Ejypta: Mpikatroka Sy Bilaogera Voasambotra Ary Navotsotra Tany Amin'ny Tany Foana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity)

Mandehandeha Eny Amin'ny Tany Foana ireo Bilaogera

Navoakan'i Ejypta androany ireo bilaogera sy mpikatroka hafa voasambotra tamin'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Mubarak notontosaina tao amin'ny tany efitra tao Kairo, araka ny filazan'ireo bilaogera.

Bilaogera sady mpanao gazety Hossam El Hamalawy, izay nanaraka akaiky ny fivoaran-draharaha, nanoratra hoe:

Police released the remaining Kefaya activists in custody today in the afternoon, after they spent their night in the Qattamiya desert, locked up in two prison trucks.
There were two prison trucks; one containing eight detainees: Ahmad Droubi, Adham el-Safti, Omar Mustafa, Ahmad Samir, Khaled Mustafa, Sherif Ragab, Mohamed Abdel Qader, Kareem el-Sha’er.
The other car, it turned out, had two activists only: Mohamed Gamal and Omar el-Hadi.
The detainees, according to a phone interview with Droubi, were not allowed to leave the car, and were given food only once at 4am. They even had to urinate inside the prison truck in empty Koshari boxes and bottles, courtsey of Mubarak’s police.
The prison trucks started cruising in the afternoon again, and dropped each detainee off in a different location out in the desert, starting from 2:40pm, according to lawyer Rajia Omran.

Navotsotry ny polisy androany atoandro ireo mpikatroka Kefaya sisa tavela nogadraina, rehefa tao an-tany efitra Qattamiya nandritra ny alina tontolo, nogadraina tao anaty kamiao-fonja roa.
Anankiroa ireo kamiao fonja; ny iray nanagadràna olona valo: Ahmad Droubi, Adham el-Safti, Omar Mustafa, Ahmad Samir, Khaled Mustafa, Sherif Ragab, Mohamed Abdel Qader, Kareem el-Sha’er.
Ny kamiao iray kosa nanagadràna mpikatroka roa ihany: Mohamed Gamal sy Omar el-Hadi.
Tsy navela niala tao anatin'ny kamiao ireo gadra, araka ny resaka an-tariby niarahana tamin'i Droubi, ary nomena sakafo tamin'ny 4 ora maraina ihany. Tsy maintsy ao anatin'ny kamiao ihany koa izy ireo no mivalan-drano ao anaty boaty sy tavoahangy Koshari foana, avy amin'ny polisin'i Mubarak.
Nanomboka nandeha indray ireo kamiao fonja ny atoandro ary nandraraka tsirairay an'ireo gadra tamin'ny toerana samihafa ao amin'ny tany efitra, nanomboka tamin'ny 2:40 hariva izany araka ny filazan'ilay mpisolo vava Rajia Omran.

Natao nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra ny fisamborana, anisan'izany mpanohitra izany ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny Kefaya, manohitra ny fanitsiana ny lalàmpanorenana. Notontosaina androany koa ny fitsapan-kevibahoaka momba ny fanitsiana izay manampy ny Antokon'ny Fitondrana (NDP) ary manilika ireo Islamista mpanohitra amin'ny rafi-politika. Vitsy ireo mpifidy tamin'ny fitsapan-kevibahoaka, izay niavaka tamin'ny fitroarana sivily sy fifandonana tamin'ny polisy araka ny hita ao amin'ny sary etsy ambany, noho ny antson'ny mpanohitra mba tsy handray anjara amin'izany fitsapan-kevibahoaka izany no anton'ny taha-pahavitrihana vitsy.

Araka ny filazan'ilay bilaogera Alaa Abdelfattah, ny fanitsiana – dia  “miantoka ny fitohizan'ny fitondrana didy jadona ao amin'ny firenena, ny fandovàna ny fandimbiasam-pahefana ary ny fanafoanana ny fitsarana manara-maso ny fifidianana.”

Fa inona no nitranga tamin'ireo mpikatroka niafara tany am-ponja tao Ejypta?

Ny rohy manaraka dia mampiseho ny fiainana ao am-ponja. Misy koa ireo sary sy rohin-dahatsary mampiseho ny fepetra fadiranovana iaretan'ny gadra rehefa tratra amin'ny fihetsiketsehana.

