Iran: Bilaogera Islamista Mihoby An'i Imad Mughniyeh

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika eto ity)

Naneho ny fiarahamiorin'izy ireo tamin'ny filohan'ny  Hezbullah,  Hassan Nasrallah ny mpitarika Iraniana, anisan'izany ny mpitarika faratampony, taorian'ny famonoana an'i Imad Mughniyeh, iray amin'ireo mpifehy ambony ny vondrona mpitolona, mihoby azy ho “lehilahy mahafinaritra”.

Nisongadina tamin'ny lisitra Oktobra 2001 navoakan'ny filoha Bush, ahitana ireo mpampihorohoro 22 nokarohina indrindra i Mughniyeh, ary tao anatin'ny lisitry ny FBI izay anisan'ny tadiavina indrindra ihany koa izy. Voalaza fa tao ambadiky ny fidarohana baomba ny toby an-dranomasina Amerikana tamin'ny taona 1983 tao Beirota izy, izay namoizana tafika an-dranomasina miisa 241.

Nizara ny hevitr'izy ireo momba an'i Mughniyeh na “Haj [Hajji] Rezvan” araka ny fiantso azy ireo bilaogera Islamista ao Iran. Namoaka sary vitsy dia vitsy misy azy ihany koa izy ireo.

Haj Rezvan
Haj Rezvan
Imad Mughniyeh nivoaka ny fiaramanidina ary natao antsafa.

Bilaogera Iraniana, Mersad nilaza hoe:

I was in the street when I received an SMS telling me that Mughnieh had been assassinated. I froze in the middle of street. Emad Mughnieh was also called Haj Rezavan. I forwarded the SMS to my friends and 90 per cent asked me who he was. He was a super Mujahed of the Islamic world. This [assassination] was the end of one of Ruhollha's [Ayatollah Khomeini, the Islamic Republic's founder] children. It would have been a pity if his life ended any other way.

Teny an-dalana aho raha nahazo hafatra nilaza tamiko fa nisy namono i Mughnieh. Nangovitra teny afovoan'ny arabe aho. Antsoina koa hoe Haj Rezavan i Emad Mughnieh. Nalefako tany amin'ireo namako indray ilay somaiso ary nanontany ahy ny 90 isan-jaton'izy ireo hoe iza izy. Mujahed Mahery ao amin'ny tontolo Silamo izy. Izany [famonoana]  izany no fiafaran'i ‘i Ruhollha, iray amin'ireo zanaky ny [Ayatollah Khomeini, mpanorina ny Repoblika Islamika]. Tena mampalahelo raha vita hatreo ny fiainany.

Nilaza  koa ilay bilaogera fa nandritra ny taom-polo, tsy nisahana ny hetsika Hezbollah intsony izy.

Davod Abadi namoaka [Fa] vaovao sasany momba ny fiainan'i Mughniyeh. Hoy izy nanoratra:

Mughniyeh or Haj Rezvan’s talent has had a lot of impact on Hezbollah’s ability to hit the occupying regime of Jerusalem.

Nisy fiaintrakany betsaka teo amin'ny fahafahan'ny Hezbollah hamely ny fitondrana mifehy an'i Jerosalema ny talentan'i Mughniyeh na Haj Rezvan.

Nilaza ilay bilaogera fa teti-dratsy teo amin'ny tandrefana sy ny sampam-pitsikilovana Sionista mba hamono an'i Mughniyeh izany, izay hitarika an'i Libanona amin'ny ady vaovao no tanjona.

Nilaza koa ilay bilaogera fa : “mampiseho ny tahotry ny fanjakana mpampihorohoro amin'izay rehetra te hanohitra ny fanomezana valisoa 25 tapitrisa dolara amin'ny famonoana na fisamborana an'i Mughnieh.” (Raha ny marina, dia 5 tapitrisa dolara ilay valisoa).

Tao amin'ny tranonkalan'i Sajed, mahita isika fa hivoaka tsy ho ela ao Iran ny hajia manome voninahitra an'i Haj Rezvan. Nilaza ny “Fikambanana Ara-kolontsiana ho an'ny Fiarovana Masina ny Khormshahr” fa havoaka amin'ny andian-dahatsoratra mampiseho ny fiarovana ny Khormshah sy ny fanoheran'i Libanona Atsimo izany hajia izany. Ho an'ny Iraniana maro, Khoramshahr dia mariky ny fifaharana nandritra ny ady tao Iraka sy Iran.

Nilaza i Bachehayeh ghalam (midika hoe “zanaky ny penina”) fa nahatakatra ny hafatra avy amin'ny Shi'ism i Mughniyeh ary nanohitra ny tsy rariny sy ny fampijaliana.

Nilaza ny Fikambanan'ny Bilaogera Miozolomana fa noho ny ràn'i Mughniyeh, an'arivony toa azy ankehitriny no vonona hiady amin'ireo mpampahory ary ho maritiora. Efa namorona famantarana ho an'i Mughniyeh izy ireo izay miarahaba azy amin'ny maha-maritiora.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.