Sodana Miady Amin'ny VIH/SIDA Aorian'ny Vanim-Potoana Islamista

(Marihina fa nivoaka tamin'ny jolay 2007 ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy nadika)

Miasa ao amin'ny minisiteran'ny fahasalamana, proigramam-pisorohana ny SIDA  ao Khartoum i zizou from Djerba, bilaogera toniziana.

Manoratra i Zizou fa tsy tahaka ireo mpifanolo-bodirindrina aminy ao avaratra,” ary efa mizotra mankany fisokafana amin'ny hevitra maoderina “post-Islamista” sahady i Sodana.

Natolony ho porofon'izany ny saripikan'iray amin'ny mpiara-miasa aminy, ny tavany saronan'ny Niqab, mamaky lahatsoratra akademika momba ny pelaka sy lesbiana ao Rosia :

Ma collegue s'interesse en effet aux populations vulnerables et plus specialement aux hommes ayant des relations sexuelles avec des hommes. Elle a meme effectue une etude sur le sujet ou elle a interviewe (en Niqab) plus de 100 homosexuels soudanais des deux sexes.

Il n'ya pas mieux que l'exemple de cette fille pour parler de l'epoque post- islamiste qui characterise le Soudan. Contrairement a ses voisins arabes du nord ou la fascination pour l'islam politique ne fait qu'augmenter. Le Soudan est deja passe par sa periode islamiste. Cette periode n'est jamais regrette et ne reveille chez les gens que je rencontre que de mauvais souvenirs.

Les Soudanais y ont pourtant cru… L'application de la Sharia, l'islam comme solution a tout… mais le resultat de cette politique a beaucoup decu et la vie des soudanais et soudanaises est devenue plus dure qu'avant… Et c'est avec plaisir que la plupart des soudanais ont accueilli le vent d'ouverture qui souffle depuis qlq annees deja.

Liana amin'ireo mponina marefo,indrindra fa amin'ireo lehilahy efa nanao firaisana tamin'ny lehilahy ilay mpiara-miasa amiko. Efa nanao famakafakana momba io lohahevitra io aza izy ary nanao antsafa (anaty Niqab) homosexuels lahy sy vavy mihoatra ny zato.

Tsy misy tsara kokoa atao ho ohatra mihoatra noho ity zatovovavy ity iresahana ny vanim-potoana post-islamista amantarana an'i Sodana. Tsy tahaka ireo arabo mpifanolobodirindrina aminy ao avaratra izay tsy mitsaha-mihavariana amin'ny islma politika. Efa nihoatra sahady ny vanim-potoana islamista Sodana. Tsy alahelovana mihitsy izany vanim-potoana izany ary tsy mampahatsiahy afa-tsy zava-dratsy tamin'ireo olona nihaonako.

Natoky izany anefa ny Sodaney… ny fampiharana ny Sharia, ny islamo ho vahaolana amin'ny zava-drehetra… saingy nandiso fanantenana ny vokatr'izany politika izany ary nihamafy noho ny teo aloha ny fiainan'ny Sodaney lahy sy vavy… ary finaritra ny ankamaroan'ny sodaney nandray ny rivo-pisokafana izay efa nitsoka nandritra ny taona vitsivitsy sahady.

Faingana i Zizou nilaza fa na dia efa mitsoka amin'ny faritra sasany aza ny liberalisma, dia mbola miraikitra lalina amin'ny fomban-tany ny fiaraha-monina Sodaney, zavamisy izay mahasarotra ny asany sy ny programa miompana amin'ny SIDA. “Fisokafan'ny maso! Saingy tsy be loatra!…tahaka ny tsy ho azo tanterahina mihitsy ny miresaka fifadiam-piraisana mankany amin'ny fampiasana fimailo,” hoy  ny nosoratany.

Saingy nametraka ny fanantenany ao anatin'ny “vain'afo” mangilohilo ao anatin'ny “lavenona” izy, tahaka ilay mpiara-miasa aminy mirakotra Niqab, izay nilaza fa tsy hanao voaly intsony rehefa mandany lalàna mitovy amin'ny an'ny frantsay handrarana an'io i Sodana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.