- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Ilay Mpandeha Tsy Nanana Tapakila

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 11 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ao Moskoa, azo vidiana any amin'ny mpamily 25 robla izay mitovitovy amin'ny 1$ ny tapakila ho an'ny fiara fitateram-bahoaka/trolleybus/tram. Mahazo fihenam-bidy ianao raha toa ka mividy ny tapakilanao eny amin'ny fivarotana manokana. Kanefa aleon'ny olona sasany manao hosoka sy mitaingina maimaim-poana. Fantatra amin'ny anarana hoe zayats amin'ny Rosiana: izany hoe bitro dia ny mpandeha tsy manana tapakila. Nitantara [1](RUS) ny zavatra hitany vao haingana raha nifanena tamin'io karazan'olona io ilay mpisera LJ kozenko monina ao Moskoa :

I really don't understand people who can ride for free on public transportation. Those who climb over turnstiles, hiding from conductors. And when they consider it heroism, that's totally beyond me. And if they are also older than 12, this, excuse me, is [absolutely obnoxious].

I was on a trolleybus going from [Dinamo [2]] to [Sokol [3]] today. A half-empty car, me and some pensioners. And then through the front door enters something of my age, if not older. Tall, wearing an old leather jacket and idiotic black pants with thin stripes. He steps over the turnstile and crashes down on an empty seat. The driver, a sturdy short woman, walked out of her cabin and told him that if he didn't get out, the trolleybus wouldn't be going anywhere. This something started laughing in response. It was actually laughing all the time, as if stoned.

The driver woman opened all the doors, walked out into the street, lit a cigarette and started strolling around. Two minutes passed. A pensioner, aged 70 or so, got up from his seat, came up to the zayats, if you can call it that, and asked him to leave. The guy even stopped laughing: “Grandpa, [what the hell]? Do you really give a [damn]? Go to your seat and sit there, [damn it].” The pensioner repeated his request, the black jacket and striped pants started laughing. The elderly man tried to take the jerk by his shoulder, the jerk waved him off and tried to push him. This is when I and another elderly man got up from our seats.

Anyway, we basically threw this smirking piece of crap out of the trolleybus. The driver returned to her cabin, closed the doors. The elderly men and I smiled to each other and, having built a civil society, haha, we proceeded on our ride.

 

Tena tsy azoko ireny olona mitaingina maimaim-poana ny fitateram-bahoaka ireny. Ireo izay mitsambikina ny sakana ary miafina ny mpamily. Ary tena tsy takatry ny saiko mihitsy ny fiheveran'izy ireo ny tenany ho be herimpo. Ary raha mihoatra ny 12 taona ihany koa izy ireo, miala tsiny aho fa dia [tena mampivonto fo].

Raha nandeha trolleybus avy ao [ Dinamo [2]] ho any [ Sokol [3]] aho androany. Tsy feno ny antsasaky ny fiara fa ny tenako sy ny olona misotro ronono vitsivitsy no tao anaty fiara. Ary avy eo nisy olona mitovitovy taona tamiko niditra teo amin'ny varavarana fidirana , raha tsy mbola zokiko kokoa. Lava, manao palitao hoditra efa ratsiratsy sy pataloha sadika mainty mitsoriadriaka. Nandingana teo ambonin'ny sakana izy ary nivoretaka teo amin'ny seza tsy nisy nipetraka. Niala teo amin'ny familiana ilay mpamily, vehivavy fohy somary vaventy ary nilaza taminy fa raha tsy mandeha mivoaka izy dia tsy mihetsika eo ihany koa ilay trolleybus . Nanomboka nihomehy io olona io tamin'izay. Ary tsy nitsahatra nihomehy, toy ny hoe mifoka rongony.

Novohan'ilay vehivavy mpamily ny varavarana rehetra, nandeha nivoaka teny ivelany izy, nandrehitra sigara ary nanomboka nandehandeha manodidina teo. Lasa ny roa minitra. Nisy olondehobe misotro ronono iray, 70 taona eo ho eo, nitsangana niala teo amin'ny sezany ary nanantona an'ilay zayats, raha izay no azo iantsoana azy , nangataka azy hidina . Nitsahatra tamin'ny fihomehezana mihitsy aza ilay lehilahy: “Dadabe, [inona no hidiranao amin'izany]? Aza [manirikiry]? Mandehana ianao miverina eny amin'ny sezanao mipetraka, [mahatsiravina]. “Mbola namerina ny fangatahany ilay mpisotro ronono, nanomboka nihomehy i palitao mainty sy pataloha sadika. Niezaka nisintona ilay adalalahy tamin'ny sorony ilay zokiolona , nanilika azy anefa izy ka nanosika azy. Tamin'izay no nitsangana aho sy ny lehilahy zokiolona iray hafa .

Na izany aza, navoakanay tsotra izao tany ivelan'ny trolleybus ity lehilahy mihomehy amin'ny tsy misy dikany ity. Niverina teo amin'ny toerany ilay mpamily , nanakatona ny varavarana. Nifamptsiky izahay sy ilay zokiolona, rehefa nahatsangana fiarahamonim-pirenena, haha, nitohy ny dianay.