Jamaika : Mitondra Otrikaretina VIH Aho

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

iamhivFantatra na aiza na aiza, ao Karaiba sy any an-toerana hafa, fa ny tahotra ny henatra sy ny fanilikilihana no isan'ny singa lehibe manakana ireo olona tratry ny aretina VIH/SIDA tsy hitady fikarakaràna na hanaiky imasom-bahoaka ny maha-olona voan'ny VIH azy ireo.

Kanefa, ho an'ity ramatoa ity, nopihana sary teny an-dalambe tao Kingston, Jamaique an'i Ria Bacon, mpampiasa ny blogger sy ny Flickr, tsy dia olana loatra ny henatra ny fiarahamonina. Araka izay soratan'i Bacon ao amin'ny bilaoginy:

“Rehefa nangataka taminy aho ho afaka maka sary azy, dia sosokevitra nomeko azy ny tsy hampisehoana ny sarin'ny endriny. ” Tsia r'ingahy,” hoy ny navaliny. “Angamba mba hisy olona haka lesona avy amin'ny hadisoako.”

Rehefa nasehoko azy ny sary, nitsiky tamin'alahelo izy: “Oyyyy, ratsy endrika be!”

Toerana faharoa monja manaraka ny faritr'i Afrika any atsimon'i Shara no misy an'i Karaiba, raha resaka taham-pitondràna ny otrikaretina VIH/SIDA. Ny faran'ny 2005 novinavinaina ho 25.000 eo ireo olona ao Jamaika – na 1.5% amin'ny vahoakany eo anelanelan'ny 15 sy 49 taona- no miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH/SIDA. HaitiBahamas ary Trinidad sy Tobago no faritra ao Karaiba manana ny isa tena avo indrindra amin'ny fitondràna ny otrikaretina VIH/SIDA.

Georgia Popplewell

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.