(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika eto ity)
Nandratra ny reharehan'ny olom-pirenena Chongqing ny tatitra momba ny lalao baolina kitra avy amin'i Zhang Xiaozhou. Nanohitra ny tatitra ireo mpianatra, solombavambahoaka, sy tonian-dahatsoratra an-gazety ary nangataka tamin'ny manampahefana mba hanasazy ilay mpitati-baovao. Naneho hevitra ilay bilaogera antsoina hoe Wen yunchao fa mora tohina ny vahoaka Chongqing (zh). Nitsikera i Zhao Mu fa matetika ireo gazety Chongqing ao an-toerana tsy miraharaha ny olana ara-tsosialy sy ara-politika kanefa tezitra amin'ny tatitra maivana (zh).