- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Famonoana Any Am-pianarana Sy Tsy Fahatomombanana Ara-piarahamonina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny May 2010)

Tao anatin'ny dimy herinandro dia nisy tranganà famonoana dimy tany am-pianarana tao Shina. Ankizy tsy manantsiny mpianatra avy amin’ny ambaratonga voalohany sy akanin-jaza avokoa ireo niharam-boina, raha toa ka olona niharan’ny tsy rariny teo amin’ny fiarahamonina ihany koa ireo mpamono olona rehetra. Avy amin'ny fiarahamonina ny olana amin’ny famonoana olona ankitsirano, kanefa, tenenina foana ny haino amanjery mba tsy hanadihady lalindalina kokoa ny tranganjavatra misy.

Inty ny famintinana ireo tranganà famonoana 5 [1]

3月23日,南平郑民生杀8名小学生;
4月12日,合浦男子砍死8岁小学生;
4月28日,雷州男子砍伤16师生;
4月29日,泰兴男子幼儿园内砍伤32人;
4月30日,山东潍坊一男子闯入校园打伤5名学生后自焚,

23 Martsa, namono ankizy 8 mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany i Zheng Minsheng tao Nanping
12 Aprily, nisy lehilahy iray tao Hepu namono ankizy 8 mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany
28 Aprily, nisy lehilahy iray tao Leizhou nanindrona antsy ankizy 16 mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany
29 Aprily, nisy lehilahy iray tao Taixin nanindrona antsy ankizy 32 teny amin’ny akaninjaza
30 Aprily, nisy lehilahy iray tao Shandong Weifang nidaroka mpianatra 5 ary avy eo nandoro ny tenany ho faty

Nandika ny sasany tamin’ireo fanehoankevitra nivoaka teo no eo momba ireo tranganà famonoana ireo ny ChinaSmack. Maro no mino [2]fa lasa ny ankizy indray no iharan’ny valifaty noho ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina ary manome tsiny ireo mpamono olona noho ny famelezany ireo ankizy fa tsy ireo manampahefàna. Raha ny marina, nisy sary nandehandeha tao anaty aterineto, ary avy eo tamin'ny alàlan'ny imailaka rehefa nofafàna ilay izy, mampiseho teny filamatra napetraky ny ray aman-dreny teo ivelan'ny faritra fianarana any aminà akaninjaza iray. Mivaky toy izao izany: manana ny fototra niaingany ny tsy rariny ara-piarahamonina sy ny trosa, miodina miankavanana ianao dia mahita ny tranom-panjakana.

[3]

Misy idirany lalina amin'ny fiarahamonina ireo tranganjavatra ireo, mitovy amin'ny famonoan'i Yang Jia mpitandro filaminana [4]. Araka ny fanambaran [5]‘i twocolds:

在最近的变态凶手杀人事件中,他们都选择了幼儿园和小学,相信在很多想报复社会的人心中,去幼儿园小学杀人成为了一种时尚,因为在杀人过程中,你将遇到最 少的抵抗,杀掉最多的人,造成民间最大的痛苦的恐慌,是最有效的报复社会手段。除了杨佳以外,几乎所有杀手都挑选了向弱者下手。这个社会没有出口,杀害更 弱者成了他们唯一的出口。

Tamin’ireny andianà tranga famonoana mampalahelo vao haingana ireny, nisafidy ny akaninjaza sy ny sekoly ambaratonga voalohany ho lasibatra ireo mpamono olona. Ao am-pon'ireo izay te-hamaly faty eo amin'ny fiarahamonina, lasa lamaody ny famonoana ny ankizy mpianatra satria izy ireo no tsy dia manohitra indrindra, amin’izay afaka mamono faran’izay betsaka indrindra sy miteraka ny tahotra ara-piarahamonina goavana indrindra izy ireo. Izany no fomba tena mahomby hamaliana faty eo amin'ny fiarahamonina. Ankoatra an'i Yang Jia, ny malemy no tena lasibatr’ireo mpamono olona. Tsisy fivoahana eto amin’ity fiarahamonina ity ka ny famonoana ny malemy no lasa hany fialan’izy ireo.

Tsy mahagaga raha nikoropaka nangataka an'ireo masoivohom-baovao sy vohikala lehibe ny sampandraharahan’ny fampielezankevitra mba tsy hametraka ireo vaovao ireo eo amin'ny pejy voalohany. Mazava ho azy fa eo ihany koa ny antony avy amin’ilay fampirantiana ao Shanghai araka ny nohazavain'i [6] Kai Pan tao amin’ny china/divide. Na izany aza, manome ny rariny ho an'ny ankizy ve ny governemanta? Mitsikera izany i Twocolds :

在泰州幼儿园杀人事件中,新闻被控制了,这些孩子们生不逢时,死更不逢时。在相关部门的认识里,在这喜庆的气氛里,这事当属杂音。我们只知道,泰州幼儿园 杀人事件中,受伤32人,政府和医院一再强调,无一死亡,但是坊间又传说,死了多个孩子。你说我应该相信谁呢?相信政府吧,那为什么他们禁止家长见到孩子 呢?

