- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namoaka Didy Fanampenam-bava Ny Fitsarana Ao Papouasie-Nouvelle-Guinée Mba Hanenjehana Ilay Bilaogera Mpitsikera Ny Vaomieran'ny Fifidianana

Sokajy: Oseania, Papua Nouvelle Guinee, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Foibem-pifidianana ao Papouasie Nouvelle Guinée. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny Commonwealth Secretariat (CC BY-NC 2.0)

Namoaka didy fanampenam-bava [2] manenjika an'i Martyn Namorong ny fitsarana ao Papouasie-Nouvelle-Guinée, bilaogera fanta-daza ara-politika sady mpikatroka voampanga tamin'ny fanalam-baraka an'i Patilias Gamato, ilay Mpiantsoroka ny Fifidianana ao amin'ny firenena.

Vao haingana i Gamato no nitory [3] an'i Namorong taorian'ny nampitahan'i Namorong azy tamin'ny ‘voankazo’ (voatabia) tao amin'ny media sosialy. Nandefa ity sary ity tao amin'ny Twitter i Namorong rehefa nahafantatra momba ny didim-pitsarana :

Tompoko
Mandefa sioka momba ity sary ity isan'andro aho mandra-pahatongan'ny fotoana ahafahako misioka an-kahalalahana satria aho nosakanan'ny fitsarana.

Nilaza ihany koa izy fa mila mpisolovava:

Vao reko fa ho entina eo anatrehan'ny fitsarana aho.

Mila mpisolovava maimaim-poana aho

Talohan'ny didy fanampenam-bava, nanoratra fanakianana momba ny anjara asan'i Gamato i Namorong mikasika ny fanaraha-mason'ny fifidianana farany natao tamin'ny 24 Jona ka hatramin'ny 8 Jolay 2017.

Kanefa tsy i Namorong ihany no mpitsikera an'i Gamato. Nilaza ny tati-baovao fa nisy ny fitarainana momba ny voalaza fa tsy fanarahan-dalàna tao amin'ny fifidianana vao haingana toy ny tsy fitovizan'ny [12] lisitry ny mpifidy, ny tsy fahampian'ny fanohanana ho an'ny mpiasan'ny biraom-pifidianana, ary ny tsy fahatomombanan'ny fanisam-bato.

Na dia ny mpikambana ao amin'ny  Komity Mpanolontsainan'ny Fifidianana ao Papouasie-Nouvelle-Guinée aza dia nametram-pialana [13] noho ny tsy fahombiazan'ny Vaomieran'ny Fifidianana tamin'ny famahana ny olan'ny tsy fitovian'ny lisitra.

Mihevitra ny Praiminisitra teo aloha Atoa Mekere Morauta fa efa ‘fanairana mafy sy mazava tamin'ny fanodikodinana ny fifidianana ‘ ny fametraham-pialan'ny Komity Mpanolontsainan'ny fifidianana , ary nitaky [14]ny fametraham-pialan'i Gamato izy ireo:

All honest and concerned Papua New Guineans value their decision, but lament the causes of it. It is a very sad day for Papua New Guinea, and sends shivers of fright about the future of democracy in our country. The utter chaos of this election is deliberately organized. It is rigged.

Ny Papua eto Nouvelle New Guinée rehetra izay manao ny marina sy voakasik'izany dia manome lanja ny fanapahan-kevitr'izy ireo, kanefa manameloka ny anton'izany. Tena andro mampalahelo ho an'i Papouasie-Nouvelle-Guinée izany, ary mampangorivitsika ny amin'ny hoavin'ny demaokrasia eto amin'ny firenentsika. Niniana natao tanteraka ny korontana tamin'ity fifidianana ity . Hosoka no nitranga.

Niaro [15]an'i Namorong ihany koa i Morauta ary niampanga an'i Gamato ho mora tohina. Nanoro hevitra ny manampahefanan'ny fifidianana izy mba hifantoka amin'ny olana lehibe kokoa toy ny famahana ny olana amin'ny rafi-pifidianana.

Kanefa nanitrikitrika [16]i Gamato fa “mizotra tsara ” ny dingan'ny fifidianana [17] na dia teo aza ny “zava-nitranga vitsivitsy”.

So far the election is progressing well despite a few incidents reported in some parts of the country. I am confident to deliver this election successfully.

Hatramin'izao, mizotra tsara ny fifidianana na dia teo aza ny zava-nitranga vitsivitsy izay notaterina tany amin'ny faritra sasany tao amin'ny firenena. Matoky aho fa ho vita soa aman-tsara ny fifidianana .

Tokony ho tanterahina amin'ny 23 na 24 Jolay ny fanisam-bato. Hotontosaina amin'ny 25 Jolay ny fotoam-pitsarana an'i Namorong manaraka .

Tsy mazava ny antony hoe nahoana i Gamato no nisafidy irery an'i Namorong tamin'ny fitoriana ny raharaha fanalam-baraka. Na inona na inona anefa fikasany dia manasongadina ny tsy fahatomombanana maro misy eo amin'ny rafi-pifidianana ny raharaha .

Nivoady i Namorong fa hanohy ny famoahana ny sarin'ny tenany notampenam-bava ao amin'ny media sosialy izy raha toa ka mbola manan-kery ny didy fanampenam-bava .