Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Brezila: Ny Sarin'ny Ririnina Narahina Orambe Mivatravatra

(Marihina fa tamin'ny 12 Septambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tamin'ny herinandro lasa, nandalovan'ny tafio-drivotra mafy ny fanjakana Breziliana maro. Olona miisa fito no maty tany amin'ny fanjakana Santa Catarina sy Rio Grande do Sul, any amin'ny faritra atsimon'i Brezila, raha efatra kosa no maty tao amin'ireo tranobongo tao Sao Paulo, izay nahitana atsanga tamin'ny Talata lasa teo. Olona an'arivony no tsy manan-kialofana ao amin'ny firenena.  Nalaina tamin'ny faritra samihafa tao amin'ny firenena ny sary eto ambany ary nozaraina teo ambanin'ny Lisansa Creative Commons tao amin'ny sehatry ny sary Flickr.

Ny 8 Septambra , tamin'ny 10:30 maraina, nilatsaka tao São Paulo ny 70% -n'ny orana tokony ho an'ny iray volana, araka ny tatitra avy amin'ny mpisera Flickr, gd365. Hita fa izany no ririnina betsaka ranonorana indrindra hatramin'ny taona 1943. Ny fitohanan'ny fiara, ny fahatapahan'ny antso an-telefaonina sy ny herinaratra tany amin'ny faritra sasany manodidina ny tanàndehibe ao Amerika Latina no vokatr'izany.

Photo by gd365Sary avy amin'ny gd365

Ny harivan'iny, tany amin'ny faritry ny tanàndehibe hafa , nilaza ny zava-nisy izay natrehan'ny masony ho “Apokalypsa” ny mpisera Flickr, ManoelNetto.

Photo by Flicker user ManoelNettoSary avy amin'i ManoelNetto mpisera Flicker

(15h55) Dá um saque no final dos tempos. Essa foto foi tirada por volta de 15h, da janela do 9o andar da Abril (Marginal Pinheiros).

(3:55 hariva) Izao no andro farany.  Nalaina avy eny am-baravarankelin'ny rihana faha-9 tao amin'ny birao [famoaham-boky] Abril (ao Marginal Pinheiros) tamin'ny 3 ora hariva ity sary ity .
Photo by alémdoquesevê_2
Sary avy amin'ny  alémdoquesevê_2

Veja que delícia, dia começou com céu preto com sol…

Faculdade teve apagão (o negocio da luz explodiu bem na minha frente) e alagou, a rua alagou, o metro alagou, minha calça molhou (mesmo tendo guarda-chuva,que ficou levemente destruido), e bem na hora que tenho que sair de novo o dia virou noite de novo e sem condiçoes de eu ir pra rua, ah e agora a luz daqui ta ameaçando acabar e eu cheia de coisas pra fazer no computador…ê dia bom

Jereo ny hatsaran'ny andro androany, lanitra maizina tsy misy masoandro no nanomboka izany … Nisy ny fahatapahan'ny herinaratra tany amin'ny oniversite (nipoaka teo alohako ny jiro ) sy ny tondra-drano, tondraky ny rano ny lalana sy ny metro. Kotsa ny patalohako (na dia teo aza ny elo, izay simba tanteraka) ary tamin'ny fotoana izay tsy maintsy nivoahako indray, nirotsaka tamin'ny andro ny alina, ary tsy afaka nivoaka aho, ha,  ary mandrahona ny ho tapaka ny herinaratra amin'izao fotoana kanefa mbola manana zavatra maro hatao amin'ny solosaina aho … nahafinaritra ny andro.

Tamin'ny 11 ora maraina, tamin'ny 9 Septambra, tena maizina ny lanitra toy ny hoe misasak'alina ao Sao Paulo, araka  ny asehon'ilay mpisera Flicker, erika.tricroche. Toerana eo ho eo amin'ny 30 isa eo, manodidina an'i São Paulo no tao anatin'ny oram-be, izay  nahatonga ihany koa ny fifamoivoizana nihitsoka tanteraka, raha ho tokony ho be fifamoivoizana izany .

The luminous sign reads: slow traffic. Photo by erika.tricroche.Ny famantaran-dalana mirehitra: Mandehana mora. Sary avy amin'i erika.tricroche.

Na minha volta pra São Paulo na terça-feira, em pleno Castelo Branco chegando em Barueri, antes de todo caos que a chuva causou: Muito transito + alagamento + destruição + soterramento = caos total!!!!
Ainda bem que ainda era de manhã e cheguei sã e salva!!!!!

Raha niverina tany Sao Paulo aho, ny Talata, teny an-dalamben'ny Castelo Branco, akaikin'ny [tanàndehiben'ny] Barueri, talohan'ny korontana rehetra nateraky ny orana dia mbola betsaka ny fifamoivoizana + tondra-drano + loza + fahasimbana + fihotsahan'ny tany = korontana tanteraka!!
Soa ihany fa mbola maraina ny andro, ary tonga soa aman-tsara tany an-trano aho !!!!!

Avenida Paulista, the largest avenue in São Paulo. Photo by Gustavo Minas.Avenida Paulista, ny làlana lehibe indrindra ao São Paulo, 3 Septambra. Sary avy amin'i Gustavo Minas.

Photo by Robvini11 Septambra , Tenente Portela, ao amin'ny fanjakan'i Rio Grande do Sul, any Atsimon'i Brezila. Sary avy amin'ny mpisera  Flicker Robvini.

September 11, Tenente Portela, state of Rio Grande do Sul. Photo by Flicker user Robvini.

11 Septambra , Tenente Portela, ao amin'ny fanjakan'i Rio Grande do Sul, any Atsimon'i Brezila. Sary avy amin'ny  mpisera   Flicker  Robvini.

Unknown city on 8 of September, photo by Flickr user rodrigojunk Tanàndehibe tsy fantatra, tamin'ny 8 Septambra, sary avy amin'ny mpisera Flickr, rodrigojunk

Sary nalaina taorian'ny ranonorana tao amin'ny fanjakan'i Acre, any avaratra-andrefana, 8 Septambra:

Photo by Agência de Notícias do AcreSarin'i Sérgio Vale/Secom

Chuva na mata traz novos cheiros, novas vidas, novas cores e um pequeno arco-íris se forma colorindo o entardecer

Nitondra fofona vaovao, fiainana vaovao , loko vaovao ny orana teny ambony hazo ary nipoitra ny avana kely mba hanazavana ny hariva.

Voakasiky ny orana ihany koa i Arzantina sy Paragoay, izay nofaritan'ny fampitam-baovao tao an-toerana ho toy ny “tornade” (rambondanitra) hafahafa. Nahatratra ny mponina mihoatra ny 70.000 tao anatin'ny tanàndehibe miisa 45 ny orana sy ny rivotra manerana an'i Brezila. Nilaza ny Ivontoerana Nasionaly Famantarana ny Toetrandro ao Brezila (Inmet) fa mety hisy ny orana mandritra ny faran'ny herinandro  any amin'ny faritra rehetra ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.