- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arakaraka ny Anositosehan'ny Antoko Mitondra ao India ny Teny Hindi no Anoheran'ny Olona Azy

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Fiteny, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
[1]

Ireo fiteny Indo-Aryan lehibe ao India. Sary avy amin'i Filpro amin'ny alalan'ny Wikimedia Commons. CC: BY 3.0

Araka ny Lalampanorenana Indiana [2], dia mety ho ny hindi sy ny anglisy no fiteny ofisialy ao, saingy noho ny fahasarotan'ny fananana fanjakana maro — tahaka ny Vondrona Eoropeana — dia midika fa eo amin'ny fampiharana dia miteny fiteny maro mihoatra noho ireo fiteny ireo ny vahoaka.

Nisy ny fahatezerana nahazo ny antoko nasionalista sy mpandala ny mahazatra Bharatiya Janata Party [3] (BJP) noho ny fanerena ataony hametraka ny fiteny Hindi ho ambonin'ny fitenim-panjakana hafa. Mbola nanampy izany fahatafintohinana izany ihany koa ny fanambarana [4] vao haingana nataon'i Sushma Swaraj, Minisitry ny Raharaha Ivelany ao amin'ny Firaisambe, amin'ny fampiasana ny Hindi ao amin'ny pasipaoro. Raha nezahin'i Swaraj ny hanatsotra ilay fombafomba sarotra fangatahana pasipaoro, dia nahazo tsikera mavesatra kosa izy tamin'ny fanindriana ny Hindi amin'ny 60% tsy mpiteny izany [5] ary tsy mahazo koa ilay fiteny.

Ho amin'ny teny anglisy sy hindi avokoa ny pasipaoro rehetra manomboka izao fa tsy ho amin'ny teny hindi fotsiny: EAM Sushma Swaraj tao Delhi

Na dia napetraky ny fanisana farany nivoaka tamin'ny taona 2001 [8] azafa mpiteny hindi ny 41,1% amin'ny mponina miisa 1,27 miliara ao India, ny 16% amin'ireo dia miteny amin'ny fiteniny manokana izay misy ifandraisany amin'ny hindi saingy tondroina ho fiteny manana ny zony manokana, ka mampidina ny isan'ny mpiteny Hindi ho eo amin'ny 25% eo ho eo.

Iray amin'ny fandaharan'asa lehibe nampanantenain'ny BJP ny fampiroboroboana ny fiteny hindi, ary hita fa ny 70%-n'ny [9] mpikambana parlemantera dia avy amin'ny faritra iresahana amin'ny teny hindi. Mandresy lahatra i Garga Chatterjee [10], bilaogera iray avy ao amin'ny famoaham-baovao Indiana Scroll.in, fa tsy tena mahasolo tena tanteraka ny Indiana i Swaraj, fa amin'izay miteny hindi ihany:

Thus, when Swaraj says ‘why can’t we make it Hindi?’, the ‘we’ does not stand for all Indian citizens. ‘We’ are the Hindi-speaking citizens of the Indian Union. By equating that minority with the rest of us, she obliterates any stake the rest of us, the majority, have in any idea of ‘we’.

Noho izany, raha miteny i Swaraj hoe ‘nahoana isika no tsy afa-manao izany amin'ny teny hindi?’ dia tsy mijoro ho an'ny olom-pirenena Indiana rehetra ny “isika’ lazainy. Ny ‘isika’ dia ireo olompirenena miteny hindi ao amin'ny Firaisambe Indiana. Amin'ny fampidirana io vitsy an'isa io amintsika ambiny, dia nofafainy tamintsika ambiny, izay maro an'isa, izay mety ho hevitry ny hoe ‘isika’

Nisioka ihany koa i Chatterjee, nitaraina fa nosakanan'i Swaraj ny zony taorian'ny nanoratany bilaogy manohitra ny fanapahan-kevitra:

Nanoratra sombin-dahatsoratra ho an'i @scroll_in [11] momba ny fanapahan-kevitr'i #Sushmaswaraj [12] manery ny hametrahana teny hindi amin'ny pasipaoron'olompirenena tsy miteny hindi. Jereo ny vokany.

Maro ireo mpiserasera naneho ny heviny, na ny mpanohana na ny mpanohitra ny fanapahan-kevitra.

