- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jamaika : Mitondra Otrikaretina VIH Aho

Sokajy: Karaiba, Haiti, Jamaika, Trinite sy Tobago, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

iamhivFantatra na aiza na aiza [1], ao Karaiba sy any an-toerana hafa, fa ny tahotra ny henatra sy ny fanilikilihana no isan'ny singa lehibe manakana ireo olona tratry ny aretina VIH/SIDA tsy hitady fikarakaràna na hanaiky imasom-bahoaka ny maha-olona voan'ny VIH azy ireo.

Kanefa, ho an'ity ramatoa ity, nopihana sary teny an-dalambe tao Kingston, Jamaique [2]an'i Ria Bacon, mpampiasa ny blogger [3]sy ny Flickr [4], tsy dia olana loatra ny henatra ny fiarahamonina. Araka izay soratan'i Bacon ao amin'ny bilaoginy [5]:

“Rehefa nangataka taminy aho ho afaka maka sary azy, dia sosokevitra nomeko azy ny tsy hampisehoana ny sarin'ny endriny. ” Tsia r'ingahy,” hoy ny navaliny. “Angamba mba hisy olona haka lesona avy amin'ny hadisoako.”

Rehefa nasehoko azy ny sary, nitsiky tamin'alahelo izy: “Oyyyy, ratsy endrika be!”

Toerana faharoa monja manaraka ny faritr'i Afrika any atsimon'i Shara no misy an'i Karaiba, raha resaka taham-pitondràna ny otrikaretina VIH/SIDA. Ny faran'ny 2005 novinavinaina [6] ho 25.000 eo ireo olona ao Jamaika – na 1.5% amin'ny vahoakany eo anelanelan'ny 15 sy 49 taona- no miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH/SIDA. Haiti [7]Bahamas [8] ary Trinidad sy Tobago [9] no faritra ao Karaiba manana ny isa tena avo indrindra amin'ny fitondràna ny otrikaretina VIH/SIDA [6].

Georgia Popplewell