Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fanoherana Ny Fampijaliana Any Am-ponja: Nitokona Tsy Hanendry Hanina Iray Volana Sy Tapany  Ilay Mpikatroka Emirati

Sary Fanentanana ho an'i Imran al Radwan, nogadraina ao Emirà Arabo Mitambatra . Sary tao amin'ny ICFUAE.

Iray amin'ireo mpikatroka miisa 94 niharan'ny fanenjehana faobe tamin'ny taona 2013 noho ny fitakiana fanavaozana ara-politika ao Emirà ilay mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Emirati Imran Radwan, izay voampanga amin'ny “fanohintohinana ny fiarovam-pirenena.”

Manefa sazy fito taona ao amin'ny fonjan'i Al-Razeen ao Abu Dhabi izy amin'izao fotoana izao, izay ahitana ireo mpikatroka ara-politika sy mpiaro ny zon'olombelona voaporofo fa misedra toe-javatra  mampalahelo .

Iray volana sy tapany lasa izay, nanapa-kevitra ny handray an-tànana ny raharaha  i Radwan amin'ny alàlan'ny fampiasana ny iray amin'ireo tetika vitsy amin'ny fanoherana izay azon'ny gadra politika atao; nanomboka nitokona tsy nisakafo izy

Araka ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fahafahana ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra (ICFUAE), nosavaina niaraka tamin'ny voafonja hafa i al-Radwan :

The inspection was completed in a humiliating manner with prisoners stripped naked with only small towels covering their genitals, which – in such a conservative community – is considered a form of sexual abuse that is extremely humiliating.

Natao tamin'ny fomba mahamenatra ny fisavana amin'ny fampitanjahana ireo voafonja tsy misy hafa tsy lamba kely manarona ny taovam-pananahana izy ireo izay azo heverina ho endrika fanararaotana ara-nofo izay tena mahamenatra raha  ao amin'ny vondrom-piarahamonina mpandala ny mahazatra toy izany.

Nitanisa ny olana avy amin'ny Foibe Iraisampirenena ho an'ny Rariny sy ny Zon'Olombelona ihany koa ny ICFUAE, izay nanasongadina “ny fanitsakitsahana ny zon'ny fiainana manokana sy ny fitondran-tena ara-batana sy ara-maoraly ary ny fanitsakitsahana ny lalàna izay mifehy ny fanaraha-mason'ny fonja.”

Nilaza tamin'ny Global Voices i Maria Di Lenna, mpandrindra ny fanentanana ao amin'ny ICFUAE fa tamin'ny herinandro lasa no nahazo fanampim-baovao farany momba ny fitokonan'i Radwan tsy mihinan-kanina ny fikambanany. Naneho ny ahiahiny momba ny fahasalamany ny fianakaviana, izay nangataka ny tsy hitonona anarana. Hoy izy:

The only medical examination he's had shows that his kidney is suffering from the prolonged hunger strike. Although weak, he is determined to continue his strike. The last time they visited him, they couldn't even speak to him because the speakers/mics were not working.

Mampiseho  ny hany fanaraha-maso nataon'ny dokotera taminy fa marary noho ny fitokonana tsy mihinan-kanina maharitra ny voany. Mbola tapa-kevitra ny hanohy ny fitokonana izy na dia efa reraka aza. Tsy afaka niresaka taminy akory izy ireo tamin'ny fotoana farany nitsidihan'izy ireo azy satria tsy nandeha ny mikrô.

Niharan'ny fampijaliana i Radwan hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2012 sy namonjana azy tamin'ny taona 2013. Araka ny tatitra nivoaka tamin'ny taona 2015 avy amin'ny Foiben'ny Helodrano ho an'ny Zon'Olombelona misahana ny fampijaliana ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra dia teo ambany fanaraha-maso hatrany i Radwan, tsy navela hihaona tamin'ny mpisolovavany, tsy nisy fandriana natoriana na seza nipetrahana, tsy navela hampiasa ny solomasony, ary tsy navela hahita masoandro.

Tsy i Radwan ihany no gadra politika nanao fitokonana tsy mihinan-kanina tamin'ny toe-javatra toy izany. Tamin'ny volana Aprily,  nanomboka ny fitokonana tsy mihinan-kanina taorian'ny nanomezan'ny fitsarana Emirà Arabo Mitambatra azy sazy folo taona an-tranomaizina ilay mpahay toekarena sady mpampianatra sekoly ambony Nasser Bin Ghaith noho ny famoahana lahatsoratra tamin'ny aterineto izay voalaza fa “manohintohina ny fanjakana” sy ny famoahana “vaovao tsy marina” tao amin'ny Twitter.

Raha niatrika fitsapana naharitra sy tsy ara-drariny, natoka-monina , niharan'ny fanararaotana sy fampijaliana, dia ny fanaovana   fitokonana tsy mihinan-kanina no iray amin'ireo tetika sisa vitsy mba hisarihana ny saina mikasika ny fampijaliana azy ireo ho an'ny voafonja toa an'i Radwan sy Bin Ghaith. Kanefa tsy nanakana ny manampahefana Emira Arabo Mitambatra hanohy sy hanamafy ny fomba famoretana izany hatramin'izao.

” Nandà ny hanome fikarakarana ara-pitsaboana ireo mpitokona tsy mihinan-kanina ny manampahefan'ny Emira Arabo Mitambatra ary ary mandrahona ny hanery azy ireo hihinana mihitsy aza,” hoy i Di Lenna avy ao amin'ny ICFUAE raha nilaza tamin'ny Global Voices  . Hoy koa izy nanampy:

This not only shows their negligence towards prisoners’ rights but also their active opposition to political dissidents specifically. Their practices of ill-treatment of prisoners of conscience are not only a form of deterrence but also a tool to repress any critical voices within the UAE

Tsy vitan'ny hoe mampiseho fotsiny ny tsirambina atao manoloana ny zon'ireo gadra izany  fa famelezana mahery vaika ara-politika atao amin'ny mpanohitra manokana ihany koa. Tsy  endrika fanakiviana ihany ny fampijaliana fanaon'izy ireo amin'ireo gadra maneho hevitra fa  fitaovana iray ihany koa hamoretana ireo feo rehetra mitsikera  ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.