- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fahatakarana Ao Anatin'ny Vazivazy Ny Adin'i Pôrtô Rikô Amin'i Washington

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Etazonia, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Screenshot taken from video. [1]

Pikantsary nalaina tao amin'ilay lahatsary [1].

Nibahan-toerana ireo lohateny lehibe miiba nivezivezy tao amin'ny media sosialy nandritra ny fotoana raha saika nifantoka tanteraka tamin'ny olan'ny hetra sy ny olana ara-toekarena [2]  ny vaovao rehetra momba an'i Pôrtô Rikô tao amin'ny fampitam-baovao mahazatra .

Tamin'ny fotoana toy izany indrindra [3] àry no niseho ny vazivazy ary nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fanampiana ny tian'ny vaovao hambara, na ny marimarina kokoa, ny fomba matetika nandrafetana ny vaovao.

Namorona lahatsary [4]iray ny Juice Media [5], pejy Facebook iray izay natokana ho an'ny vazivazy, momba ny zavatra inoany ho fototra nahatonga ny fahoriana sy ny fatiantoka maro nahazo an'i Pôrtô Rikô dia ny fanjanahantanin'i Etazonia [6] izany.

Rehefa nozaraina betsaka tao amin'ny Facebook izany dia nandrisika ilay mpamorona azy mba hamokatra ny lahatsary taorian'ny fahombiazan'ny lahatsary mitovy amin'izany izay momba an'i Hawai'i [7] tao amin'ny andian-tantara “Ny Dokambarotry ny Governemanta Marina.”

Mamintina ara-tantara ny fomba sasany nanararaotan'ny governemanta Amerikana an'i Pôrtô Rikô ilay lahatsary, miainga amin'ny fampiasana azy ho toerana fanandramana baomba nandritra ny taona maro [8], hatramin'ny nanaovana fanabeazana aizana [9] ireo vehivavy mihoatra ny ampahatelon'ny Pôrtô Rikana tsy nila ny fahaizany na ny fankatoavan'izy ireo [10] tany amin'ny tapaky ny taonjato faharoapolo.

Hoy ilay mpanolotra mitsikitsiky ao amin'ny lahatsary raha nanomboka izany:

Fortunately, however, few know about the real Puerto Rico, a Territory of the United States since 1898 when we seized it from the Spanish […] who in turn stole it from the Taino […] Which makes Puerto Ricans US citizens—well second-class citizens… [because] despite fighting in every one of our wars they still can’t vote for President and have no representation in Congress. In other words, US citizens who have f*-all say in the laws the US Government makes for them…

Soa ihany fa na izany aza dia vitsy ny nahalala ny tena momba an'i Pôrtô Rikô, izay Faritra an'i Etazonia nanomboka tamin'ny taona 1898 rehefa nahazo izany avy amin'ny Espaniola isika […] izay nangalatra azy kosa avy amin'ny Taino […] ka nahatonga ny Pôrtô Rikana ho olom-pirenena Amerikana – olom-pirenena kilasy faharoa … [satria] na dia teo aza ny adin'ny tsirairay tao anatin'ireo adintsika dia mbola tsy afaka nifidy Filoha sy tsy nanana solontena tao amin'ny Kongresy izy ireo. Raha azavaina bebe kokoa, ireo dia olom-pirenena Amerikana nilaza tao amin'ny lalàna fa ny Governemanta Amerikana no manasoa azy ireo …

Azo jerena manontolo eto ambany ny lahatsary :