- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya : Afindra Toerana Maika ny Ombimanga Lelwel Hartebeest

Sokajy: Kenyà, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihina fa tamin'ny 17 Febroary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Faran'ny taona 2008, naparitaka tamin'ny toerana efa voazara faritra, ny “Faritra D”, tao Solio Ranch, any Laikipia ireo andiam-biby mirenireny nesorina tao amin'ny Mont Kenya [1] sy tao amin'ny alan'ny Aberdare [2] 20 taona lasa izay. Kanefa ao anatin'ny Faritra D mirefy 6300 hekitara no miaina ny antilopa (ombimanga) Lelweel hartebeest miisa 480, zebra iombonana miisa 600, impalas miisa 210, gazelan'i Thomson miisa 1020, oryxs miisa 36 ary elands [3] (ombimanga afrikanina lehibe indrindra) miisa 41 .

Tao anatin'ny lahatsorany izay nivoaka tao amin'ny bilaogy vaovaon'ny fikambanana Lewa [4] ho fiarovana ny fiainambiby mirenireny (Lewa Wildlife Conservancy) dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny andiana antilopa Lelwel Hartbeest [5] izay mivelona ao Solio i Elodie Sampéré avy ao amin'ny ONG WildlifeDirect [6]:

« Il n’y a plus que 1 000 Lelweel Hartebeest au Kenya. On ne peut les trouver qu’à deux endroits : le parc national de Ruma où subsiste une douzaine d’animaux, et une population d’environ 1 000 individus dans le district de Laikipia. Il a été montré que cette population de Laikipia est génétiquement différente. Environ 75% de cette population se trouve dans le ranch de Solio »

“Tsy misy afatsy Lelweel hartebeest miisa 1000 sisa ao Kenya. Toerana roa ihany no ahitana azy ireo : ny Valan-javaboary Ruma , izay tsy ahitana afatsy biby am-polony sisa, ary ny andiam-biby tokony ho eo amin'ny 1000 eo ao amin'ny Distrikan'ny Laikipia. Voamarina fa samihafa karazana ara-pototarazo ireo andiany ao Laikipia ireo. Tokony ho 75% n'izy ireo no hita ao Solio Ranch”

Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny karazam-biby tandindonin-doza ny antilopa Hartebeest Lelweel, ary hita ao amin'ny lisitra mena [7]n'ny  Kongresy Manerantany miaro ny Natiora tamin'ny taona 2008 izany satria tsy misy afatsy 70 000 sisa amin'izao fotoana izao ireo andiam-biby ireo raha niisa 285.000 izany tamin'ny taona 1980.

Koa satria efa manomboka miorim-ponenana amin'ny Faritra D ny Olombelona dia lasa fandrahonana tsy misy fiafarany ankehitriny ny fihazana an-tsokosoko sy fihazana henam-bibidia. Ary nanapa-kevitra ny hamindra toerana ireo antilopa  tsy fahita firy izay monina ao amin'ny Faritra D iray manontolo noho izany  ny fikambanana Lewa Wildlife Conservancy [8] sy Ol Pejeta Conservancy [9], ary ny Kenya Wildlife Service [10] (asa fiarovana ny bibidia ao Kenya). Tonga ny andiam-biby voalohany ary tena maika ankehitriny ny famindrana toerana .

Amin'izao fotoana izao, antilopa miisa 245, zebra miisa 140 sy impala miisa 25 no efa nafindra toerana. Nandefa antso mba hanangonana vola nanomboka teo ny Lewa Wildlife Conservancy ary nanao ny famindrana toerana ireo sisa tamin'ny biby mpirenireny. Azonao atao ny mamaly ny antso amin'ny alalan'ny fitsidihana ny  ny bilaogy vaovao [11]n'ny fikambanana.