Manohana An'ny Nichane Ny Blogoma Raha Tsy Miraharaha Kosa Ny Media Lehibe Maraokana

(Marihana fa lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Desambra 2006 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Hankalaza ny Eid ul Adha  i Maraoka amin'ny Alahady, ka Tratry ny Eid avy amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Maraokana (Blogoma).

Andeha hivazivazy momba ny…Zazakely!

Mitohy mihamafy hatrany ny adihevitra momba ny Nichane. Ankehitriny, araka ny filazan'i Farid, mitohy hatrany ao amin'ny aterineto izany satria ny bilaogy Maraokana ihany no tsy voakasiky ny fanohanan'ny Media Lehibe (Fr).

The view from Fez nanoratra momba ny fahanginana “manelingelina” eo amin'ny haino aman-jery Maraokana lehibe.

A very well coordinated campaign by conservative forces has been pushing for the baning of the satirical journal Nichane. Disturbingly a number of journalist “fellow-travellers” decided to abandon ethics and principals and join the campaign. Freedom of the press should be a non-negotiable, but for some it appears that at the first sniff of trouble they opted for self-interest. Thus they fueled the traditionalist camp and gave no support to the government who found itself in a difficult position caught between the highly popular reforms on one hand and the rising tide of political Islam on the other.

Nitarika fandraràna ny gazety mpanesoeso Nichane ny hetsika tsara rindra nataon'ny hery mpandala fomban-tany. Nanapa-kevitra hiala amin'ny etika sy ny fitsipika ireo mpanao gazety maromaro “namana mpiara-dia ” ary nanatevin-daharana ny hetsika. Tokony tsy hifampiraharahana ny fahalalahan'ny gazety, saingy ho an'ny hafa, toa rehefa sendra olana amin'ny voalohany, dia nisafidy ny tombontsoan'izy ireo manokana izy ireo. Araka izany, namelona ny antoko nentim-paharazana izy ireo ary tsy nanome fanohanana mihitsy ho an'ny governemanta izay ao tafiditra toeran-tsarotra anelanelan'ny fanaovazana tian'ny olona etsy andaniny sy ny fiakaran'ny Islamo ara-politika etsy ankilany.

Eatbees nandefa fanangonan-tsonia hiarovana ny Nichane izay sokajiany fa “tsy fanambarana fanohanana ho an'ny Nichane fotsiny, fa antso hanovàna ny lalàna mifehy ny gazety ao Maraoka.”

Foulla nangataka tamin'ireo mpamaky azy mba haneho hevitra “amim-pahendrena” amin'ity toe-javatra tsy nampoizina ity.

You may not agree with the approach The Magazine Nichane choose to cover the subject, but I'm sure you do believe censorship is not the solution . Nor is throwing a bold and talented writer to jail !

Mety hoe tsy manaiky ny fomban'ny Gazetiboky Nichane nisafidy handrakotra ny lohahevitra ianao, saingy mino aho fa mihevitra tanteraka ianao fa tsy vahaolana ny sivana. Na koa ny managadra mpanoratra sahisahy sy manan-talenta

Samir nizara ny lahatsoratr'i Mohamed Ashab momba ny saritaka.

However, the banning of a newspaper could have serious impacts on the country's records regarding human rights, and freedom of expression. This raises serious problematic issues about the freedom of the press: where it starts and where it ends?

Na izany aza, mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny laharan'ny firenena momba ny zon'olombelona sy ny fahalalaham-pitenenana ny fandraràna ny gazety. Miteraka olana lehibe momba ny fahalalahan'ny gazety izany: aiza no niatombohany ary aza no hiafarany?

Afaka mamaky ny bilaogy rehetra momba ny fandraràna ny Nichane ao amin'ny gazetibokin'ny bilaogy ao Maraoka (Fr) ianao.

Andro banga

Nanapa-kevitra hanohitra ny sivana mihatra amin'ireo bilaogy Toniziana sasany ireo bilaogera avy ao Tonizia. Bilaogera Maraokana maro no namaly ny antson'ny Toniziana ary namela ny “tranonkalan'izy ireo” ho fotsy (banga) tamin'ny Alatsinainy 25.

eatbees nanoratra lahatsoratra mahaliana momba izany, manontany tena hoe inona no fomba mahomby indrindra hanehoana ny fanoherana ny sivana.

Ny hafa sy ny sasany

Manontany tena (Ar) i Ms Hjiouj raha afaka mahaleo tena miohatra amin'ny  Fitondram-Panjakan'i Arabia Saodita i LamekaIssam kosa mitaraina momba ny fanavakavahana atao amin'ireo vehivavy Maraokana sasany

mohamed-rouicha-9892.thumbnail.jpeg
Rayhane nandefa lahatsoratra momba ilay Maraokana mpiangaly rap BIGG, antiphon kosa rmalahelo ny faharefon’Mohamed Rouicha(Fr), mpanakanto nentin-drazana Maraokana.

Rafiq addarb nandefa lahatsoratra momba ny boky vaovaon'i Carter Palestine Peace not Apartheid(Ar), raha mampahatsiahy an'ireo mpamaky azy momba an'i Mehdi Ben Barka(Ar) kosa i  Said Ben Jebly.

Amin'ny faran'izao lahatsoratra izao dia manainga anao aho mba hitsidika an'i Amine sy Loula ary hankafy ny boaty mozikan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.