- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India : Ny Fanafihana Tao Jaïpur Tantaraina Ao Amin'ny Bilaogy Indiana

Sokajy: India, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2008 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Tamin'ny 13 Mey 2008, namely ny tanànan'i Jaïpur ny andiana daroka baomba [1]. Araka ny tarehimarika ofisialy, 60 no namoy ny ainy ary 150 no naratra. Namoaka lahatsoratra momba an'i Jaïpur ny bilaogy  MyZone [2] [en], somary mangingina i Jaipur amin'ny maha tanàna goavana azy, ary namaritra ny tahotra nateraky ny fipoahana izy. Nivadika ho dòna ny tsy finoana nandritra ny dimy ambinifolo minitra nitomboan'ny isan'ny maty ho 5 raha toa ka roa teo aloha, raha nitranga tampoka koa ny zava-misy tamin'izany fanafihana izany.

Pour la première fois en presque trois siècles d'Histoire, Jaïpur est victime du terrorisme. Les téléphones portables ont commencé à sonner, des parents inquiets s'informaient auprès de leurs proches et nous demandaient de rentrer immédiatement à la maison. Nous sommes parmi ceux, chanceux, qui ont pu recevoir des appels téléphoniques. Alors que l'heure avançait, les réseaux sont devenus saturés. Le café s'est vidé en quelques minutes, et un endroit qui grouillait de vie est soudain devenu désert.

Sambany tao anatin'ny efa ho taonjato telo teo amin'ny tantara, niharan'ny fampihorohoroana i Jaïpur. Nanomboka naneno ny finday, naka vaovao tamin'ireo havany akaiky ireo havana mitaintaina ary nangataka taminay mba hody any an-trano avy hatrany. Anisan'ireo tsara vintana izahay, izay afaka nandray antso an-tariby. Satria mandroso ny ora, nanjary tsy nahazo intsony ny tambajotra. Tsy nisy olona tampoka ny cybecafé, ary lasa foana ny toerana feno olona.

Tsy zava-baovao ao India ny fampihorohoana, ary tanàna maro no efa niharan'ny fanafihana, saingy mbola tsy nisy fanafihana goavana tahaka izany tao Jaïpur. Nampitombo ny faharefon'ny tanàna sy ny olom-pirenena ary ny tsy fahombiazan'ny sampan-draharaha fakàna vaovao ny daroka baomba. Voalaza fa nomanina tany ivelany ny fanafihana. Naneho ny firaisankiny ilay bilaogera avy ao Pakistan [3] ary manantena fa tsy ho maika amin'ny tsoa-kevitra aloha loatra ny governemanta Indiana ka hiampanga an'i Pakistan.

Niahiahy amin'izay mety hanjo ireo mpiara-miasa aminy ao Jaipiur ny bilaogy Ha's Blog [4], vondrona Holandey manana fikambanana ao Jaïpur.

Nous avons compris que nos collègues craignaient que nous, en Hollande, étiquettions Jaïpur comme une zone à risques. Il est de ma responsabilité de leur monter que nous sommes solidaires et que nous les soutiendrons, car ils sont des nôtres !

Fantatray fa matahotra ireo mpiara-miasa aminay fandrao manahy an'i Jaïpur ho faritra atahorana mafy izahay aty Holandy. Andraikitro ny mampiseho azy ireo fa miray hina izahay ary manohana azy ireo, satria ao aminay ihany koa ry zareo!

Manontany ny antony nahatonga ireo mpampihorohoro hikendry an'i Jaïpur ny bilaogy Hindustaniat [5] :

Jaïpur est l'un des symboles de l'héritage culturel indien. Des millions de touristes viennent visiter la ville rose chaque année, du monde entier, ainsi que Agra.  Le Rajastan est le fer de lance du tourisme indien. Les terroristes devaient être à court [de prétextes], il n'y a pas eu de crise dans les communautés ou au sujet des castes depuis longtemps.

Iray amin'ireo mariky ny lova ara-kolontsaina Indiana i Jaïpur. Mpizaha tany an-tapitrisany, avy amin'izao tontolo izao, no tonga mitsidika ny tanàna mavokely isan-taona sy Agra. Rajastan no ivon'ny fizahan-tany Indiana. Mety tsy manana antony nanaovana ny fanafihana ireo mpampihorohoro, tsy nisy olana tao amin'ny fiarahamonina na mikasika ireo foko hatramin'ny elabe.

Mahita ny tsy fahaizan'ny fitondrana mamaha ireo fanafihana fampihorohoroana teo aloha kosa ny bilaogy Indian Muslims [6].

L'une des raisons pour lesquelles ce gouvernement est si mal préparé pour empêcher ou résoudre ces attentats est l'absence d'expertise et d'analyse des précédents attentats en Inde. Un exemple: l'attentat de  Mecca Masjid. Le gouvernement du Pradesh a constitué une commission d'enquête sous la présidence de Bhaskara Rao en juin 2007 avec pour mission de présenter son rapport sous trois mois. Onze mois ont passé depuis et nous ne savons rien de plus.

Iray amin'ireo antony mahatonga ny governemata ratsy fiomanana amin'ny fanakanana sy famahàna ny fanafihana ny tsy fisian'ny fahaizana manokana sy ny fanadihadiana momba ireo fanafihana taloha teto India. Ohatra iray: ny fanafihana tao Mecca Masjid. Nanangana komity mpanao fanadihadiana teo ambany ny fiadidian'i Bhaskara Rao tamin'ny volana Jiona 2007 ny governemantan'i Pradesh, ny tanjona tamin'izany dia ny famoahana tatitra ao anatin'ny telo volana. 11 volana izay no lasa ary tsy mahalala na inona na inona isika.

Ny bilaogy Off Stumped [7]  koa naneho ny ahiahiny tahaka izany momba ny tsy firaharahian'ny fitondrana. Miantso ireo olon-tsotra mba hitandrina kosa ny bilaogy Cynical Indian [8]. Ny DJ Fadereu [9] [en] indray namoaka ireo vaovao farany momba an'i Jaïpur tao amin'ny Twitter. Nitsangana ny vondrona Facebook [10] mba hiresaka momba ny zava-nitranga. Ny firaisankina naseho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy dia fahafahana ho an'ny hafa hampiasa aterineto. Feno fiampangana Miozolomana ny sehatra fifanakalozan-kevitra antserasera sasany nosokafan'ireo gazety sy fahitalavitra Indiana.

Navoakan'i  Neha Viswanathan [11]