I have noticed the following in the prison cells and the treatment with detainees:
First: The prison cells were so narrow; one of the detention cells was 3 * 4 metres and it contained 11 detainees; the other was 6 * 3 metres and it contained about 14 detainees; Ikhwanweb correspondent managed to take photos of them through his camera phone which he hid in his clothes after the security forces have arrested him.
Second: The toilets are not suitable for human use.
Third: The detainees received tough treatment from the state security: visits were banned, their lawyers were not allowed to visit them throughout the period of detention except when the detainees declared their hunger strike, the police officers allowed lawyers in cells to attempt to make them stop the hunger strike.
Fourth: Conflicting orders from State Security Police officers.
Fifth: There was no difference between Muslim Brotherhood detainees and Kifaya detainees; the regime gives of them the same maltreatment, repression and persecution, the same policy it will use towards any one opposition to the constitutional amendments.
Sixth: MB, Kifaya members were detained in this crackdown; the system did not differentiate between them.

Nanamarika ity manaraka ity mikasika ny ao amin'ny efitry ny fonja sy ny fikarakarana ny gadra aho:
Voalohany: Tery loatra ny efitry ny fonja;  3 * 4 metatra ny iray amin'ireo efitry ny fonja ary hametrahana gadra 11; ny hafa kosa 6 * 3 metatra ary hametrahana gadra eo amin'ny 14; Nahavita naka ny sarin'izy ireo i Ikhwanweb tamin'ny alalan'ny kamera amin'ny finday izay nafeniny tao amin'ny akanjony rehefa nosamborin'ny polisy izy.
Faharoa: Tsy sahaza ho an'ny olombelona ny toeram-pivoahana.
Fahatelo: Ratsy karakara ireo gadra: voaràra ny fitsidihana, tsy mahazo mitsidika azy ireo ny mpisolovava raha tsy hoe milaza fa hitokona tsy hisakafo ny gadra, mamela ny mpisolovava hiditra ao amin'ny efitry ny fonja ny polisy mba hiezaka handresy lahatra ny gadra mba hanatsahatra ny fitokonana tsy hisakafo .
Faha-efatra: Didy mampiadihevitra avy amin'ny manampahefan'ny Fiarovam-panjakana.
Fahadimy: Tsy misy fahasamihafana eo amin'ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny gadra Kifay; mitovy ny fandraisana azy ireo, famoretana sy fanenjehana, mitovy ny politika ampiasainy ho an'ny mpanohitra, izay voalaza ao anatin'ny fanitsiana ny lalàmpanorenana.
Fahaenina: Niharan'izany famoretana izany ny MB, mpikambana ao amin'ny Kifaya; mitovy ny rafitra eo amin'izy ireo.


Ny Sivana ve no Vahaolana?

Ao Ejypta, maro ireo mpikatroka no sady bilaogera, mba ahafahan'izy ireo maneho ny fitarainan'izy ireo momba ny manampahefana sy ny rafitra. Mba hampihenàna ny fitomboan'ny mpanohitra, manantena ilay mpitsara Abdel Fattah Mourad fa hanakana bilaogy sy tranonkala 21 izay voalaza fa manohintohina ny fiarovam-pirenena ao Ejypta, manala-baraka ny endrik'i Ejypta any ivelany, ary manevateva ny Filoha Hosni Mubarak.

“The Administrative Court will look into the lawsuit filed by Judge Abdel Fattah Mourad to block 21 blogs and websites, on Tuesday, 9am…PLEASE SHOW UP! THE EGYPTIAN BLOGOSPHERE NEEDS YOUR SOLIDARITY AND SUPPORT,” pleads El Hamalawy.

“Hijery ny fitoriana napetrak'ilay mpitsara Abdel Fattah Mourad tamin'ny Talata, tamin'ny 9 ora maraina mba hanakatona bilaogy sy tranonkala 21 ny Fitsarana Ara-panjakana,…MISEHOA AZAFADY! MILA NY FIRAISANKINANAREO SY NY FANOHANANAREO NY TONTOLON'NY BILAOGY EJYPTIANA,” hoy i El Hamalawy.

Sary: Amr Abdallah

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.