Nisioka ny bilaogera Priyodorshi, izay mpahay lalàna ao amin'ny Fitsarana Tampony ihany koa:

Raha atosika ao an-tendako ny pasipaoro hindi, dia mangataka iray amin'ny ten bengali ihany koa aho! Maninona tokoa moa raha amin'ny fiteny ofisialy rehetra no atao ao amin'ny PP?

Nisioka i Prakash Belawadi, olo-malazan'ny teatira izay avy ao amin'ny fajakana Indiana Karnataka:

Fahadalàna. Nahoana moa no atao amin'ny teny hindi? Tsorina fa tsy mahita kianja iraisana isika.

Amin'ny alalan'ny tehirohy #StopHindiImposition [18], maro avy amin'ireo fanjakana tsy miteny hindi no  nanandratra ny feony hanoherana ny fanapahan-kevitra, sy amin'ireo fanapahan-kevitra hafa noraisin'ny governemantam-piraisan'i India noho ny fahazotoan-dry zareo hanampy ny hindi ao amin'ny fitantanana syy ny asam-panjakana hafa:

Tsy miteny tsia amin'ny hindi ao amin'ny pasipaoro izahay. Ny tokony fanontaniana dia hoe nahoana no hindi “ihany”

Ry mpiteny hindi raha teny vahiny aminao ny teny anglisy. Dia tahaka izany ihany koa ny Hindi ho an'ny Indiana Tatsimo.

Ka raha izany, maninona raha atao anaty pasipaoro ny teny Kannada-nay?

Nahoana ny teny hindi ao amin'ny pasipaoron'ny Kanandiga iray fa tsy teny Kannada?

Atsaharo ny fanerena ny hindi

Ny vahoaka tao Karnataka moa dia efa nanao fihetsiketseham-panoherana [27] ny fampiasana ny teny hindi tao NammaMetro, servisim-piaradalamby metro tao amin'ny renivohi-panjakana Bengaluru. Ny mpisera Twitter Aditya Mani Jha, izay heverina ho mpiteny Hindi ihany koa aza, dia manontany ny antony maha-tsy maintsy ampiasana ny hindi amin'ny atontan-taratasy iray tahaka pasipaoro, izay ampiasaina indrindra indrindra amin'ny fivezivezena iraisampirenena:

Hatramin'izao dia mbola tsy nisy nanome valiny ny fanontaniako, ka dia averiko indray: Ahoana no hanamoran'ny teny hindi kokoa ao amin'ny pasipaoro ny fivezivezena iraisampirenena?

Sebastian Amudhan [29], Indiana mpanatontosa sarimihetsika sy mpamorona tononkira avy ao amin'ny fanjakana Tamil Nadu, nizara sioka iray ahitana lahatsarin-tantara foronina ahitana ny praiminisitr'i India miantso olona iray mpiteny tamil ka miresaka aminy amin'ny teny hindi  — ary  notapahan'ilay farany ny antso, sady manazava izy fa tsy mahay teny hindi.

Tahaka ny nanangana azy tamin'ny maty ny Twitter. Ka avelao aho handray anjara kely.

Efa hatramin'ny taona nanorenana an'i India tamin'ny taona 1947 no nisy ny korontana nateraky ny fanerena ny teny hindi amin'ireo fanjakana tsy hindi. Nisandratra ho lingua franca [31] (teny iraisan'antokon'olona maromaro) tamin'ny fiandohan'ny tampolo 1950 ny teny hindi noho ny hetsika politika iray fantatra amin'ny hoe Indian National Movement [32]. Tafiditra tanatin'ny fitarihana niraisana tao amin'ny Indian National Congress [33], niantsoroka tamin'ny fampiarahana ireo zanatany anglisy tao Azia Atsimo hijoro ho Fanjakana Indiana io teny io.

Na izany aza, notoherina tamin'ny alalan'ny fihetsiketsehana izy io na taloha na taorian'ny fananganana ny Fanjakana, ary voamarika mihitsy ny tao amin'ny faritra izay fantatra ankehitriny hoe Tamil Nadu [34]. Niteraka fahafatesan'olona an-jatony izany, ary nitarika ho amin'ny fanapahan-kevitra tsy hanerena ny teny hindi hampianarina ny ankizy ao Tamil Nadu. Nanampy tamin'ny fampisiana ny “politikan'ny teny roa hipetraka tanteraka ara-virtoaly” izany, izay nitarika ho any amin'ny filazana ny teny anglisy sy hindi ho fiteny ofisialin'i India.