por el
territorio de la región Arica y Parinacota y cuya extensión es coincidente con el distrito electoral uno.

Niteraka sehatra tena mahaliana hodinihana ny fifidianana nataon'ireo loholona satria ny fananganana faritra vaovao dia miaraka amin'ny fanitsiana ny rafi-pifidianana: izany hoe, mampifanaraka an-keriny ny rafi-pifidianana, manangana fari-pifidianan'ny loholona, mitovy amin'ny faritanin'i Arica sy Parinacota ary mifanojo amin'ny distrika ny fanitarana.

Noho izany, ho an'ny elatra havia na ny elatra havanana, mety ho fahafahana hanana mpikambana bebe kokoa ao amin'ny Kongresy izany. Manana fiantsoana amin'ny tarehimarika ihany koa ny faritra Shiliana, manomboka amin'ny laharana voalohany ao amin'ny faritra avaratra ary mifarana ao atsimo amin'ny isa 12. Momba ny fomba fitantanan’ ny kaongresy ireo isa vaovao ho an'ny faritra vaovao, hoy i Gonzalo Araya:

Desde hoy tenemos 15 Regiones en nuestro país: se han agregado las Regiones de Arica y Parinacota (en la imagen), que sale de la I Región, y la de Los Ríos, con capital Valdivia, que desaparece de la X Región. Lo curioso es que la primera de las nombradas es la XV Región y la de Los Ríos es la XIV Región de Chile. Me surgen varias preguntas al respecto:
¿Por qué no respetar el orden geográfico y asignar el número menor a la Región del extremo norte del país? Si es por mantener los números pares e impares (para efectos electorales), viene al caso la siguiente pregunta:
¿No era más lógico darles los números XIII y XIV y en orden estrictamente geográfico, es decir, la de Arica con el numeral XIII y la sureña, con el número XIV?”

Manomboka androany, manana faritra 15 eto amin'ny firenentsika isika: amin'ireo faritra nampidirina ao Arica sy Parinacota (ao amin'ny sary), izay avy ao amin'ny Faritra voalohany, sy Los Rios, miaraka amin'ny Capitol Valdivia, izay hanjavona ao amin'ny Faritra faha-10. Ny zavatra hafahafa dia ny voalohany voalaza dia ny Faritra faha-15 ary Los Rios no Faritra faha-14 ao Shily. Be ireo fanontaniana nipetraka momba izany:
Nahoana no tsy manaja ny filaharana ara-jeografika ao amin'ny faritra ary manome isa ambany ho an'ny faritra ao amin'ny farany avaratry ny firenena?. Raha hitàna ny tarehimarika iray hafahafa (noho ny antony ara-pifidianana) izay mahatonga ny fanontaniana hoe:
Tsy ho lojika kokoa ve ny manome azy ireo ny isa XIII sy XVV amin'ny laharana ara-jeografika; Arika amin'ny isa XIII ary ny atsimo amin'ny isa XIV?

Tsy maintsy miandry ny fifidianana isika mba hahitana raha hisy vokany eo amin'ny sehatra ara-politika izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.