- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jamaika: Veloma Farany Ho An'Ilay “Mpitondra Mahafinaritra”

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fahasalamàna, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mozika, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 25 Oktobra 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nodimandry (androany maraina) [1] tao an-tranony tany Londres ilay mpihira reggae malaza Jamaikana Gregory Isaacs [2] , fanta-daza amin'ny anarana hoe ilay “Mpitondra Mahafinaritra” rehefa niady tamin'ny homamiadana efa hatry ny ela. Inoana fa ny hirany “Night Nurse” ( Mpanampy  mpitsabo amin'ny alina) izay rakikira tamin'ny taona 1982 [3] no tena nampalaza indrindra an'i Isaacs noho ny feony iray amin'ireo mampientam-panahy indrindra amin'ny mozika reggae. Nihetsika ny tontolon'ny bilaogy [4] Jamaikana rehefa nandre ny vaovao fahafatesany [5], tahaka ny tao amin'ny habaky ny media sosialy toy ny Twitter [6] sy Facebook [7] , niaraka tamin'ireo mpankafy nanome voninahitra ny fiainany sy ny mozikany.

Gregory Isaacs mihira ny Night Nurse; lahatsary tao amin'ny YouTube [8].

Nandefa ity fanavaozam-baovao ity ny satan'ny Facebook ao amin'ny On the Ground News Reports, izay nadika tao amin'ny kaonty Twitter [9]-n'ny vondrona :

Confirmed: News of the death of the legendary Reggae artiste Gregory Isaacs has seen him become the top trending topic on Twitter with almost 20 tweets per minute being posted of him. [10]

Voamarina: ny vaovao fahafatesan'ny mpanakanto Reggae  malaza Gregory Isaacs ary nahitana azy lasa lohahevitra malaza lohalaharana tao amin'ny Twitter ahitana sioka miisa 20 isa-minitra izay nalefa momba azy. [10]

Azo jerena eo ambanin'ny tenirohy #Isaacs [11]#RIP Gregory [12]#Night Nurse [13] sy #RIP (Mandria am-piadanana) Gregory Isaacs ireo sioka momba ilay mpiangaly mozika nodimandry.

Niantso an'i Isaacs hoe ” ilay tena olo-malaza Jamaikana ” ny YardFlex.com [14] raha nanao hoe:

He has done a lot in waving the reggae flag. We wish his family, friends and fans the strength to go through this difficult time.

Nahavita be tamin'ny fanofahofana ny sainam-pirenenan'ny reggae izy. Mankahery ny fianakaviany, ny namany sy ny mpankafy azy izahay amin'izao fotoan-tsarotra andalovany izao.

Nanamarika ny Antilles [15], bilaogy ao amin'ny The Caribbean Review of Books fa:

Isaacs was once described [16] as “the most exquisite vocalist in reggae, his pliable baritone equally at ease with silken ballads and slinky dance grooves.”

Indray mandeha [16] i Isaacs dia efa nofariparitana [16] ho “mpihira tsara feo indrindra amin'ny  reggae, mivoaka tsara ihany koa ny feony miaraka amin'ny kalokalo malefaka sy ny dihy mirindra.”

Sarotra ho an'ny The Wickedest Time [17] ny hanao veloma azy:

It's so sad for me to announce that another reggae icon has left us this morning at the age of 59. It's always a sad day when you lose greatness and we, his fans, feel it too.

Reggae music lost another legend. Rest Peacefully Gregory Isaacs, we love you!

Tena mampalahelo ahy ny hanambara fa nandao antsika ny mpiangaly reggae malaza hafa (io maraina io) teo amin'ny faha 59 taonany . Tena andro mampalahelo hatrany rehefa very andrarezina ianao ary izahay, mpankafy, mahatsapa izany ihany koa.

Very olo-malaza indray ny mozika reggae . Mandria am-piadanana Gregory Isaacs, tianay ianao!

Ny hajiantsary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity,  “Gregory Isaacs May 2008″ [18] , dia avy amin'i Tach_RedGold & Green, nampiasaina tamin'ny lisansa Creative Commons Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic [19] . Tsidiho ny sary ao amin'ny flickr [20] Tach_RedGold&Green [20]. .