- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aingam-panahy Avy Any Okraina No Nanosika Ireo Venezoeliana Mpanao Hetsipanoherana Hanaingo ny Ampingany Amin'ny Marika Azy Ireo Manokana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona
[1]

Pikantsary avy aminà lahatsary YouTube an'ny “Dólar Today”, mpampiasa iray ao amin'ny mpampahalala vaovaon'ny mpanohitra .

Sary iray miverimberina amin'ny korontana tsy mitsahatra mitranga ao Venezoelà ny an'ireo mpanao hetsipanoherana miaro tena amin'ny alàlan'ny ampinga namboarin'izy tenany, voaloko nasiany ny hafatra sy marika isankarazany.

Na ao amin'ilay tanàna amerikàna Miami aza, nisy olona nametraka iray amin'ireny ampinga ireny [2] eo amin'ny sarivongan'i Simón Bolívar, ilay maherifon'ny firenena Venezoeliàna, ho toy ny fanambaràna fanoherana amin'ny endrika artistika.

Ny hetsika Euromaidana 2014 tany Okraina no aingam-panahy nanosika ilay fandokoana ampinga, araka ny voalaza ao anatin'ny fanadihadiana “Winter of Fire [3]” (Ririnin'Afo) nosoratan'ilay Rosiana talen'ny famokarana, Evgeny Afineevsky. Araka ny nambaran'ilay Arzantina mpanao gazety, Viridiana Ramírez, tsy ela akory izay io fanadihadiana io no nojerena tany aminà toerana maro natao ho an'ny daholobe tany [4]Caracas.

Notaterin'ny Vivo Play, [5] fantsom-baovao ety anaty aterineto, ny momba ireny ampinga ireny, ary nitafa tamin'ny profesora mpampianatra haimarika, Humberto Valdivieso, mba hamantatra ireo hafatra fonosin'izy ireny. Karazana ampinga roa no nofaritan'i  Valdivieso: ny ampinga “aron-tava” izay maneho ny idealy ijoroan'ireo mpanao hetsipanoherana, ary ny ampinga ‘fitaratra’ izay maneho ny sarin'ireo mpifanandrina amin'ireo mpanao hetsipanoherana. Mitondra marika famantarana finoana ihany koa ireo ampinga, izay midika hoe miaro ireo izay mitondra azy ireny ireo ampinga, sy hoe fotsiny noho ny akora nentina nanamboarana azy, fa koa noho ny fiarovan'ny nahary. Misy ireo marika mampiavaka manokana ny kolontsaina Venezoeliàna, ary hatramin'ny marika famantarana mihoatra noho izay takatry ny saina sy hita maso:

…En las manifestaciones ocurridas en Venezuela desde el 1º de abril se han hecho presentes lo que [Valdivieso] califica como “escudos rostro” y “escudos espejo”. Los escudos rostro son aquellos ideales por los cuales los manifestantes luchan y es la representación del individuo que lo sujeta y del grupo al que defiende como una especie de máscara. Estos son los escudos que tienen mensajes lingüísticos como “democracia” “resistencia” y “libertad” “justicia” y “paz”. También lo son los que tienen las imágenes de la Constitución, la cruz de los templarios, a Simón Bolívar, imágenes religiosas, la bandera de Venezuela tradicional [con siete estrellas y no ocho [6] como fuera dispuesto por el ex-presidente Hugo Chávez] y el negro como señal de luto.

… Nampiasaina tamin'ireo fihetsiketsehana nitranga tao Venezoelà hatramin'ny 1 Aprily ireo ampinga faritan’ [i Valdivieso] ho toy ny  “ampinga aron-tava” sy “ampinga fitaratra”. Samy asehon'ireo ampinga ireo ny tsirairay milanja azy sy ny vondrona arovany. Ampinga misy hafatra momba ny fiteny toy ny hoe “demaokrasia”, “fanoherana” ary “fahalalahana”, “ny rariny” sy “fandriampahalemana”. Misy ihany koa araka izany ireo ampinga maneho sarin'ny Lalàm-panorenana, ny Tanambokovokon'ireo “Templiers”,sary masina, ny saina nentindrazan'i Venezoelà [misy kintana fito fa tsy valo [6], toy ny nampanaovin'ny filoha teo aloha, Hugo Chávez] ary mainty ho toy ny mariky ny fisaonana.