Voahara-maso ny vaovao momba ny famonoana tao amin'ny akaninjaza tao Taizhou. Samy ratsy fitotonana na ny fahaterahana na ny fahafatesan’ireny ankizy rehetra ireny. Anatin'ny rivo-pankalazàna, lasa feo manakorontana ny fahafatesan’izy ireo. Ny fantatsika fotsiny dia hoe 32 ireo olona naratra tamin'ny famonoana tao amin’ilay akaninjaza tao Taizhou. Nanamafy ny governemanta sy ny hôpitaly fa tsy nisy ny aina nafoy, kanefa ny tsaho dia nilaza fa maro tamin'izy ireo no maty. Iza no tokony inoako? Ndeha inoantsika ny governemanta, saingy maninona ary no raràny ny ray aman-dreny tsy hitsidika ny zanany?

Mamintina ny sasany amin’ireo idiran'ny fiarahamonina anatin'ilay “fihetsika mifono valifaty” [7] i Stan Abrams avy amin’ny china/divide, anisan'izany ny aretin-tsaina, ny elanelana eo amin'ny fidirambola sy ny tsy fahampian’ny fanarahamaso. Na izany aza, manamarika [8]i Xu Zhiyong fa samy tsy mamaha ny olana na ny fanafenana azy na ny fanamafisana ny fanarahamaso:

这些巨大的事件如果仅仅给我们带来社会管理技术上的修补, 我们就失去了更大社会改进的机会。这些事件,尤其是短期内连续发生一系列事件,一定具有更为深刻的社会意义,如果我们拒绝承认这种意义,该事件的结果可能 会朝着相反的方向。以个人恐怖主义五个要素来分析:社会背景——拆迁、社会保障缺失、社会不公等等,这些问题在有的人的头脑里聚集并强化;主角——个性偏 执的个人,但如果连续出现极端个体,这就说明社会问题已经相当严重;受害者——社会中最弱者,需要指出的是,一个人能够把行凶对象指向幼儿园的孩子,这需 要巨大的力量给自己内心填充“合法性”,这些力量来自社会问题的各种信息;震撼性——该事件成为一个巨大的公共事件具有内在必然的逻辑;社会整合——如果 一个社会回避巨大公共事件的深刻含义或者失去了整合的能力,该社会事实的意义可能是强化某种本已存在的失落情绪,这是悲剧中的悲剧。

Raha mitondra mankany amin'ny fanamafisana ny fomba fitantanana ara-tsosialy fotsiny ireny tranga nisesy ireny, dia tsy hahatratra ireo fotoana ahafahana manova ny fiarahamonina mihitsy isika. Tsy maintsy mirakitra hevitra lalina ara-piarahamonina ireny tranga ireny, raha tsy manaiky isika fa mety avy aminà zotra mifanohitra amin'izay no nivoaran'ny zava-nitranga. Raha mandinika ny raharaha araka ireo toetra 5 lehibe indrindra asehon'ny fampihorohoroana isika dia:
1. Ny fandroahana ankeriny, ny tsy rariny ara-piarahamonina sy ny tsy fahampian'ny fiarovana ny fandriampahalemana ara-piarahamonina no fototra sosialy niavian'ireo mpamono olona ireo. Nikotrikotrika tao an-dohan'ny olona manana olana ara-tsaina ireo olana rehetra ireo.
2. Manana toetra mahery fihetsika ireo nahavanon-doza. Raha miverimberina ny toejavatra toy izany, mety midika izany fa tena tsy milamina ny fiarahamonina.
3. Olona osa indrindra ao amin'ny fiarahamonina no lasibatra. Raha misy olona iray mahavita manapatra ny hatezerany aminà ankizy any amin’ny akaninjaza, dia tsy maintsy “manamarina” izany asa ratsiny izany aminà olana lehibe izy.
4. Ny dona – misy antony miafina matoa nivadika ho tahotra ara-piarahamonina ireny tranga ireny.
5. Ny fampidirana anaty fiarahamonina – raha misy fiarahamonina iray miala amin’ny fiatrehana ny zavamitranga lehibe toy izao ka tsy manana hery andinihana ilay zavamitranga sy hidirana anatin'ny fiarahamonina intsony, dia mety hanamafy ny fihetsehampo izay mahatonga ity zava-doza ity izany. Mbola loza noho ilay zava-doza izany.