Lahatsary HUB: Miaro Ny Zon'ny Vehivavy Mpikatroka Manerana Izao Tontolo Izao

(Marihina fa tamin'ny 13 Martsa 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Manolotra antsika lahatsary telo nalaina tao amin'ny hetsika “Human Rights for Women; Human Rights for All” ( Zon'olombelona Ho An'ny Vehivavy; Zon'olombelona Ho An'ny Rehetra) ny Witness’ The HUB Beta, izay nahitana vehivavy maherifo miisa 3 miaro ny zon'ireo vehivavy hafa ary miresaka momba ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho An'ny Vehivavy Mpiaro Ny Zon'olombelona .

Tao amin'ny tranonkala famintinana ny fanentanana :

The International Campaign on Women Human Rights Defenders is an international initiative for the recognition and protection of women who are activists advocating for the realization of all human rights for all. The campaign asserts that women fighting for human rights and pa rticularly focusing on women's human rights face specific violations in the course of their work because of their sex and gender. In addition, the Campaign focuses on the situation of human rights activists defending women’s rights and in particular calls attention to the violations experienced by lesbian, gay, bisexual, transgender and other rights activists on grounds of their sex and gender identities. The identities of these actors as well as the nature of the rights they strive to uphold are both factors that make them the focus of the Campaign.

Hetsika iraisam-pirenena ho amin'ny fankatoavana sy fiarovana ireo vehivavy mpikatroka miaro ny fampiharana ny zon'olombelona rehetra ho an'ny daholobe ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Mpiaro ny Zon'olombelona. Nilaza ny fanentanana fa miatrika ny fanitsakitsahana manokana amin'ny asany  noho ny fanavakavahana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy ny vehivavy miady ho amin'ny zon'olombelona, ary indrindra indrindra ireo izay mifantoka amin'ny zon'ny vehivavy. Ankoatra izany, mifantoka amin'ny zava-misy eo amin'ireo mpikatroka miaro zon'ny vehivavy ny fanentanana, ary misarika ny saina indrindra  ihany koa mikasika ny fanitsakitsahana hiainan'ny vehivavy tia vehivavy, pelaka, sady lehilahy no vehivavy, sarimbavy na sarindahy ary ny mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona  hafa noho ny mari-panondroana amin'ny maha lahy na maha vavy azy ireo. Ny mari-panondroana ireo olona voalaza ireo sy ny natioran'ny zo izay ezahan'izy ireo arovana no antony roa ifantohan'ny fanentanana .

Misy lahatsary miisa 3 nosafidian'ny mpamoaka lahatsary amin'izao fotoana izao avy ao amin'ny The Hub:  miresaka ny maha zava-dehibe ny fanentanana sy ny fomba nampiharana ny tetikady manokana mikasika ny fanavakavahana ny lahy sy ny vavy ho amin'ny asan'ny zon'olombelona i Sunila Abeyesekera avy ao amin'ny INFORM ao Sri Lanka, miresaka momba ny antony hiantsoany ny lohahevitra hoe “tsy manintona ara-pananahana” i Lydia Alpizar avy ao amin'ny AWID satria ny famatsiam-bola no tena ilaina hiarovana ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy : “raha tsy misy ny loharanom-bola dia tsy misy ny fampiharana mitondra fanantenana amin'ny fanolorantena ara-politika mba hanohanana ny zon'vehivavy” ary nanazava ny antony tokony hanatsaharana ny heloka bevava atao amin'ny vehivavy mifototra amin'ny fomban-drazana na ny fivavahana i Aisha Shaheed avy ao amin'ny Fanentanana Manerantany amin'ny Fampitsaharana ny Famonoana sy ny Fitoraham-bato,  .

Ity manaraka ity ny  lahatsary miisa 3 mampiseho ireo  vehivavy maherifo izay mitolona ho amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy hafa, ary nalefan'i Violeta Krasnic an-tserasera.

http://hub.witness.org/flvmediaplayer/4313

http://hub.witness.org/flvmediaplayer/4307

http://hub.witness.org/flvmediaplayer/4304

So what is the Hub? It´s a website where anyone can post videos related to human rights, so that they get a wider audience that is interested in the subject, instead of having to dig through regular video uploading websites to find the content they want. It´s a way to get human rights content directly to those who are interested in seeing it.

Koa inona ary noho izany ny Hub? Ny Hub dia tranonkala iray ahafahan'ny olon-drehetra mamoaka lahatsary mikasika ny zon'olombelona, ​​mba ho hitan'ny mpijery midadasika kokoa izay liana amin'ilay foto-kevitra, mba tsy ho voatery hikaroka ny votoaty izay tadiaviny any amin'ny tranonkala fakana lahatsary mahazatra izy ireo, izany hoe fomba iray ahitana mivantana ny voatoaty mikasika ny  zon'olombelona ho an ‘ireo izay liana amin'ny fijerena izany izy.

Lahatsary fampahafantarana ny Hub maharitra 60 minitra ity manaraka ity izay manazava ny mombamomba izany, sy ny fomba fandraisana anjara ao anatiny.

http://hub.witness.org/flvmediaplayer/2217

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.