- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Famandrihan-toerana, Lalàna, Bollywood, Voanjo

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika

(Marihana fa lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity)

Hatramin'izao, amin'ity volana ity, ny lohahevitra lehibe amin'ny fifanakalozan-kevitra virtoaly ao India dia ny amboara manerantany amin'ny lalao cricket ao Antilles. Satria voahilika mazava amin'ny amboara manerantany i India ankehitriny, nitodika tamin'ny olana hafa ny sain'ireo bilaogera.

Omaly, natsahatry ny Fitsarana Tampony Indiana vetivety ny fametrahana ny anjaran'ny Kilasy Hafa Tratra Aoriana (OBC na KHTA) na ny asa fanamafisana ao amin'ny toeram-pianarana ambony. Nilaza amin'ny ankapobenyy ny Fitsarana Tampony fa tsy ampy ny tahiry azo momba ny isan'ny mpianatra KHTA.

Sahirana ireo bilaogera nanoratra momba ity lohahevitra  mafana ity.

Rahul Gaitonde ao amin'ny 2 Paisa worth [1] nanoratra fa aloha loatra ny fankalazana momba ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Tampony, ka hoy izy:

Milaza izy ireo fa ny Komonista no manana atidoha tsara indrindra ao amin'ny Parlemanta. Eny, nanao resaka tena mahery i Prakash Karat androany, raha nanohitra ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Tampony izy, [2] nanajanona ny 27% amin'ny famandrihan-toerana ao amin'ny Ivon-toerana Fampianarana ambony.

The Communist Party of India-Marxist also had strong words on the judgment with party general secretary Prakash Karat calling it ‘ unfortunate and uncalled for.’

He said that already several states had implemented reservation on the basis of OBC lists even in Central services and wondered what the problem in extending it to educational institutions was.

Nanana teny mahery momba ny didim-pitsarana ihany koa ny Antoko Komonista an'ny India-Marksista miaraka amin'ny sekretera jeneralin'ny antoko Prakash Karat, miantso izany ho ‘mampalahelo sy tsy misy fotony.’

Nilaza izy fa efa fanjakana maromaro sahady no nanao famandrian-toerana mifototra amin'ny lisitry ny KMTA, na dia ao amin'ny tolotra Foibe aza ary nanontany hoe inona ny olana amin'ny fanitarana ny toeram-pianarana.

Zon'ny Karat.

Tao amin'ny bilaogy antsoina hoe Lalàna sy Zavatra Hafa [3], nanoratra izy ireo hoe:

Its still a bit early to comment on what the Court has said – we may have to wait a while before informed analysis of the Court's decision starts pouring in, after people have had a chance to read the actual text of the order issued by the Court.

Mbola aloha loatra raha haneho hevitra momba izay nolazain'ny Fitsarana Tampony – mety hoe tsy maintsy miandry elaela isika alohan'ny hivoahan'ny fanadihadiana mazava amin'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana, rehefa nanana fahafahana mamaky ny tena lahatsoratry ny didy navoakan'ny Fitsarana ny olona.

Misalasala amin'ny didin'ny Fitsarana Tampony i Nipon ao amin'ny BongBuzz [4] ary nanoratra hoe:

So much for the Supreme Court! So much for India! Living in India, how can we expect justice? This is the land where caste-based reservation will continue and Lalu Prasads and all will continue to rip political benefits out of that. There is only one way out – leave the country!

Tafahoatra ho an'ny Fitsarana Tampony! Tafahoatra ho an'i India! Monina eto India, ahoana no anantenantsika rariny? Ity no tany hitohizan'ny famindrahan-toerana mifototra amin'ny saranga ary hanohy hanangona tombontsoa ara-politika amin'izany i Lalsu Prasads sy ny rehetra. Misy fomba tokana ivoahana – mandao ny firenena!

Avy amin'ny bilaogin'ny Fitsarana Tampony, hifindra ho any amin'ny Bollwood isika sy Bombay sy ny fomba ahatakarana izany rehetra izany? Angamba any amin'i Mark Emmert, Filohan'ny Oniversiten'i Washington [5] ny valinteny. Mitsidika an'i India izy amin'izao fotoana izao ary manoratra hoe:

I now have a better sense of why Bollywood movies are so immensely popular. They fit the pace, the rhythms, even the melodrama of Mumbai. One factoid puts the bustle and scurry into perspective: Seven million people ride the train into Mumbai daily. Think of moving all of greater Chicago by train each morning and evening. New York is actually calming compared to the constant movement of Mumbai. 

Ankehitriny aho mahatakatra tsara kokoa ny antony mampalaza tokoa ny sarimihetsika Bollywood malaza loatra aho ankehitriny. Mifanaraka amin'ny halaky, ny gadona, ary ny melôdrama an'i Mumbai mihitsy izy ireo. Mampitabataba ny zava-misy sy mitondra vinavina: Olona fito tapitrisa no mitaingina fiaran-dalamby mankany Mumbai isan'andro. Mihevitra hitondra an'i Chicago manontolo amin'ny fiaran-dalamby isaky ny maraina sy hariva. Mangina ankehitriny i New York raha oharina amin'ny hetsika mitohy ao Mumbai. 

Efa mba nandre ny voanjo Komonista sy voanjo Kaongresy ve ianao? Eny ary, misy fivarotana any Bangalore izay mivarotra voanjo nomena ny anaran'ny Komonista sy ny Kongresy (antoko politika tranainy indrindra ao India) izay mivarotra izany. Jereo ny horonantsarimihetsika  [6]ary ho hitanao ny fomba nahazoan'izy ireo ny anaran'izy ireo.