Nitsahatra Tamin'ny Fandrosoana Hena Amin'ny Sidina Anatiny Ny Air India. Fitsitsiana Ve Sa Antony Ara-politika?

Ny fiaramanidina Air India Boeing 747-400. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Andrew E. Cohen. CC: BY-NC-ND 2.0

Tafiditra lohatenim-baovao lehibe indray  ny orinasam-pitaterana an'habakabaka mitondra ny sainam-pirenenan'i India sady zotram-piaramanidina anatiny fahatelo lehibe indrindra Air India rehefa nanambara izy ireo tamin'ny herinandro lasa fa tsy handroso sakafo misy hena intsony  amin'ny sidina ao an-toerana.

Voalaza ny hetsika fa iray amin'ireo fepetran'ny fitsitsiana maro noraisin'ny Air India, izay miatrika trosa manodidina ny 550 miliara Rs (8,5 miliara dolara Amerikana). Tohin'ny  fanapahan-kevitra tamin'ny Desambra 2015 izany izay nanaisotra ny sakafo misy hena amin'ny sidina akaiky ( latsaky ny 90 minitra) .

Raha mihevitra ny olona fa eo ho eo amin'ny mponina Haindoa  miisa 1 lavitrisa ao India eo ho eo no tokony ho tsy mpihinan-kena, dia tsy izany anefa ny zava-misy ankehitriny . Araka ny santionany tamin'ny rafitra fisoratana anarana (SRS) fanadihadiana fototra taona 2014 avy amin'ny mpirakitra an-tsoratra ankapobeny ao India, dia mihinan-kena ny 71 isan-jaton'ny Indiana mihoatra ny 15 taona.

Niaraka tamin'ny firongatry ny nasionalisma Haindò tao India , izay nanao fanerena ny vondrona vitsy an'isa ihany koa ny fanambarana. Tsy mahagaga noho izany raha faly tamin'ny fanapahan-kevitr'i Air India ny olona sasany raha nandray izany tamim-pahatezerana kosa ny hafa.

Naneho hevitra tao amin'ny Twitter i Madhu Menon, mpanoratra sady mpanao sakafo monina ao Bangalore , :

Sakafo tsy misy hena ihany no hita ao amin'ny Air India.
Amin'ny manaraka, tsy miteny afatsy Hindi ihany ny mpiasan'ny sidina .
Ary rehefa afaka izany, mijoro hanao hiram-pirenena alohan'ny hiaingan'ny fiaramanidina .

Ary hoy ny sasany::

Moa ve ny fanapahan-kevitra hisorohana ny sakafo tsy misy hena hanampy ny Air India ?? Mety amin'ny olona tsara ny tsy fahatomombanan'ny tolotra ary omena sakafo madio tsy misy hena fotsiny izy ireo rehefa tara ny fiaramanidina ??

Niaro ny Air India ny sasany toa an'i Krish Ashok, Namrata, ary Dr. Sangeeta :

Soso-kevitry ny teknikan'ny raharaham-barotra tsotra izany fa tokony hiezaka mba hanao fanatsarana sy hanao fitsitsiana ny fikambanana izay manana fatiantoka ary hisafidy sakafo bebe kokoa = vola lany bebe kokoa.

Lol!  tezitra tamin'ny  fanafoanan'ny Air India ny sakafo misy hena ny olona noho ny olan'ny toe-karena anatiny? Iza ireo zotram-piaramanidina anatiny hafa manome  sakafo maimaim-poana?

#Air India. Tena hevitra tsara ny tsy mihinana afatsy sakafo tsy misy hena any anaty zotram-piaramanidina… Tsy hiadian-kevitra ..maninona ny olona no manana kianina amin'izany?

Raha nanolotra fomba fijery hafa kosa i Pritish Nandy, poeta sady mpanao gazety:

Miahiahy aho fa tsy fanapahan-kevitra ara-barotra ny sakafo tsy misy hena ao amin'ny Air India. Fa toa mamofona politika izany. Ny fihenan'ny biby maty no vaovao tsara momba izany. Manavotra an'izao tontolo izao.

Nanao fampitahana tao amin'ny Facebook i Bhargav Thantry :

Air India serves a square meal on short domestic flights but in the United States one doesn't even get a decent buy on board option, leave alone a meal which is something unheard of in the states.

Mandroso sakafo mahavoky ny Air India amin'ny sidina anatiny akaiky kanefa any Etazonia tsy afaka misafidy akory ny olona iray ao anaty fiaramanidina, aza mikitika ny sakafo izay tsy fahita mihitsy any Etazonia.

Ny hafa indray toa tsy nivazivazy momba izany:

Tsy mivarotra ny Air India ny Pl. Iza no hanome antsika zava-tsarobidy amin'ny hadalana toy izany? Mandrara ny akoho mba hanaovana fitsitsiana ny fandaniam-poana, manafangaro ny tsy mpihinan-kena sy ny mpihinan-kena

@jayantsinha  tokony ovaina avy hatrany ny fanapahan-kevitry ny air India amin'ny sakafo madio tsy misy hena raha tsy izany dia tsy handeha amin'ny zotram-piaramanidina intsony izahay! Manana safidy 2 izy.

Tanana ankavanan'ny fanjakana ny Air India, araka ny andininy faha-12 ao amin'ny Lalàm-panorenana. Tsy azony atao ny manavakavaka na manapa-kevitra tsy ara-drariny .

Tsy nanome intsony ny sakafo misy hena ao amin'ny kilasy ekonomika Air India ny governemanta ankehitriny…. tsy nisy fanamarihana nomena … fanadiovana ara-maoraly iray hafa  …

Araka ny manampahefana iray ao amin'ny Air India , mandany 4 miliara Rs (US $ 62 tapitrisa) isan-taona ny orinasam-pitaterana an'habakabaka amin'izao fotoana izao amin'ny fikarakarana sakafo ho an'ny sidina anatiny sy iraisam-pirenena. Hahazo 80 tapitrisa Rs (US $ 1,24 tapitrisa) ao amin'ny tahiriny isan-taona amin'ity dingana ity ny zotram-piaramanidina izay mibaby trosa.

Mbola hojerena raha afaka hanarina ny fatiantoky ny zotram-piaramanidina ity hetsika ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.