Myanmar: May Ny Tsena YadanarPon ao Mandalay

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika eto ity)

Tamin'ity herinandro ity, raha marobe ireo bilaogera  mitrandraka sy miandry handray anjara na tsia amin'ny fifaninanan-tsary. Ny hafa kosa nanararaotra nampiseho ny sarin'izy ireo mivantana tamin'ny Fahamaizan'ny Tsena YadanarPon ao Mandalay.

Yadanarpon market is located on the coner of 32st and 78 St and famous Manadlay MICT park (computer city) , Skywalk shopping complex, Orange Super Market, relax Snookers and restaurant and thousands of shops are located in that market. Yandanarpon is the second biggest market after Zaycho market and was opend in 2000 and contributes significantly. [#]

Ao amin'ny zoron'ny lalana 32 sy 78 sy ny zaridaina malaza Manadlay MICT (tanàndehiben'ny solosaina), toeram-pivarotana lehibe mandeha an'habakabaka, Tsena Orange Super, toeram-pilalaovana Snookers sy ny toeram-pisakafoanana no misy ny tsena Yadanarpon ary tsena an'arivony no hita ao amin'izany tsena izany. Yandanarpon no tsena faharoa lehibe indrindra aorian'i Zaycho ary nisokatra tamin'ny taona 2000 sy nivoatra be. [#]

YadanarPon Market Fire2

 

YadanarPon Market Fire3

Sary tao amin'ny bilaogy Aung Chan Lin.

Nibilaogy momba ny herin'ny afo sy ny mpamonjy voina miraviravy tanana i komoethee.

The fire continue to burn until now (8:00 AM – 9:55 AM) as thousands of people and shop owners watch hopelessly. The market was just opened when the fire broke out at 8:00 AM and blamed for wire shocks and fire fighters were afraid to go inside due to smokes and watch from outside.

Mbola miredareda ny afo hatramin'izao (8:00 hariva – 9:55 hariva) ary mijery am-pahakiviana ireo olona an'arivony sy ny tompon'ireo toeram-pivarotana. Vao nisokatra mihitsy ny tsena no nipoitra ny afo tamin'ny 8:00 maraina ary nilaza fa avy amin'ny herinaratra izany, natahotra ireo mpamono afo hiditra ao anatiny noho ny setroka ka lasa mitazana fotsiny ety ivelany.

Kaungkinko nandefa lahatsary misy ny afo tao amin'ny tsena Yadanarbon, Mandalay.

YadanarPon Market Fire

YadanarPon Market Fire4

Sary tao amin'ny bilaogy Aung Chan Lin.

Niahiahy ireo mpitazana ny amin'ny tsy fisian'ny fepetra ara-piarovana ao amin'ny tsena lehibe tahaka izany ary nisalasala fa tsy misy ny fandrindrana voalamina raha sendra misy fahamaizana.

Araka ny tatitra tsy ofisialy, voalaza fa olona roa no namoy ny ainy nandritra ny fahamaizana.

“At least 2 people die and I think there will be more because the escape route in Yadanabon Market is insufficient and people tried to run using the stair ways which are very narrow as you know. So, I am guessing the number of the dead could be more and many will suffer from the fire burn,” she continued.

Some people jumped off from the building and some were stepped by other people while they were running, she added.

“Raha kely indrindra dia 2 no maty ary mihevitra aho fa  betsaka kokoa izany satria tsy ampy ny lalana fivoahana ary niezaka nihazakazaka nampiasa ny tohatra tery kely ny olona. Noho izany, mihevitra aho fa mety betsaka ny isan'ny maty ary maro ireo hijaly noho ny afo “hoy izy nanohy.

Nitsambikina avy eny amin'ny tranobe ny olona sasany, ny hafa voahitsaky ny olon-kafa teny am-pihazakazahana, hoy koa izy

Nanangona ireo vaovao momba ny fahamaizan'ny Mandalay ny bilaogy Reaper ary nitatitra koa fa nisy fahamaizana tao Yangon.

In Myanmar's main city Yangon, a fire erupted at a tea shop in the Hlaingthayar industrial area early Monday and spread through the surrounding neighbourhood.

Firefighters spent more than two hours putting out the blaze, which destroyed 200 homes, many of them small shacks, authorities said.

Tao an-tanàndehiben'i Myanmar, Yangon, nipoaka ny afo tao amin'ny fivarotana dite ao amin'ny faritra indostrialy Hlaingthayar tamin'ny Alatsinainy maraina ary niely manerana ny faritra manodidina.

Adiny roa ireo mpamonjy voina vao afaka namono ny afo, izay nandrava trano 200, maro amin'izy ireo no trano kely, hoy ny manam-pahefana.

Nilaza ny Mizzima News fa “olona efa ho 3.000 ao amin'ny faritra manodidina an'i Rangoon, Hlaing Tharyar no tsy manan-kialofana taorian'ny fahamaizana…vehivavy ny 1.260 ary lehilahy ny 1.709 avy amin'ny trano miisa 768 izay natelin'ny afo”.

Nalahelo noho ny afo tao Yangon sy Mandalay ny olona ary nandefa fiarahamiory tamin'ny alalan'ny lahatsoratra bilaogy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.