- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodàna: Tsipaho Izay Rehetra Danoà

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Mediam-bahoaka

(Marihana fa lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika eto ity)

“Adala tanteraka”, hoy ilay Mpihevitra Sodaney [1]rehefa nandidy ny vahoaka ny filoha Sodaney mba hitsipaka izay rehetra entana Danoà: “Eny, andeha jerena. Voalohany indrindra, manonta sarimiaina marobe mampiseho ny Mpaminany ny gazety Danoà (izay tsy zava-baovao). Ny zavatra manaraka fantatsika dia, tezitra ny Islamista, ka mampanontany anao raha midera an'Andriamanitra sa ny Mpaminany izy ireo. Mandroso herintaona mahery taty aoriana, tratra tao Danemarka mitetika hamono ilay mpanao sariitatra ireo Miozolamana voanjo sasany, ny setriny tamin'izany dia fananganana fanondroadala an'ohatra amin'ny endrika fanontàna sariitatra.”