- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolivia: Ny Fiovàna Endriky ny Saina

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Sary [1] nopihan'i Patricia Vargas Claudio , ary nahazoana alàlana.

Nitàna anjara toerana tamin'ireo fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny Desambra 2005 ireo mari-pamantarana nasionaly. Jorge “Tuto” Quiroga, ilay tena mpifaninana mivantana tamin'izay ho mpandresy farany, Evo Morales, dia niampanga ny mpifanandrina taminy ho nikasa hanova ny saina efa nahazatra hatrizay (mena,mavo,maitso) ho lasa iray hafa maneho ny reharehan'ireo vazimba teratany izay nanaovan'i Morales fampielezankevitra. Ny wiphala, saina maroloko feno tsipitsipika [2] fampiasan'ireo vazimba teratany, dia hita niharihary tany anatin'ny fampielezankevitra sy famoriana vahoaka nataon'ilay ho mpandresy. Nolazain'i Quiroga sy ny antokony PODEMOS fa tsy hahitàna ireo Biloviana mihevitra ny tenany ho tsy vazimba teratany ny saina tahàka izany, ary hoe ilay saina amin'izao fotoana izao misy loko teo no hany mari-pamantarana afaka hisolo tena ny maha-fifangaroan-kolontsaina maro  an'i Bolivia. Kanefa, lavin'i Morales sy ireo sisa ao anatin'ny antokony MAS ny faniriana hanova ny saina.

Nipoitra tsikelikely tany amin'ireo toerana ofisialy maro ny wiphala, toy ny teny anjoron'ireo andian-tsary powerpoint tamin'ny fanolorana nataon'ny kabinetran'ny ministera iray nandritra ny kaonferansa natrehan'ilay bilaogera Willy Andres [3]. Ny Drafitra B an'i Sebastian Molina dia nahita zavatra hafahafa [4] momba ny fangon'ny fantsom-pahitalavitra tantanan'ny fanjakàna [5]. Nesorina ilay fango (logo) misy ny telozoro mena, mavo, maitso ary nosoloina an'ilay fango misy efamira sivy mitovy amin'ny wiphala. Ny valinteny ofisialy avy amin'ny fanjakana dia hoe maneho ireo departemanta sivy ao Bolivia ilay fango misy efamira sivy, saingy ho an'i Willy Andres, mivandravandra hoe inona no mitovy amin'io. Kanefa, nisy lalàna tao amin'ny kaongresy manao ny wiphala ho marika famantarana ny fitiavan-tanindrazana, saingy misy ny fifanoheran-kevitra [4] araka ny nanamarihan'i Molina azy.

En esas contradicciones que tiene la vida política de este país, me encontré con la perlita de que efectivamente ya se había discutido en el parlamento la posibilidad de incluirla como símbolo patrio. Pero… ¿adivinen quién lo propuso? Nada más y nada menos que PODEMOS, mediante su diputado Rodrigo Paz Pereira. Obviamente el debate se quedó en propuesta nomás y no pasó a concretarse.

A ver, recapitulando… El M.A.S. introduce la whipala como símbolo “nacional” en el canal oficial. Pero no acepta que desea colocarla como símbolo patrio. ¿Qué hace entonces la whipala colgada fuera del palacio de gobierno? ¿Están siendo sinceros con la ciudadanía? PODEMOS “denuncia” que el M.A.S. quiere introducir la whipala como símbolo patrio. Anuncia una “batalla por la bolivianidad y la defensa de la tricolor”. Pero luego propone en el parlamento nacional que la whipala pase a ser símbolo patrio. ¿En qué quedamos? ¿Están siendo sinceros con la ciudadanía

Any anatin'ireo fifanoheran-kevitra eny anivon'ny fiainana politika ato amin'ity firenena ity, nahita aho fa efa voaresak'izy ireo mialoha ny mety hampidirana (ny wiphala) ho toy ny mari-pamantarana nasionaly. Saingy…tsy hainareo hoe iza no nanolotra azy io? Ny PODEMOS tsy ampiana tsy analàna, tamin'ny alàlan'ny solombavambahoakany, Rodrigo Paz Pereira. Mazava be fa mbola nijanona ho toy ny tolokevitra ilay adihevitra ary tsy mbola tafita. Hamintinana azy… mampiditra ny wiphala ho mari-pamantarana nasionaly amin'ny alàlan'ny fantsona ofisialy ny MAS, saingy tsy manaiky hanao azy io ho marika amantarana ny fitiavana tanindrazana. Avy eo, nahoana ny wiphala no ahantona eo ivelan'ny lapan'ny filohampirenena? Tena mba matotra ve ry zareo ireto manoloana ny vahoaka e? Ny PODEMOS “miampanga” ny MAS hoe te-hampiditra ny wiphala ho toy ny marika amantarana ny fitiavana taindrazana ary manambara “tolona iray ho an'ny maha-boliviana sy ho fiarovana ny saina telo loko.” Aty aoriana tao amin'ny antenimiera, mandroso hevitra ry zareo hoe tokony hatao mari-pamantarana nasionaly ny wiphala. Fa aiza no misy antsika izany e? Tena mba matotra ve ry zareo ireto manoloana ny vahoaka e?

Ny sary lazain'i Molina momba ilay wiphala mihofahofa eo ivelan'n lapan'ny filoham-pirenena dia ny bilaogera Patricia Vargas Claudio ao amin'ny Arquitecta [6]no naka azy.