Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fanomezana Vita Amin'ny Taratasy Mivadika Ho Zavamaniry

Sainam-pirenena kely Indiana vita taratasy. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Daniel Incandela. CC BY-NC 2.0

Mety mahatsikaritra vahoaka maro manofahofa sainam-pirenena kely an-jatony na an'arivony ianao mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny hetsika samihafa. Kanefa matetika no atsipy eny rehetra eny ireo saina rehefa tapitra ny asaramanitra ka mahafeno fako ny tany.

Kanefa raha toa ka tsy lasa fako izy ireo? Ary raha toa ka ahitana voan-javamaniry ao anatin'izy ireo miaraka amin'ny fikarakarana kely fotsiny dia maniry toy ny zavamaniry? Izany no hevitra  famoronana iray avy amin'ny Indiana tia ny natiora manana mari-pahaizana bioteknolojia ara-tsiansa, ny fametrahana voan-javamaniry ao anaty fanomezana fanary .

Niala tamin'ny asany andavanandro mba hanao zavatra tsara ho an'ny tontolo iainana i Mansi Shah ary nanomboka ny fikambanana Gift Green (Fanomezana Maitso) herintaona lasa izay. Tany sy masomboly novolavolaina tamin'ny endrika ‘modaks‘, na mofomamy ho an'ny fety Ganesh no nanombohany ny famoronana. Avy eo izy dia namorona ny ambioka mifangaro rangoli, izay zavakanto vita amin'ny tanimanga ampiasaina mandritra ny fety Diwali .

Nanosika azy handroso niaraka tamin'ny hevi-baovao izany. Nilaza tamin'ny Times of India i Shah tao anatin'ny antsafa fa nanome aingam-panahy azy ny fomba amam-panao Japoney izay ahitana ambioka mifatotra eo amin'ny zoron'ny gazety mivoaka isan'andro ary omena torolàlana amin'ny fomba hambolena izany ny mpamaky . Manana milina fanontam-pirinty ny rainy  ary nanampy azy tamin'ny fanatontosana ny hevitra momba ny fametrahana ambioka tao anatin'ny taratasy izany.

Tsy ela dia namoaka entana maro vita amin'ny taratasy ny fikambanany toy ny karatra, maripejy, fanasana mariazy, diary, gazety sy ny fametrahana vera nositrihana voan-javamaniry isankarazany .

Miaraka amin'ny toromarika momba ny fomba hambolena ny fanomezana ireo rehetra ireo. Mitovy amin'ny lokon'ny voan-javamaniry ao anatiny ny lokon'ny taratasy ; ohatra, mena amin'ny voatabia ary maitso amin'ny ‘basilic’.

Nidera ity hevitra ity ho hetsika tsara hiarovana ny tontolo iainana ny olona. Nanoratra tao amin'ny lahatsoratra Facebook i Rajashree Kuttisankaran‎:

Just when I thought there couldn't be a perfect gift, Gift Green came along. I hate to gift a bouquet of flowers that'll die soon, or a showpiece that is forgotten in a week. On the other hand, a plant will grow and with good care, be around forever.

Vao nieritreritra aho fa tsy tsy misy mihitsy ny fanomezana tonga lafatra, no tonga ny Gift Green. Tsy tiako ny manome fanomezana fehezam-boninkazo izay halazo tsy ho ela, na ny zavatra lafo vidy izay mety hadinoina ao anatin'ny herinandro. Amin'ny lafiny iray, tsy ho faty mandrakizay ary hitombo ny zavamaniry voakarakara tsara.

Nanome soso-kevitra i Debjyoti Bhattacharyya fa afaka manamaro ny hevitr'i Shah ny hafa :

আচ্ছা, বইমেলায় মেলাপ্রাঙ্গণ যারা কাগজের টুকরোয় ছেয়ে দেন, তাঁরা এটা ভাবতে পারেন না?
আচ্ছা আনন্দ, পত্রভারতী, দেবসাহিত্য কুটির, দেজ, মিত্র ও ঘোষ, আপনারা যে প্যাকেটে বই দেন, তা তো দু মিনিট বাদের সবাই ছিঁড়ে ফেলে দেয়! ওর একধারে মানসীর মত কয়েকটা প্রায় অদৃশ্য বীজ আটকে দিলে খুব সমস্যা হবে কি? ভাবুন তো, সে প্যাকেটটা রাস্তার ধারে কোন আস্তাকুঁড়েতে গাছ হয়ে যাচ্ছে।

Ireo mandravaka ny tsenan'ny boky amin'ny haingon-taratasy, moa tsy afaka maka tahaka izao hevitra izao ve izy ireo? Ireo mpamoaka boky aman-taratasy hafa toa an'i Ananda, Potrvarati, Dev Sahitya Kutir, ny Dey, Mitra sy Ghosh izay mivarotra boky ao anaty fonosana taratasy manify ary atsipy eny an-dalambe, na any anaty fitoeram-pako. Moa ve sarotra ny mametraka voan-javamaniry vitsy ao anatin'ireo fonosana ireo ? Saino ange izany, hitombo ho zavamaniry ny fonosana izay ho atsipy eny amin'ny zoron-dalana, na any anaty fanariam-pako.

My new friend. 🤗 Thank you @giftgreenindia #NewFriend #AloeVera #Plant #GiftGreenIndia

A post shared by shivangi joshi (@shivangijoshi) on

Mandrisika ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fanentanana ihany koa ny fikambanan'i Shah  toy ny atrikasa fikarakarana ny zezika sy ny zaridaina. Vonona ny hanolotra vokatra natao manokana mba hiarovana kokoa ny  tontolo iainana izy ireo izay hampandroso hatrany ny tanjon'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.