Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay “Rain'ny ny Repoblika Islamika”, zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.

Raha maro tamin'ireo kandidà tsy nankatoavina no “nanompo” ny Fanjakana Islamika nandritra ny taona maro, toa mihevitra ny manampahefana ankehitriny fa tsy azo porofoina ny finoan'izy ireo ny islamo sy ny fitokisan'izy ireo ny fitondrana. Nantsoin'ny Filoha reformista teo aloha, Mohammad Khatami ho loza izany fanesorana kandidà izany. Tsy fahita firy eo amin'ny tantara Iraniana ny fifidianana malalaka sy mangarahara, ary tsy mba nahitàna izany (fifidianana malalaka sy mangarahara izany) ny firenena tao anatin'ny 25 taona.

Bilaogera maro no nizara ny hevitr'izy ireo momba ny fifidianana, anisan'izany ireo mpanao politika reformista.

Tapitra alohan'ny fifidianana ny lalao

Mohmmad Ali Abtahi, filoha lefitra teo aloha sady bilaogera mihevitra fa fantenana alohan'ny hanatontosàna ny fifidianana ny ankamaroan'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta. Hoy izy:

… many believe there is no use in negotiations. I, of course, still believe that such literature is meaningless in the present government, which wishes to handle the issues without any disturbance. We have to select anonymous candidates who are not on the opposition list, and show that their plot to omit everyone except their group is defeated.

… maro no mino fa tsy ilaina ny fifampiraharahana. Izaho, mazava ho azy, dia mbola mino fa tsy misy dikany ho an'ny fitondrana ankehitriny ny literatiora tahaka izany, izay maniry hiatrika ny olana tsy misy korontana. Tsy maintsy mifidy kandidà tsy mitonona anarana izay tsy ao anatin'ny lisitry ny mpanohitra isika, ary mampiseho fa resy ny teti-dratsin'izy ireo hanadino olona ankoatra ny vondron'izy ireo.

Akbar Montakhabi nanoratra [Fa] hoe:

Don’t be shocked. It had been clear that most reformist candidates would be disqualified. But we should participate in the election and vote for candidates who are against Mahmoud Ahmadinejad’s government.

Aoka tsy ho tafintohina. Mazava fa ho esorina ny ankamaroan'ny kandidà reformista. Saingy tokony handray anjara amin'ny fifidianana isika ary hifidy kandidà izay manohitra ny governemanta Mahmoud Ahmadinejad.

Ho avy tsy ho ela ny krizy

Ahmad Shirzad, Solombavambahoaka reformista teo aloha sady bilaogera nilaza [Fa] fa toa tsy te-hanome ny toeran'izy ireo ho an'ny hafa amin'ny fomba demaokratika izay olona eo amin'ny fahefana. Nilaza koa izy fa angamba mahomby amin'ny fotoana fohy ny fihetsika tahaka izany, saingy naminavina fa hiteraka krizy ara-politika mandritra ny fotoana maharitra ela izany.

Omid Memarian nilaza [Fa] fa mahaliana raha olona maro nesorina izay nanompo ny Repoblika Islamika no tsy manohana ny politikan'i Ahmadinejad. Nilaza koa ilay bilaogera fa mampidi-doza ho an'ny tsirairay ny parlemanta izay mankatò ny filoha Iraniana ary tsy manome zava-baovao.

Nanadihady olona maromaro avy amin'ny antoko politika isan-karazany ao Iran ity bilaogera ity ary nampitandrina ny amin'ny fanesorana kandika faobe.

Hifidy sa tsia

Nilaza i Jomhour fa mampita hafatra avy amin'ny fitondrana tsirefesimandidy ao amin'ny firenena izany fanesorana izany; Tsy miova isika. Nilaza ilay bilaogera fa mahatsikaiky sy tsy mitombina ny kabary tsara lahatra milaza amin'ny olona rehetra mba handray anjara amin'ny fifidianana na inona na inona toe-javatra.

Nanoratra taratasy misokatra ho an'ireo kandidàn'ny hetsika reformista ny vondrona bilaogera miantso azy ireo hoe “bilaogera Yahoo 360″ ary nanontany azy ireo fanontaniana maromaro momba ny tanjon'izy ireo raha toa ka voafidy: Anisan'ireo fanontaniana fototra napetraky ny bilaogera ny hoe: “Inona no fandaharanasanareo hanafoanana ny fanavakavahana eo amin'ny miralenta, hampiroboroboana ny fampiasam-bola avy ivelany,  hanohanana ny ONG sy hanaja ny zon'olombelona.

Bilaogera am-polony no nanohana ity hetsika ity

Fahamaroana, lalao mampidi-doza

Mehrr, bilaogera mpanaraka fombantany nilaza [Fa] fa loza ho an'ny fiarahamonina ny reformista. Hoy ihany koa izy:

Reformists want to promote human rights in this country. Human rights is a concept created by Imperialism for its own interests.

Te hampiroborobo ny zon'olombelona ao amin'ity firenena ity ny reformista. Hevitra noforonin'ny Imperialisma ho amin'ny tombontsoany manokana ny zon'olombelona

Nilaza ilay bilaogera fa manohana izay zavatra mifanohitra amin'ny soatoavina Islamika ny gazety reformista, anisan'izany ny fahamaroana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.