- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Barbados: Ireo Famantaran-dàlana

Sokajy: Karaiba, Barbady, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 22 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

bdos_crossroads

Namoaka ity sarin'ny famantaran-dàlana eo amin'ny sampanan-dalana any ambanivohitr'i Barbados [1] ity ny bilaogeran-tsary Barbados in Focus [1] (Mifantoka amin'i Barbados). “Tsy maintsy mila mandray fanapahan-kevitra ianao na aiza misy anao eto amin'izao tontolo izao na aiza,” hoy izy nanoratra. “Mahasahana izao tontolo izao ny famantaran-dàlana.”  Na izany aza, misy ny karazana famantaran-dàlana mety natao manokana ho an'ny toerana iray toy ny asehon'ny sary eto ambany.

barbados_bus_sign

Hoy ny Barbados in Focus hoe: “Hita manerana ny nosy ity famantaran-dàlana ho an'ny Bus Stop (Fiatoan'ny fitateram-bahoaka) ity. Raha toa ka very ianao dia jereo fotsiny raha manondro ny fivoahana ny tanàndehibe na ny fizorana ho any an-tanàndehibe ny fiandrasana fitateram-bahoaka. Soava Dia…. “ [2]