- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mooziko, YouTube Afrikana

Sokajy: Afrika Mainty, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 16 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

mooziko [1]Nandanjalanja ny lafitsara sy ny lafiratsin'ny Mooziko [2], ny YouTube Afrikana, [3] tamin'ity herinandro ity ny Bilaogin'ny PKJ Agency, bilaogy iray izay “manao topimaso manerantany momba ny Aterineto  Afrikana”, ary niteraka adihevitra vitsivitsy tao anatin'ny dingana nataony. Hoy ny bilaogy:

Alors que Youtube vient de se faire racheter pour la modique somme de 1,65 milliard de dollars. Je viens de découvrir son petit frère africain Mooziko via le site Africa2point0.com. Le site a intégré de nombreuses fonctionnalités 2.0 et je suis assez impressionné par le service proposé. … Néanmoins j’ai quelques critiques à ce sujet:

* Trop de publicité
… Lorsque l’on consulte une vidéo on voit presque plus de pubs que de contenu réel à l’écran.
* Nouvelle fenêtre pour la vidéo
Pourquoi ne pas afficher la vidéo dans la même fenêtre de navigation ? …
* Lien direct vers la vidéo
Je pense que le site gagnerait à avoir des liens directs vers les vidéos pour accélerer le buzz marketing. Les gens sont plus enclins à fournir un lien direct qu’à envoyer un lien vers une page contenant la présentation de la vidéo et à ajouter dans leur message “Clique sur le bouton play, tu vas voir c’est formidable !!”.

Raha vao novidiana tamin'ny volabe mihoapapana 1.65 lavitrisa dolara ny YouTube dia hitako ilay rahalahiny afrikana kely Mooziko [3] tamin'ny alalan'ny tranonkala Africa2point0.com [4] . Ahitana endriny 2.0 maro samihafa ny tranonkala ary somary gaga tamin'ny tolotra nomeny aho. … Na izany aza, manana fanehoan-kevitra aho momba izany:
* Be loatra ny dokambarotra
… Rehefa mitady ny lahatsary, maro loatra ireo dokambarotra miseho noho ny tena votoaty eo amin'ny efijery.
* Varavarankely vaovao isaky ny lahatsary
Nahoana no tsy aseho miaraka eo amin'ny varavarankelin'ny fikarohana ny lahatsary? …
* Ny rohy mankany amin'ny lahatsary
Mino aho fa raha manana rohy mivantana mankany amin'ny lahatsary mba hanafainganana ny haivarotra ny tranonkala dia hahazo tombontsoa . Mirona kokoa any amin'ny fandefasana rohy mivantana ny olona noho ny fandefasana ny rohy mankany amin'ny pejy misy ny lahatsary sy manisy hafatra hoe “kitiho eo amin'ny bokotra ‘play’, dia ho hitanao izany !!”.

 

Malgré tout, c’est un projet vraiment intéressant. Il montre que le retard imputé à l’Afrique en terme de technologie web peut être rattrapé rapidement. Mooziko pourrait alors se présenter comme un des pionners d’une nouvelle génération de sites panafricains.

Despite this, the project is a really interesting one. It shows that Africa's purported lag when it comes to web technology can be rapidly cured. Mooziko could then frame itself as one of the pioneers of a new generation of panafrican sites.
Tena mahaliana ny tetikasa na dia teo aza izany. Mampiseho izany fa azo sitranina haingana ny fahataran'i Afrika amin'ny resaka teknolojian'ny habaka. Afaka maneho ny tenany ho toy ny iray amin'ireo mpisava lalana ho an'ny taranaka vaovaon'ny tranonkala panafrikana ny Mooziko .

Les services collaboratifs vont sans doute se développer de plus en plus sur le continent et il serait intéressant de voir se développer des outils transcommunautaires permettant aux différents sites de faire bénéficier aux uns et aux autres de leur trafic respectif. Pour que tout le monde soit gagnant il faut d’abord former une communauté importante et cela ne pourra pas se faire sans une forme d’échange entre ces nouveaux sites africains.

Azo antoka fa handroso hatrany ireo servisy afa-miara-miasa ao amin'ny kaontinanta ary hahaliana ny hahita ny firoboroboan'ny fitaovana ifandraisan'ireo vondrom-piarahamonina izay mamela ny tranonkala samihafa mba hahazo  tombontsoa  tsirairay avy amin'ny fifamoivoizan'ny tranonkala hafa. Mila miforona ny vondrom-piarahamonina manan-danja mba hahazoan'ny rehetra tombontsoa,  kanefa tsy ho tanteraka izany raha tsy misy ny karazana fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo tranonkala  Afrikana vaovao ireo.

Momba indrindra ny olan'ny dokambarotra no tena nahitana ireo mpaneho hevitra tamin'ny lahatsoratra  .

Ho an'i Etum,

Vu que l’acces au site est gratuit je pense que l’on ne doit pas se plaindre de la publicité. Pour l’instant c’est le modele économique qu’ils ont choisi mais je pense qu’il va évoluer. Wait and see.

Koa satria maimaim-poana ny fidirana amin'ny tranonkala, dia heveriko fa tsy tokony hitaraina momba ny dokambarotra isika. Ny maodely ekonomika no nofidin'izy ireo amin'izao fotoana izao, kanefa mino aho fa hivoatra izany. Ho hita eo ny tohiny.

Niresaka momba ny olan'ny fitrohana lahatsary ny mpaneho hevitra hafa  izay novalian'ny iray hafa fa mbola ao anatin'ny dingana beta  aloha amin'izao ny tranonkala.