- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran : Fiakaran'ny vidim-piainana sy ny Voatabia

Sokajy: Iràna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2008 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Matetika lavin'ny fitondrana ny fiakaran'ny vidim-piainana, ary manome antoka mihitsy aza izy ireo fa zavatra foronon'ny vahiny sy ny haino aman-jery izany. Saingy nandritra ny volana vitsy lasa, haingana sy goavana loatra tsy mbola nisy tahaka izany tao Iran ny fiakaran'ny vidim-piainana. Amin'ny ampahany, noho ny vidin-tsakafo eny amin'ny tsena iraisam-pirenena no anton'ny fiakarana, ary ny hafa kosa milaza fa noho ny tsy fahombiazan'ny politika toekarena no antony. Niresaka momba ny fikaram-bidim-piainana ireo bilaogera Iraniana maromaro.


Tsy afa-manoatra ireo tantsaha ary tsy miraharaha ireo mpitondra

Eghtesaddaneh [1]nanoratra fa tsy manana fiarovana mihitsy ireo mpamboly ary zara raha voasolotena eny amin'ny andrim-panjakana. Hoy koa izy :

Le Ministère de l'Agriculture représente la classe moyenne et les employés, plus que les agriculteurs. Les fermiers sont la classe silencieuse. Les avez-vous jamais entendus manifester ? Le Ministère de l'Agriculture a-t-il jamais protesté contre les obstacles au libre échange ?

Il ajoute : “Les fermiers ne recoivent jamais d'aide après des catastrophes naturelles, contrairement à ceux des pays industrialisés et des pays d'Amérique du Sud. Pomegranate in Iran [2]Dans ma ville,  à  Kashan [3], les vergers de  grenades ont presque tous été détruits par le froid.”

Misolo tena kokoa ny saranga antonony sy ny mpiasa ny Minisiteran'ny Fambolena, fa tsy ny mpamboly. Sarangan'ny mangingina ireo tantsaha. Efa renao nanao fihetsiketsehana ve izy ireo? Efa mba nanohitra ireo sakana amin'ny fifanakalozana malalaka ve ny Minisiteran'ny Fambolena?

Nilaza koa izy hoe: “Tsy mba mahazo fanampiana mihitsy ireo tantsaha rehefa misy ny loza voajanahary, tsy tahaka ireo firenena indostrialy sy ny firenena ao Amerika Atsimo. Ao amin'ny tanàna misy ahy, ao Kashan, saika ravan'ny hatsiaka avokoa ireo sahan'ampongaben-danitra.”

Athalolah Mohajerani, [4] Minisitra reformista teo aloha momba ny kolontsaina nanoratra tao amin'ny bilaoginy fa mifanohitra amin'ny nolazain'ilay mpitondra fivavahana matanjaka, Mahdavi Kani, tsy misy idiran'ny fihenan'ny fanjifàna ny fiakaran'ny vidim-piainana. Miampanga ny governemanta ho tsy mihaino ireo manam-pahaizana manana traikefa izy. Ho azy, ny fandrendreham-bahoaka sy ny politika mifototra amin'ny teny filamatra no tompon'andraikitra amin'ny fiakaram-bidim-piainana ankehitriny.

Soweyda [5] kosa nilaza fa nanaiky ny fiakaran'ny vidim-piainana i Hadad Adel, filohan'ny parlemanta Iraniana, nilaza izy fa fara faharatsiny, nisy ny fandriampahalemana. Mihevitra ilay bilaogera fa nampitaha an'i Iran amin'ireo mpifanolo-bodirindrina izy ary nanamarika fa mety handrahona ny fandriampahalemana ny fiakaram-bidim-piainana sy ny olana ara-toekarena.

Fampanantenana poakaty

Dehyari  [6]nilaza fa tsy afaka ho atsahatry ny lahateny ny fiakaran'ny vidim-piainana.

Quand Ahmadinejad a pour la première fois nié qu'il y avait de l'inflation en Iran, voici deux ans, il a affirmé que l'inflation n'avait jamais aussi basse en quarante ans. Il y a seulement six mois, il a promis un avenir meilleur. Toutes ces déclarations sont fausses.

Raha sambany nandà i Ahmadinejad fa tsy misy ny fiakaran'ny vidim-piainana ao Iran, roa taona izay, nilaza izy fa tsy mbola ambany tahaka izany tao anatin'ny efa-polo taona ny fiakaran'ny vidim-piainana. Vao enim-bolana monja izay, nampanantena hoavy mamiratra izy. Diso avokoa izany fanambarana izany.

Nilaza koa ity bilaogera ity fa tsy afaka handefitra amin'ny fiakaram-bidim-piainana tahaka izany intsony ny fiarahamonina Iraniana, ary tsy misy fotony ny politikan'i Ahmadinejad.

Araka ny filazan'i AmirKhosro [7]kosa, depiote folo no nanohina an'i Ahmadinejad ary minisitra telo nanontany momba ny olan'ny fiakaram-bidim-piainana.

Nilaza ny bilaogin'ny fikambanan'ny Mpianatra Islamika ao Shahr Kurd  [8][Fa] fa vao haingana i Mehdi Karoubi, filohan'ny parlemanta teo aloha no nitsikera an'i Ahmadinejad, ary nanasa azy mba handinika ny olana momba ny trano sy ny fivelomana, fa tsy variana te-hitondra izao tontolo izao.

Tomatoes in HamadanLafo be ny voatabia

Azarmoghan  [9]nanoratra tamim-piesoesoana fa niakatra be ny vidin'ny voatabia ka afaka maka sary miaraka aminy izahay. Nisolo ny akondro ho voankazo lafo vidy ny voatabia

Parse dar Bozorgrah  [10] indray nampatsiahy fa niresaka vidin'ny voatabia i Ahmadinejad, nilaza fa ambany ny vidiny ary takatry ny rehetra tamin'ny taona lasa tao amin'ny faritra misy azy, saingy toa nanaiky ny fiakaran'ny vidiny ireo mpanjifa. Tsy hita intsony tao anatin'ny sandwitch sasany ny voatabia.

Shagard  [11]koa mampatsiahy antsika fa mitentina 2 euro ankehitriny ny kilaon'ny voatabia, raha mandray eo hoe eo amin'ny 80 Euro kosa ny mpiasa!

Sary tao amin'ny Flickr:
* ampongaben-danitra ao ambanin'ny oram-panala, avy amin'i Varahran [2].
* Voatabia eny an-tsenan'i Hamadan, sary avy amin'i Mary Loosemore [12].