- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Onjam-peo Indizeny Antserasera Voalohany ao Brezila

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Teratany, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Rising Voices

Mpanatontosa ny Rádio Yandê ao Paraty, Rio de Janeiro. Sary: pejy Facebook ofisialin'ny Rádio Yandê, nahazoana alalana.

Mampikambana ny fitiavana fiarahamonina amin'ny fampahalalam-baovao nomerika ny Rádio Yandê [1] mba hampahafantatra ny kolontsaina sy ny teny tompotany Breziliana .

Onjam-peo antserasera voalohany ao amin'ny firenena ny onjam-peo izay nanomboka nandefa fandaharana antserasera tamin'ny taona 2013: natsangan'ny olona tompotany ho an'ny olona tompotany, ka ny tanjona dia ny fampiasana teknolojia handravàna ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso miseho amin'ny fitantarana amin'ny haino aman-jery mahazatra momba ny fiarahamonina teratany ao Brezila.

Araka ny filazan'ny tranokalam-baovao Agência Brasil [2], teny tompotany maherin'ny 150 no ampiasaina ao Brezila – tahaka ny Tikuna [3], Guarani Kaiowá [4], sy Kaingang [5] izay anisan'ny be mpampiasa indrindra. Voalaza na dia izany aza, fa amin'ny taona 2030, 45 hatramin'ny 50 amin'ireo teny ireo no mety hanjavona.

Mampihatra fomba maro isan-karazany ity tetikasa manokana ity mba hampiseho ny fiainana andavanandro sy ny olana mikasika ny fiarahamonina tompotany ao Brezila. Ahitana mozika avy amin'ireo mpanakanto tompotany ny onjam-peo, ary koa ahitana vaovao, adihevitra, tantara, tononkalo sy hafatra mivantana avy amin'ireo fiarahamonina ireo ihany.

Mandray anjara ao anatin'ny sehatra rehetra ny Radio Yandê: afaka miditra ao amin'ny tranonkalany ianao, manaraka vaovao farany amin'ny alalan'ny Facebook [6], na koa mitroka fampiharana finday izay manome anao fidirana manontolo amin'ny votoatiny.

Na dia ao Rio de Janeiro aza no misy ny foibeny, mahenika manerana an'i Brezila ny onjam-peo. Ao amin'ity lahatsary YouTube ity, ohatra, manadihady mpitsabo nentim-paharazana avy ao amin'ny foko Dessana ao an-tanàna avaratr'i Manaus ny Radio Yandê, maka ny heviny momba ny vinavinam-pivavahan'ny tompotany, ny fahasamihafana eo amin'ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny fitsaboana maoderina ary ny andraikitra lehibe raisin'ny tanora amin'ny fiarovana ny kolontsaina tompotany:

Satria ny tanjona voalohan'ny onjam-peo dia ny hampianatra ny vahoaka momba ny zavatra  indizeny rehetra, dia amin'ny teny Portiogey indrindra indrindra ny votoaty ao amin'ity fantsona YouTube [7]ity. Na izany aza, natao tamin'ny teny tompotany ny sasany tamin'ireo antsafa ary avy eo nadikan'ny mpitati-baovao ao amin'ny onjam-peo. Hita ao amin'ity lahatsary manaraka ity, tanora mpamokatra sarimihetsika avy ao amin'ny foko Kayapó Amazoniana miresaka ny ezaka nataony vao haingana mba hamokatra fitaovana manasongadina sy manampy ny fiarovana ny fomba amam-panao sy ny kolontsainy ao an-toerana:

Ankoatra ny fiarahamiasa amin'ny tambajotra mpitati-baovao tompotany Breziliana, mifantoka amin'ny fifandraisana eo amin'ny tetikasan'ny tompotany avy any ivelany ihany koa ny Rádio Yandê: anisan'izany ny tambajotram-pampahalalam-baovao Indian & Cowboy [8] ao Canada, ny Rádio Encuentros [9] mitodika amin'i Amerika Latina, ary ny onjam-peo Colombiana  Informativo Dachi Bedea [10].