- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Telopolo Taona Taorian'ny Jadona, Manampy Amin'ny Fikarohana Ny Mari-panondroana Sy Ny Marina Ny Teatira Ao Arzantina

Sokajy: Arzantina, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Sary famantarana sy sarin'ny kaonty Facebook hetsika Teatira Mari-panondroana x “Aza mamela azy ireo ho ao anatin'ny fisalasalana “.

“Ny anarako dia … ary afaka miteny izany aho satria fantatro hoe iza aho.” Miaraka amin'ireo teny ireo, nampiseho ny fampisehoany rehetra nandritra ny 17 taona farany ny mpanakanto ao amin'ny Teatro x Identitad [1] (Ny Teatira x Mari-panondroana, na TXI raha hafohezina) .

Tamin'ny volana Jolay 2017, nanokana vanim-potoana vaovao ny TXI. Hetsika ara-javakanto avy amin'ny fikambanana Reniben'ny Plaza de Mayo [2] ny teatira, izay natomboka tamin'ny taona 2000 ary mikendry ny fanohanana ny ezaka nataony nanomboka tamin'ny taona 1977 mba “hamantatra ny toerana sy hiverenan'ireo ankizy rehetra nanjavona nandritra ny fitondrana jadona tao Arzantina farany [3] any amin'ny fianakaviany ara-dalàna . “.

Nivoatra sy niseho tamin'ny endrika maro samihafa ny fampisehoan'ny TXI tamin'ny alàlan'ny firesahana lohahevitra isankarazany, kanefa manodidina ny mari-panondroana izany rehetra izany. “Mihetsika mba tsy hanadinoana, mihetsika mba hahita ny marina” no tanjona [4]. Tombanana fa mbola misy eo amin'ny olona miisa 400 eo any Arzantina ny olona miaina ao anatin'ny mari-panondroana novaina [5]. Zanaky ny tanora mpitolona [6] izy ireo ka nisy naka an-keriny, nampijaliana ary nanjavona nandritra ny taompolo 1970 tamin'ny fitondrana miaramila jadona ireo tanora mpitolona ireo. Fianakaviana tsy mivadika amin'ny governemanta no nanangana azy ireo taty aoriana ary mbola notazomina ho tsiambaratelo ny fiavian'izy ireo.

Tao amin'ny lahatsoratra [7]vao haingana avy amin'ny gazety Página 12, nilaza ilay mpikambana ao amin'ny TXI Eugenia Levin hoe:

Entendemos que la aparición tiene que ser ya, porque las abuelas se van sin conocer a sus nietos, muchos de los cuales ahora tienen hijos, así que hay bisnietos. Ya hay dos generaciones que no conocen su identidad, no queremos que sean tres.

Fantatsika fa mila miseho haingana araka izay azo atao ireo ankizy ireo, satria ho faty ny reniben'izy ireo ary tsy hahalala ny zafikeliny, izay maro ankehitriny no efa manan-janaka, noho izany dia efa misy ihany koa ny zafiafy. Efa taranaka roa izao no tsy mahalala ny mari-panondroana azy ireo, tsy te ho vavolombelona amin'ny fahatelo izahay.

Natao tamin'ny faha-15 taonan'ny TXI ity lahatsary [8]ofisialy nivoaka tamin'ny taona 2015 ity, fankalazana izay nahitana olo-malaza maromaro  avy amin'ny sarimihetsika sy ny fahitalavitra nasionaly ao Arzantina ary nomena ny teny filamatra hoe  “Encontrate hoy” ( “Tadiavo ny momba anao amin'izao fotoana izao”)  sy ny tenirohy #notepierdaselabrazo [9] (#AzaAdinoinaNyMamihanaAzy), mba hilazana ny famihinana izay nisy teo amin'ny renibe sy ny zafikeliny, rehefa nahafantatra ny mari-panondrona azy ireo izy ireo ary nifankahita.

Nampiroborobo ny tetikasan'ny teatira mitety faritra [10] ihany koa ny TXI, izay mitondra ny fampisehoana any amin'ny vazan-tany rehetra ao amin'ny firenena, any an-tsekoly,  oniversite, teatira, fikambanana ofisialy sy fikambanana tsy miankina, kianja, foibe ara-kolontsaina sy ny fikambanana hafa izay nanasa azy ireo . Ny ho fitaovana pedagojika no tanjon'izy ireo, ho fampieritreretana sy adihevitra, mba hanampiana ny vahoaka hahatakatra ny zava-misy ara-tantara sy handrisihana ireo zafikely hafa inoana fa tsy hita hanontany, haneho ny ahiahiny sy hitady ny tena mari-panondroana azy.

Dokambarotry ny teatira mitety faritra TXI ho an'ny taona 2017. Sary nozaraina ho an'ny daholobe tao amin'ny Facebook.

Tena zava-dehibe ho an'ny mpikambana ao amin'ny hetsika ny fampisehoana tany amin'ny toeram-pianarana, satria fantatr'izy ireo fa any no toerana hisian'ny fiantraikany lehibe kokoa:

En los últimos años, los ITINERANTES han tenido una fuerte presencia en las escuelas de nivel medio y del segundo nivel de colegios primarios de todo el país. Muchas instituciones educativas han elegido enseñar una parte tan dura de la historia argentina a través del arte, entendiendo al teatro como una herramienta pedagógica esencial y efectiva. Esta creciente intervención en los colegios se relaciona con el hecho de que TXI, luego de realizar las obras, ofrece un debate donde alumnos y docentes pueden expresar todas las inquietudes y sensaciones que les dejó la puesta en escena.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nanatrika tsy tapaka ny lisea sy ny sekoly ambaratonga voalohany manerana ny firenena ny fampisehoana mitety faritra. Maro ny toeram-pianarana no nisafidy ny hampianatra momba ny  zava-tsarotra ara-tantaran'ny Arzantina tamin'ny alalan'ny zavakanto, sy niaraka tamin'ny fahatakarana fa fitaovana pedagojika mahomby manan-danja ny teatira. Ity fandraisana anjara any an-tsekoly nihamaro ity dia noho ny TXI nanome ireo mpianatra sy ny mpampianatra rehetra ny fahafahana mandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra, amin'ny fanehoana ny ahiahiny sy ny fihetseham-pony taorian'ny fampisehoana .

Ankoatra ny pejy Facebook [11] sy Twitter [12],  manana fandaharana teatira ao amin'ny onjam-peo [13] ny tetikasa izay alefa mivantana isaky ny zoma amin'ny 10 ora maraina ( 3:00 ora GMT).