Ary notohizany :

En el caso de los “escudos espejo”, son los que tienen la intención de devolverle su imagen el contrincante con el fin de neutralizarlo. Estos son los escudos con las imágenes del presidente Nicolás Maduro, el diputado Diosdado Cabello el ministro Vladimir Padrino López, entre otros representantes del gobierno [y] que suelen ir en forma de sátira y acompañados con mensajes ofensivos.

Ny “ampinga fitaratra” dia ireo izay maniry ny hampiseho ny sarin'ireo mpifanandrina aminy mba handemena azy ireny. Ireto ireo ampinga misy ny sarin'ny filoha Nicolas Maduro, ny lefiny Diosdado Cabello, ny minisitra Vladimir Padrino López, ankoatra ireo solotenam-panjakana hafa [sy] matetika ampiasaina ho toy ny sary mahatsikaiky ary arahana hafatra manevateva.

Nozaraina betsaka tao amin'ny media sosialy ihany koa ny sarin'ireny ampinga ireny. Tao amin'ny Instagram, ireo mpanao gazety mpikirakira tarehimarika sady mpaka sary matianina, toa an'i Issac Paniza [7], Rafael Hernández Marcano [8] ary Jairo Gudino [9] dia nizara sary maro miantraika lalina, izay ahafahana mijery akaiky ireny marika famantarana amin'ny ampinga ireny.

Araka ny voalaza tery ambony, ny sasany amin'ireo ampinga dia maneho sary masina natao ho fiarovana izay hita ao anatin'ny finoana Katolika ao Venezoelà, toy ny fiantsoana an'i Masina Maria [10] sy ny sarin'i Jesoa Kristy, araka ny hita eo afovoan'ny sary eto ambany. Eo amin'ny ankavia amin'ny sary ao anatin'ny bitsika eto ambany, ilay Mpiandry Ondry Tsara [10] no aseho, ary eo amin'ny ankavanana dia ny  Virijinin'i Coromoto [11], olomasina mpiaro an'i Venezoelà:

Sary manafangaro ny finoana sy ny fanoherana ao #Venezoelà eo ambonin'ny ampinga voaloko miaraka amin'ny Virijiny sy Jesoa.

Misy hafa amin'ireo fiantsoana an'i Masina Maria hita ao anatin'ity bitsika ity mampiseho ireo Virijiny, sy ireo olomasina mpiaro ny fanjakàna Venezoeliàna:

Ireo ampinga natolotra ny mpanohitra androany. #Venezuela #15May #shields

Ny sary hafa mampiseho ny “ampinga fitaratra” misy ny sarin'ireo solotenam-panjakàna avy amin'ny governemanta nasionaly:

TSARA LOATRA! ireo ampinga vaovao an'ny Fanoherana, hiteraka nofy ratsy ho an'ireo  GNB [Guardia Nacional Bolivariana, ny tafipiarovana bolivariana ao Venezoelà] – Fanoherana ao Venezoelà

Ao ambadik'ireo ampingan'ny fanoherana: toy izao no fiarovantena ataon'ireo tanora mpanao hetsipanoherana ao Venezoelà (Lahatsary) https://t.co/Sb8gRFQwOP [22] pic.twitter.com/Qx6UUW6mFB [23]

Itony ireo ampinga izay miaro “Ny Fanoherana” tsy ho tratry ny famoretana feno herisetra ataon'ny polisin'i Maduro

Lasa lavitra noho ny endrika famantarana asehon'ireo sary eny alohan'ny ampinga, asehon'ny lahatsary iray avy amin'i Andrés Gerlotti, mpampiasa Youtube, ny fomba fijery ny hetsipanoherana avy any an-damosin'ireo ampinga: