- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosy Cayman : Ny Fahasimbana Entin'ny Sambo Mpitatitra Mpizahatany

Sokajy: Karaiba, Nosy Cayman, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 9 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Miresaka fohifohy mikasika ny iray amin'ireo safidy sarotra izay atrehan'ny fizahantany ara-toekarena madinika ny mpisera Flickr George Chang [1] ao anatin'ny fanazavana ity sary ato ity [2] :

There are 6 cruise ships that you can see in this picture. They are anchored off of George Town in Grand Cayman, BWI [3] [196 km²]. These ships actually do a lot of damage to the reefs with their anchors and chains. However, they are also a large revenue generator for the island.

Misy sambo mpitatitra mpizahatany miisa 6 hitanao eto amin'ity sary ity. Mifatotra ao amin'ny George Town ao Grand Cayman, BWI [3]  [196 km²] izy ireo. Raha ny marina, mitondra fahasimbana betsaka ho an'ny vatohara ny vatofantsika sy ny rojovin'ireo sambo ireo. Na izany aza, mamelona ny fidiram-bola lehibe ho an'ny nosy ihany koa izy ireo.