Ethiopia: Diabe Manohitra Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aprily taona 2007 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Nisy ny diabe nokarakaraina tamin'ny 14 Aprily tao amin'ny Place Merkel, Addis Abeba, Ethiopia. Ity diabe ity dia natao hanehoana fa mbola mety iharan'ny herisetra foana ny vehivavy ary tokony hisy ny fepetra aman-dalàna hiantohana ny fiarovana azy ireo. Nokarakarain'ny Fikambanan'ny Mpisolovava Ethiopiana, Sampan-draharaha Kanadiana ho an'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (ACDI),  Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mponina (UNFPA), miaraka amin'ny fanohanan'ny Minisiteran'ny Fitsarana sy ny Minisiteran'ny Vehivavy ny diabe. Nanomboka izany rehetra izany raha nody tany aminy niaraka tamin'ny rahavaviny roa i Kamilat Mehdi. Nisy lehilahy nipoitra tampoka ary nanondraka asidra tamin'ny tavany. Nanazava ny vaovao fohy tao amin'ny sampam-baovao Reuters fa : « Na dia tranga manivaka aza ity, nampihorohoro ny fiarahamonina Ethiopiana mimpirimpirina sy kaonservativa ny herisetra, ary nampiseho ny kolontsaina herisetra atao amin'ny vehivavy».

Eto ambany ny lahatsarin'ny fihetsiketsehana natao hisarihana ny saina mikasika ny fiarovan'ny lalàna ny vehivavy lasibatry ny herisetra. Mangataka lalàna manafay kokoa amin'ny resaka herisetra sy fanorisorenana ny sora-baventy nadika tamin'ny teny Ahmarika.

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.