- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hongria: Ny Paprika Ao Szentes

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Hongria, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 10 Novambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

“Vao mafana no hitiavan'ny sasany azy” [1] – Sary avy amin'i Kris tao amin'ny Little Town in Hungary [2] (tanànakely ao Hongria), bilaogy iray ahitana sary mivoaka isan'andro “avy ao Szentes, tanàna kely any amin'ny faritra atsimon'i Lemaka Lehibe ao Hongria .”

Nanoratra momba ity sary ity i Kris :

I saw this scene yesterday. Does the owner of this flat like paprika so much? or it is a way to gain additional income? Whatever it is, the sure thing is, these wonderfully garland paprika (paprikafuzer) will ended up as the “ultimate spice” for many kitchens in Szentes.

Hitako ity toerana ity omaly. Moa ve ny tompon'ity trano ity tena tia fatratra ny Paprika? sa fomba iray hahazoana vola miditra fanampiny izany? Na inona na inona antony, ny zavatra azo antoka dia ny hoe, hiafara amin'ny “zava-manitra” ho an'ny lakozia maro ao Szentes ireo paprika natao girilandy tsara tarehy (paprikafuzer) ireo.

Mampahatsiahy ny mpamaky iray, Lachezar Karadjov [3], ny tanindrazany any Bolgaria ny sary:

A beautiful image of a very old tradition.

Reminds me of my own country. In autumn they would be all over windows and balconies in big cities, small towns and villages. People would pride themselves of who's paprika (in Bulgarian “liuti chushleta) is the hottest. Mostly they would use them at home but some will sell…

Sary tsara tarehy iray mampiseho ny fomban-drazana fahiny.

Mampahatsiahy ahy ny tanindrazako ity sary ity. Rehefa tonga ny fararano, hita eny amin'ny varavarankely sy ny lavarangana ao amin'ny tanàndehibe sy ny tanànakely izy ireo. Mirehereha ny olona amin'ny hoe an'iza ny paprika (amin'ny Boligara “liuti chushleta) mafana indrindra. Mampiasa izany ao an-trano ny ankamaroan'izy ireo kanefa misy ihany koa ny sasany no mivarotra izany …

Manome ny rohy mankany amin'ny iray amin'ireo fomba fahandro paprika tena ankafiziny ihany koa i Kris – Akoho miaraka amin'ny Holatra Hongroà [4] (Gombes Csirke), izay navoakany tao amin'ny bilaoginy hafa Kitchen at no. Nineteen: food junkie finally gets cooking [5]:

Eating out for us means fast food, pizzas, burgers, chinese, Indonesian, Indian […], etc. We hardly try-out Hungarian food in restaurants. Reason being, we get to eat home-made Hungarian dishes cooked by B's (my partner) parents. Most of them are quite tasty and suit to my taste. […]

Ny misakafo aminay dia midika hoe sakafo maivana, pizzas, burgers, Shinoa, Indoneziana, Indiana […], sns. Zara raha manandrana ny sakafo Hongroà izahay any amin'ny trano fisakafoanana. Ny antony, efa mihinana ny sakafo Hongroà nokarakarain'ny ray aman-drenin'i B (namako) ao an-tranony izahay. Tena matsiro sy tena amin'ilay tena tiako ny ankamaroan'izy ireo. […]